2025
Fantaro ireo takela-bolamena!
Martsa 2025


“Fantaro ireo takela-bolamena!,” Namana, martsa 2025, 24–25.

Fantaro ireo takela-bolamena!

Araho ny fifanesen’ny zava-niseho araka ny fotoana mba hahitana ny fomba nandraisantsika ny Bokin’i Môrmôna.

  • ~421 taorian’i J.K.

  • Nofehezin’i Môrônia ilay mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo takela-bolamena. Nampianatra momba an’i Jesoa Kristy ireo takelaka. Nitantara ny tantaran’ny vahoakan’i Môrônia ihany koa izy ireo.

  • 1823

  • Rehefa lasa anjely i Môrônia dia nitsidika an’i Joseph Smith. Nolazain’i Môrônia taminy fa nalevina tao amin’ny Havoana Komôrà teo akaiky teo ireo takela-bolamena.

  • 1827

  • Rehefa avy niomana nandritra ny efa-taona i Joseph dia natoky azy ny Tompo mba hitondra ireo takelaka hody.

  • 1828

  • Nandika ireo takelaka i Joseph tamin’ny alalan’ny fihainoana tsara ny Fanahy Masina. Nampiasa fitaovana manokana avy amin’ Andriamanitra ihany koa izy. Nampiasa vato iray antsoina hoe vato mpahita sy fitaovana antsoina hoe mpandika teny izy na ny Orima sy Tomima izay nalevina niaraka tamin’ireo takelaka.

  • 1829

  • Nanampy an’i Joseph ny Ray any An-danitra hahatakatra ny zavatra nolazain’ireo takelaka. Nanampy tamin’ny fanoratana ny zavatra nadikan’i Joseph i Oliver Cowdery.

  • Olona roa ambin’ny folo farafahakeliny no nahita ireo takela-bolamena. I Mary Whitmer ny iray tamin’izy ireo. Azonao vakina ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo vavolombelona hafa any amin’ny fiandohan’ny Bokin’i Môrmôna. Tsy nisy nandà na oviana na oviana ny zavatra niainany ireo olona ireo.

  • 1830

  • Ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna voadika voalohany tamin’ny Anglisy dia natonta tany Palmyra, New York, Etazonia.

  • Ankehitriny

  • Vakina manerana izao tontolo izao ny Bokin’i Môrmôna ankehitriny! Voadika amin’ny fiteny miisa 115 izany. Mizara ny Bokin’i Môrmôna amin’ny olona rehetra azon’izy ireo hizarana izany ireo misiônera.

Fifanesen’ny zava-niseho araka ny fotoana ahitana fanehoana an-tsary an’i Joseph Smith sy ireo takela-bolamena

Sary nataon’i Alyssa Petersen