“Ireo namana manerana izao tontolo izao”, Namana, martsa 2025, 14–15.
Ireo namana manerana izao tontolo izao
Sicily S., 11 taona, New York, Etazonia
Ella T., 9 taona, Texas, Etazonia
“Mitaingina bisikileta eo amin’ny lalan’ny fahazavana,” Jane H., 9 taona, Miaoli County, Taïwan
“Benjamina Mpanjaka”, Caio V., 7 taona, Minas Gerais, Brésil
Ezra V., 7 taona, Le Cap-Occidental, Afrika Atsimo
Nangataka ny hiara-hilalao amiko sy ireo namako nandritra ny fakan-drivotra ny mpiara-mianatra iray. Noteneninay izy hoe tsy te hiara-hilalao aminy izahay. Taoriana kelin’izay aho dia nahatsapa ho diso ary nalahelo hoe tsy navelako hilalao niaraka taminay izy. Amin’izao aho raha mahatsikaritra hoe irery izy, dia asaiko miara-milalao amiko izy mba hahafahany manana namana.
Eva W., 7 taona, Luxembourg, Belgque
Manampy aho amin’ny alalan’ny fampirimana ireo kilalao sy boky rehefa avy milalao aho.
LeGrand L., 6 taona, Sorsogon, Philippines
Indraindray aho dia mahatsapa ho tsy manana namana. Indraindray dia toy ny hoe tsy misy miraharaha izany. Saingy avy eo aho dia mieritreritra sy mahatsiaro zavatra tena marina. Tia ahy ny Ray any An-danitra ary tia ahy koa i Jesoa.
Kalli M., 9 taona, Maryland, Etazonia
Nanao io sary io aho rehefa nianatra fa ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fivavahantsika. Mifantoka amin’ny tempoly foana aho, ary te-ho any aho rehefa ampy taona.
Vince C., 10 taona, Nouveau Mexique, Etazonia
Nisy rambon-danitra goavana tany amin’ny faritany ipetrahako. Nandeha tany amin’ny efitranoko aho ary nivavaka ho an’ireo olona izay namoy ny tranony. Nahatsapa ny Fanahy Masina aho niteny tamiko fa nety ny nataoko.
Henry H., 8 taona, Arkansas, Etazonia