Manolotra ny famonjena faratampony ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy
Rehefa mitodika amin’i Jesoa Kristy isika, ilay Mpamonjy izao tontolo izao, dia manavotra antsika amin’ireo oram-baratry ny fiainana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany Izy.
Manolotra ny famonjena faratampony amin’ireo fitsapana atrehantsika eto amin’ity fiainana ity ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Nanendry ahy mba hanokana ny Tempolin’i Casper Wyoming ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny fiafaran’ny taona lasa teo. Traikefa lalina sy feno fihetseham-po ary ara-panahy izany. Napetrak’izany mazava tsara ho zavatra hifantohana ny anjara asan’ireo tempoly amin’ny famonjena ireo zanak’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.
Ireo tsatòka ao amin’ny distrikan’ny Tempolin’i Casper Wyoming dia ahitana ny ampahany amin’ilay lalan-tany mamakivaky tanety nampiasain’ireo mpisava lalana Olomasin’ny Andro Farany teo anelanelan’ny 1847 sy 1868. Mba ho fiomanana tamin’ny fanokanana ilay tempoly dia namerina namaky ny sasany tamin’ny tantaran’ilay lalan-tany izay manaraka ny moron’ny Renirano Platte akaikin’i Casper ka mitohy mankany Salt Lake City aho. Lalana ifamezivezena io lalan-tany io ho an’ireo mpifindra monina an’hetsiny tany andrefana. Ireo mpisava lalana Olomasin’ny Andro Farany maherin’ny 60.000 nanao dia tamin’io lalan-tany io no tiako horesahina indrindra.
Tonga tamin’ny alalan’ny sarety mitafo ny ankamaroan’ireo mpisava lalantsika, saingy teo ho eo amin’ny 3.000 teo no niampita tamin’ny andiana sarety tarihin-tanana miisa folo. Ny valo tamin’ireo andiana mpitarika sarety tarihin-tanana ireo dia nahavita nandeha tamin’ilay lalana lavitra dia lavitra tamin’ny fahombiazana mampitolagaga ary vitsy ny olona maty. Ireo andiana mpitarika sarety tarihin-tanana nisy an-dry Willie sy Martin no niatrika zavatra hafa amin’izany.
Namerina namaky ireo tantaran’ny andiana mpitarika sarety tarihin-tanana nisy an-dry Willie sy Martin teo amin’ilay fotoana nanombohan’ny toetr’andro tena ratsy aho. Lasa nahafantatra lalina kokoa ireo olana natrehan’izy ireo tamin’ny fiampitana ny Renirano Sweetwater, ny Martin’s Cove, Rocky Ridge, ary Rock Creek Hollow aho.
Between Storms [Anelanelan’ny tafio-drivotra], nataon’i Albin Veselka
Tsy mbola niditra ny Tempolin’i Casper aho talohan’ilay fanokanana. Rehefa niditra ilay toerana fandraisana aho dia voasarika avy hatrany tany amin’ilay sary hosodokona mpitarika sarety tarihin-tanana izay antsoina hoe Between Storms [Anelanelan’ny tafio-drivotra]. Nazava tsara fa tsy nentina hanehoana ireo zava-doza nitranga ilay sary hosodoko. Rehefa nibanjina izany aho dia nieritreritra hoe: “Marina ity sary hosodoko ity. Ny ankamaroan’ireo mpisava lalana mpitarika sarety tarihin-tanana dia tsy niaina zava-doza.” Tsy haiko ny tsy hahatsapa fa toy izany koa ny fiainana amin’ny ankapobeny. Indraindray isika eo anelanelan’ny tafio-drivotra ary indraindray eo anelanelan’ny rahona sy ny tara-masoandro.
Heaven’s Portal [Varavaran’ny lanitra], nataon’i Jim Wilcox
Rehefa nitodika tany amin’ny kôpia voalohan’ilay sary hosodoko eo amin’ilay rindrina iray hafa aho, izay antsoina hoe Heaven’s Portal [Varavaran’ny Lanitra], dia tsikaritro fa ilay sary hosodoko maneho fotoam-pahavaratra kanto an’ilay nantsoina hoe “Devil’s Gate” (Vavahadin’ny Devoly), miaraka amin’ilay Renirano Sweetwater tony sy mangarahara mikorina eo aminy, dia maneho ny hatsaran’ny zavaboarin’ny Tompo, fa tsy ireo olana natrehan’ireo mpisava lalana fotsiny ihany nandritra izany vanim-potoanan’ny ririnina nahatsiravina izany.
Nijery teo aloha aho avy eo, taorian’ilay toerana fandraisana fahazoan-dalana, dia nahita sary hosodoko mahafinaritra maneho ny Mpamonjy. Niteraka fahatsapana fankasitrahana lehibe avy hatrany izany. Ao anatina tontolo tena kanto, dia misy ireo olana goavana ihany koa. Rehefa mitodika amin’i Jesoa Kristy isika, ilay Mpamonjy izao tontolo izao, dia manavotra antsika amin’ireo oram-baratry ny fiainana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany Izy, araka ny drafitry ny Ray.
Ho ahy, ilay toerana fandraisana dia fanomanana tonga lafatra hidirana ao amin’ireo efitra fanaovana ôrdônansin’ny tempoly izay manome fahafahana antsika handray ireo ôrdônansin’ny fisandratana sy hanao fanekempihavanana masina ary handray sy hiaina feno ireo fitahian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Mifototra amin’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny drafitry ny fahasambarana avy amin’ny Ray.
Ny zavatra niainan’ny mpisava lalana dia mitondra lova ara-tantara miavaka sy lova ara-panahy iraisana mahery vaika ho an’ireo Olomasin’ny Andro Farany. Ho an’ny sasany dia an-taonany maro no nanaovana ilay fifindra-monina taorian’ny fandroahana an-tery tany Missouri sy Nauvoo. Ho an’ny hafa dia nanomboka taorian’ny fanambaran’ny Filoha Brigham Young ilay drafitra sarety tarihin-tanana, izay natao mba hanamorana ny fandaniana amin’ny fifindra-monina. Mora lavitra noho ny sarety mitafo sy ny omby ny saran’ireo sarety tarihin-tanana.
Hoy ny misiônera iray tao Angletera, i Millen Atwood, rehefa nambara ilay drafitra ho an’ny sarety tarihin-tanana: “Niparitaka haingana toy ny afo mololo izany, ary heniky ny fifaliana sy haravoana ny fon’ireo Olomasina mahantra.” Maro no “nivavaka sy nifady hanina isan’andro, isak’alina, mba hahazoan’izy ireo ilay tombontsoa manokana ny ho tafaray amin’ireo rahalahiny sy anabaviny any an-tendrombohitra.”
Niaina fotoan-tsarotra ny ankamaroan’ireo Olomasina mpitarika sarety tahirin-tanana saingy tsy nianjadian’ny zava-dratsy goavana. Ireo andiana mpitarika sarety tarihin-tanana roa anefa, ilay nisy an-dry Willie sy Martin, dia niaina hanoanana, hatsiaka mamirifiry, ary fahafatesana maro.
Ny ankamaroan’ireo mpanao dia ireo dia niondrana an-tsambo avy any Liverpool, Angletera, tamin’ny mey 1856 tanaty sambo roa. Tonga teo amin’ny toerana fanomanana ny sarety tarihin-tanana tao Iowa City izy ireo tamin’ny jona sy jolay. Na dia teo aza ireo fampitandremana dia nanainga ho any amin’ny Lohasahan’i Salt Lake efa tara loatra tao anatin’ny vanim-potoana ireo andiany roa ireo.
Tamin’ny 4 ôktôbra 1856 ny Filoha Brigham Young no nahafantatra voalohany mikasika ny toe-javatra mampidi-doza niainan’ireo andiany ireo. Nijoro teo anoloan’ireo Olomasina tao Salt Lake City izy ny ampitso ary nilaza hoe: “Maro amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika no eny amin’ny lemaka miaraka amin’ny sarety tarihin-tanana, … ary tsy maintsy hoentina aty izy ireo; tsy maintsy mandefa fanampiana ho azy ireo isika … mialoha ny hahatongavan’ny ririnina.”
Nangataka ireo eveka izy mba hanome ampondra 60 sy sarety 12 na mihoatra ary lafarinina 12 taonina ka nanambara hoe: “Mandehana dia ento aty ireo olona izay eny amin’ny lemaka amin’izao.”
Teo ho eo amin’ny 1.100 isa teo no fitambaran’ireo mpisava lalana tao amin’ny andiana mpitarika sarety tarihin-tanana nisy an-dry Willie sy Martin. Maty teny an-dalana ny teo amin’ny 200 tamin’ireo Olomasina sarobidy ireo. Raha tsy nisy ilay vonjy voina tonga ara-potoana dia maro fanampiny no ho efa nodimandry.
Teo amin’ny roa herinandro taorian’ny nialan’ireo mpamonjy voina voalohany tao Salt Lake City no nanomboka ny tafiotry ny ririnina. Manoritsoritra ireo olana mampivarahontsana taorian’ny niantombohan’ireo tafiotra ny tantaran’ireo mpikambana tao amin’ny andiana mpitarika sarety tarihin-tanana nisy an-dry Willie sy Martin. Maneho ny fifaliana lehibe tamin’ny fahatongavan’ireo mpamonjy voina ihany koa ireo tantara ireo.
Hoy i Mary Hurren namariparitra ilay fahatongavana: “Nirotsaka teny amin’ny takolak’ireo olona ireo ny ranomaso, ary nandihy tamim-kafaliana ireo ankizy. Vantany vao nahafehy ny fihetseham-pony ny olona dia nandohalika tao anaty oram-panala daholo izy ireo ka nanolotra fisaorana an’ Andriamanitra.”
Roa andro taorian’izay, dia tsy maintsy nanao ilay dia sarotra indrindra tamin’ilay lalana ny andiany nisy an’i Willie, dia ny mandalo eo amin’ny Rocky Ridge izany, tanaty tafio-drivotra mamirifiry. Tsy tonga tao amin’ny toby fialofana ny farany tamin’izy ireo raha tsy tamin’ny 5 maraina ny ampitson’iny. Telo ambin’ny folo no maty ka nalevina tao amin’ny fasana niraisana.
Nanakaiky ny Lohasahan’i Salt Lake ny andiany nisy an’i Willie ny 7 nôvambra, saingy mbola nisy olona telo maty tamin’io maraina io. Roa andro taorian’izay, dia tonga tao Salt Lake ihany nony farany ny andiany nisy an’i Willie ka noraisina an-tanan-droa tao an-tokatranon’ireo Olomasina izy ireo.
Tamin’io andro io ihany, dia mbola tany amin’ny 523 kilaometatra tany aoriana teo amin’ilay lalana no nisy ny andiany nisy an’i Martin, mbola nijaly hatrany vokatry ny hatsiaka sy ny sakafo tsizarizary. Andro vitsy talohan’io, dia niampita ny Renirano Sweetwater izy ireo mba hihazo an’ilay antsoina ankehitriny hoe Martin’s Cove, toerana izay nantenain’izy ireo hahitana fiarovana tamin’ny andro ratsy. Hoy ny iray tamin’ireo mpisava lalana: “Io no fiampitana renirano ratsy indrindra tamin’ilay dia.” Ny mpamonjy voina sasany, toy ny rain’ny raibeko, David Patten Kimball, izay 17 taona monja, niaraka tamin’ireo namany tanora, “George W. Grant, Allen Huntington, Stephen Taylor, ary Ira nebeker, dia nijanona ora maro tao anatin’ilay rano mamanala”, mba hanampiana amin-kerim-po ilay andiany hiampita ny Sweetwater.
Na dia nisarika ny saina tokoa io tranga io, rehefa nianatra misimisy kokoa momba ireo mpamonjy voina aho, dia tsikaritro fa nanaraka ny mpaminany daholo izy ireo ary nanana anjara asa lehibe tamin’ny famonjena ireo Olomasina tratra aoriana. Naherifo daholo ireo mpamonjy voina ireo, tahaka ireo mpifindra monina.
Rehefa nandalina ny tantaran’izy ireo aho dia finaritra tamin’ny fifandraisana sarobidy sy ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay nisy teo anivon’ireo mpifindra monina. Anisan’ireo mpikambana tao amin’ny andiany nisy an’i Willie i John sy i Maria Linford ary ireo zanakalahin’izy ireo anankitelo. Maty ora vitsy talohan’ny fahatongavan’ireo mpamonjy voina voalohany i John. Nolazainy tamin’i Maria fa faly izy fa nanao ilay dia izy ireo. “Tsy ho tonga velona any Salt Lake aho”, hoy izy, “fa ianao sy ireo zanatsika kosa dia ho tonga any, ary tsy anenenako ireo zavatra rehetra nolalovantsika raha afaka mihalehibe sy manorina ny fianakaviany ao Ziona ireo zanatsika lahy.”
Nanome izao famintinana mahavariana izao ny Filoha James E. Faust: “Mianatra fahamarinana lehibe iray isika ao anatin’ny ezaka feno herim-po nataon’ireo mpisava lalana mpitarika sarety tarihin-tanana. Tsy maintsy mandalo amin’ny afon’ny mpandrendrika ny rehetra, ary ireo zavatra tsy manan-danja sy tsy misy dikany eo amin’ny fiainantsika dia afaka ny hitsonika tahaka ny tain-drendrika ary hahatonga ny finoantsika hamiratra, tsy hisy tomika ary hatanjaka. Toa misy amin’ny fahafenoany ny tebiteby, ny alahelo ary matetika ny ratram-po ho an’ny tsirairay, anisan’izany ireo izay mikatsaka amin-kitsimpo ny hanao ny marina sy ny hahatoky. Kanefa anisan’ny fitaovana fanadiovana mba hahatonga antsika hahafantatra an’ Andriamanitra izany.”
Ao amin’ny Sorompanavotana nataony sy ny Fitsanganany tamin’ny maty izay manefy ny mandrakizay, ny Mpamonjy dia nanapatapaka ho an’ny rehetra “ny famatoran’ny fahafatesana, rehefa azo ny fandresena tamin’ny fahafatesana”. Ho an’ireo izay nibebaka tamin’ny fahotany dia efa “nandray teo amin’ny tenany ny helony sy ny fandikany lalàna [Izy], nanavotra azy sy nanefa ny fitakian’ny fahamarinana.”
Raha tsy nisy ny Sorompanavotana, dia tsy afaka mamonjy ny tenantsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana isika. Na dia mety hitana anjara asa lehibe eo amin’ny fitsapana atrehantsika aza ny fahotana, dia mbola manampy trotraka ny fahoriana eo amin’ny fiainana ireo hadisoana, ny fanapahan-kevitra ratsy, ny zavara ratsy ataon’ny hafa, ary ireo zavatra maro hafa tsy voafehintsika.
Mampianatra ny Torio ny Filazantsarako hoe: “Rehefa miantehitra amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany isika, dia afaka manampy antsika Izy mba hahafahantsika miaritra ny fitsapana sy ny aretina ary ny fanaintainana mianjady amintsika. Afaka ny ho feno fifaliana sy fiadanana ary fiononana isika. Ireo zavatra rehetra tsy rariny eo amin’ny fiainana dia afaka ny ho hahitsy indray amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”
Mandritra ity vanim-potoanan’ny Paska ity dia ao amin’ny Mpamonjy sy ny sorona fanavotana nataony ny fifantohantsika. Manome fanantenana sy fahazavana ny Sorompanavotana, ao anaty fotoana izay ho an’ny sasany dia maizina sy mahonena. Nanambara ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Rehefa dinihina ny tantara manontolo, … dia tsy misy zavatra mahagaga sy miezinezina ary lehibe izaitsizy mihoatra noho io asa feno famindram-po io.”
Handroso tolo-kevitra telo aho izay heveriko fa manan-danja ho an’izao androntsika izao.
Voalohany, aza atao tsinontsinona ny maha-zava-dehibe ny fanaovana izay vitantsika mba hamonjena ny hafa amin’ny olana ara-batana ary indrindra indrindra ara-panahy.
Faharoa, ekeo amim-pankasitrahana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Tokony hiezaka hampiseho fifaliana sy fahasambarana avokoa isika rehetra na dia miatrika ireo olan’ny fiainana aza. Ny tokony ho tanjontsika dia ny hiaina amim-panantenana, mahita ny soa amin’ny toe-javatra rehetra. Nandinika aho fa i Mary, ilay sakaizako sarobidy, dia niaina izany nandritra ny fiainany manontolo. Finaritra aho amin’ny toe-tsainy mamirapiratra sy mankahery na dia niatrika olana aza izahay tanatin’ireo taona nifanesy.
Ny torohevitro fahatelo dia ny fanokanana fotoana tsy tapaka handinihana amim-pahatokiana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Maro no fomba hanaovana izany ao anatin’ny fiainantsika ara-panahy manokana. Na izany aza, ny fanatrehana ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia manan-danja manokana.
Mitovy lanja amin’izany koa ny fanatrehana fotoana matetika any amin’ny tempoly arak’izay azo atao. Manolotra fampahatsiahivana tsy tapaka ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny zavatra noreseny ny tempoly. Ary mbola manan-danja mihoatra izany aza, ny fanatrehana fotoana any amin’ny tempoly dia manolotra famonjena ara-panahy ho an’ireo olona akaikin’ny fontsika efa maty sy ireo razambetsika izay havantsika lavitra.
Nanantitrantitra an’io fitsipika io ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny fihaonambentsika farany teo ary nampiany hoe: “Manampy amin’ny fanomanana olona izay hanomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany … ireo fitahian’[ny tempoly]!”
Tsy tokony hadinointsika na oviana na oviana ireo fahafoizan-tena sy ohatra napetrak’ireo taranaka teo aloha, saingy ny fiderantsika sy ny fisaorantsika ary ny fitsaohantsika dia tokony hifantoka amin’ny Mpamonjy izao tontolo izao sy ny sorona fanavotana nataony. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fanalahidin’ny drafitry ny Ray ho an’ny fahasambarana dia ny Sorompanavotana izay notanterahin’ny Mpamonjintsika, Jesoa Kristy. Velona Izy ary mitarika ny Fiangonany. Manolotra ny famonjena faratampony amin’ireo fitsapana atrehantsika eto amin’ity fiainana ity ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.