Namana
Ilay fahagagana teo am-baravarana
Namana - Janoary 2026


“Ilay fahagagana teo am-baravarana,” Namana, Janoary 2026, 18–19.

Ilay fahagagana teo am-baravarana

Hihatsara ihany ve ny maman’i Gracie?

Tantara marina avy any Etazonia.

Nanaikitra ny ampahany farany tamin’ilay crèpe i Gracie, dia nametraka ny loviany sy sotrony tao amin’ny fanasam-bilia izy ary naka ny kitapo babeny.

“Fotoanan’ny fiaraha-mivavaky ny fianakaviana izao,” hoy i Dada.

Nandohalika tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny ny rehetra. I George anadahy kambana amin’i Gracie no nanao ny vavaka. “Mba ampio izahay hanana andro tsara any an-tsekoly,” hoy izy. “Ary mba tahio i Neny mba hihatsara. Mba tahio ireo dokotera hahafantarana ny fomba hanampiana azy.”

Sary maneho fianakaviana mandohalika mivavaka

Nisy fivontosana tao amin’ny atidohan’ny renin’i Gracie. Mila fandidiana izy. Feno fanantenana ireo mpitsabo fa hilamina avokoa ny zava-drehetra, saingy tsy afaka nanome toky feno izy ireo.

Taorin’ny vavaka dia nofihinin’i Neny ny rehetra. “Handeha ho any amin’ny dokotera indray aho anio. Antenaina fa afaka mahazo valiny misimisy kokoa isika.”

Dia ahoana raha maty i Neny ary tsy afaka hiresaka aminy intsony aho? Nanontany tena i Gracie. Tena natahotra be izy. Tsy azony an-tsaina izany hoe tsy afaka mamihina an’i Neny izany intsony na tsy mahita azy aorian’ny fotoam-pianarana izany intsony.

Tamin’io andro io dia nandeha tany an-dakilasy sy ny fotoana fakan-drivotra ary ny sakafo atoandro toy ny mahazatra i Gracie. Saingy nanohy nieritreritra momba an’i Neny foana izy. Rehefa natahotra izy dia nieritreritra ny hiran’ny Kilonga tiany indrindra. Fianakaviana mandrakizay no drafitry ny Ray. Te hiaraka amin’izy ireo aho rahatrizay, hoy izy nihira tao an-tsainy.

Rehefa nody avy nianatra izy ireo dia nihazakazaka niditra i Gracie sy George ary namihina mafy an’i Neny. “Nanao ahoana ilay fotoana tany amin’ny dokotera?” Hoy i Gracie nanontany.

“Nilamina tsara izany,” hoy i Neny. “Mbola tsy mahafantatra betsaka aloha isika. Mbola hisy fotoana fanampiny hafa amin’ny herinandro ambony mialoha ny fandidiana.”

Faly i Gracie nahita ny reniny. Saingy mbola sahiran-tsaina foana anefa izy.

Andro vitsy taty aoriana dia naneno ny teo am-baravarana. Rehefa nanokatra ny varavarana i Neny dia naheno olona nihira i Gracie.

Nijoro niaraka tamin’i Neny teo amin’ny tokonam-baravarana izy ary nijery ireo namana maro avy ao am-piangonana sy avy ao an-tsekoly. Nihira hiran’ny Kilonga izy ireo. “Nieritreritra anareo izahay ary naniry hitondra fankaherezana,” hoy ny iray tamin’izy ireo. Dia nanomboka nihira indray izy ireo avy eo.

Fanehoana an-tsary ny reny iray sy ny zanany manokatra varavarana hijerena olona maro mihira

Tonga teo amin’ny tokonam-baravarana ihany koa i George. Nitodika tany amin’i Gracie izy. “Andao hiara-hihira amin’izy ireo!“

Nalain’i Gracie sy George ny palitaon’izy ireo dia nihazakazaka nivoaka hiaraka amin’ny hafa izy ireo. Nihira mafy be faran’izay vitany izy ireo:

Andriamanitry ny fahagagana i Jesoa Kristy;

Tsy misy na inona na inona tsy vitany,

Saingy fantatro fa:

Ny mahatalanjona indrindra amin’ireo fahagagany rehetra

Dia ilay fahagagana izay namonjena ahy!

Sary maneho ankizivavy mihira

Nahita an’i Neny nitomany i Gracie. Nifikitra mafy tamin’ny fen’i Neny i Rosie zandriny vavy ary nihaino ihany koa.

Nisy fahatsapana fiadanana nanenika an’i Gracie. Mbola sahiran-tsaina momba an’i Neny izy. Saingy fantany fa tia azy ireo i Jesoa Kristy. Tena Andriamanitry ny fanafahana tokoa Izy. Ary nahafantatra i Gracie fa hilamina avokoa ny zava-drehetra.

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Bethany Stancliffe

  • “The Miracle,” Friend, June 2018, 24–25.