Ireo fitahiana mifono fanonerana
Na dia maro aza ireo toe-javatra eo amin’ny fiainantsika izay tsy voafehintsika dia tsy misy amintsika izay lavitra tanteraka ireo fitahiana tsy manam-petra atolotry ny Tompo.
Raha nanompo tao amin’ny Episkôpa Mpiahy aho dia nanana tombontsoa lehibe nihaona tamin’ireo Olomasin’ny Andro Farany manerana izao tontolo izao tamina toerana sy avy amina kolontsaina maro samihafa. Nentanim-panahy lalandava aho noho ny finoana sy ny fanoloran-tena maharitra asehonareo an’i Jesoa Kristy Tompo. Mampihetsi-po ahy ihany koa anefa ireo toe-javatra maro samihafa izay matetika toa sarotra atrehin’ny maro aminareo—fanamby tahaka ny aretina, fahasembanana, loharanom-pitaovana voafetra, fahafahana voafetra hanambady na hianatra, fanararaotana ataon’ny hafa ary sakana sy faneriterena hafa. Indraindray ireo fitsapana ireo dia mety toa manakantsakana ny fivoaranao ary manasarotra ny ezaka amin-kitsim-po ataonao mba hiainana tanteraka ny filazantsara ka mahatonga ny fanompoana sy ny fitsaohana ary ny fanatanterahana ireo adidy masina ho sarotra kokoa.
Ry namako malala, raha sendra mahatsiaro ho voafetra na tsy mahazo tombontsoa noho ireo toe-javatra eo amin’ny fiainanareo ianareo dia tiako ho fantatrareo izao: Tia anareo manokana ny Tompo. Fantany ireo toe-javatra iainanareo ary midanadana ho anareo hatrany ireo varavaran’ny fitahiany na inona na inona ireo olana atrehanareo.
Nianarako avy tamin’ny zavatra niainako manokana izany fahamarinana izany, izay lasa nisy fiantraikany maharitra teo amiko na dia toa tsy misy dikany aza. Fony aho 22 taona raha nanao asa fanompoana tao amin’ny tafika an’habakabaka Frantsay tao Paris dia nientanentana aho raha nahafantatra fa handaha-teny mandritra ny fihaonambe iray tao Champs-Élysées ny Loholona Neal A. Maxwell, izay Apôstôlin’ny Tompo. Kanefa, taloha kelin’ilay hetsika dia naharay baiko aho mba hitondra miaramila manamboninahitra iray tany amin’ny seranam-piaramanidina izay nifanitsaka tamin’ny ora tsy diso tokony hanombohan’ilay fihaonambe.
Diso fanantenana aho. Nateriko ilay miaramila manamboninahitra ary satria aho anefa tapa-kevitra ny hanatrika ilay fotoana, dia niolomay nanenjika ilay fihaonambe aho. Rehefa avy nahita toeram-piantsonan’ny fiara aho dia nihazakazaka nanaraka ny Champs-Élysées nankao amin’ilay toeram-pivoriana ary dia tonga tanatin’ny fahasemporana be, dimy minitra tsy hiafaran’ilay fivoriana. Vantany vao niditra iny aho no nandre ny Loholona Maxwell nilaza hoe: “Izao aho dia hanome anareo tsodrano amin’ny maha-apôstôly ahy.” Tamin’izay fotoana izay aho dia niaina traikefa ara-panahy mahafinaritra sy tsy hay hadinoina. Heniky ny Fanahy aho ary dia toa nipaka tany amin’ny tsiratsiraky ny fanahiko ireo teny tao anatin’ilay tsodrano toy ireny hoe natao ho ahy irery ireny izany.
Ny zavatra niainako tamin’io andro io dia fanehoana tamin’ny fomba kely nefa mahery vaika ny lafiny mitondra fampiononana an’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ireo zanany: rehefa manakana antsika tsy hanatanteraka ireo faniriana ara-drariny rehetra ao am-pontsika ireo toe-javatra tsy voafehintsika dia hanonitra izany amin’ny fomba izay mamela antsika handray ireo fitahiana nampanantenainy ny Tompo.
Izany fahamarinana mampitony izany dia miorim-paka amina fitsipika fototra telo izay hita ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny:
-
Tia tanteraka antsika tsirairay Andriamanitra. “Manainga [antsika] rehetra Izy hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny hatsaram-pony.” Ny drafiny ho an’ny fanavotana dia manome antoka fa ny olon-drehetra tsy misy an-kanavaka dia homena fahafahana mitovy handray ireo fitahiana avy amin’ny famonjena sy ny fisandratana indray andro any.
-
Tsy hitana antsika ho tompon’andraikitra amin’ireo zavatra tsy voafehintsika Andriamanitra satria sady marina no be famindram-po Izy, ary ny drafiny dia tonga lafatra. Nanazava ny Loholona Neal A. Maxwell fa “Andriamanitra … dia mihevitra amin’ny fomba feno famindram-po, tsy vitan’ny hoe ireo faniriantsika sy ny zava-bitantsika fotsiny ihany fa ireo ambaratongam-pahasarotana izay ampitondrain’ireo toe-javatra maro samihafa misy antsika iainantsika ihany koa.”
-
Afaka mahazo ny hery haharetana sy handresena ireo fanambin’ny fiainana rehetra isika amin’ny farany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Araka ny nampianarin’i Almà hoe tsy vitan’ny hoe nitondra teo Aminy ny fahotan’ny olona mibebaka fotsiny ihany ny Mpamonjy fa “ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony” ary ireo “rofiny” ihany koa.” Noho izany, ankoatra ny fanavotana antsika amin’ny fahadisoana ataontsika dia manohana antsika ny famindram-po sy ny fahasoavan’ny Tompo manoloana ny tsy rariny sy ny tsy fahampiana ary ireo famerana izay teren’ny fiainantsika eto an-tany mba hiainantsika.
Misy fepetra vitsivitsy takina amin’ny fandraisana ireo fitahiana mitondra fanonerana ireo. Mangataka antsika ny Tompo mba hanao ny “zavatra rehetra azontsika atao” sy “[hanolotra] ho toy ny fanatitra ho Azy ny fanahi[ntsika] manontolo.” Izany dia mitaky faniriana lalina sy fo mahitsy sy mahatoky ary ny fahazotoantsika lehibe indrindra amin’ny fitandremana ireo didiny sy ny fampifanarahana ny sitrapontsika amin’ny Azy.
Rehefa tsy mifanaraka amin’ireo tanjona apetratsika ireo ezaka amin-kitsim-po ataontsika noho ireo toe-java-misy tsy voafehintsika dia mbola manaiky hatrany ny fanirian’ny fontsika ho fanatitra mendrika ny Tompo. Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Ho voatahy isika noho ireo faniriana mendrika ao am-pontsika na dia tsy mamela antsika hamadika azy ireo ho lasa asa aza ny toe-javatra manodidina antsika.”
Raha nanahy momba an’i Alvin rahalahiny ny Mpaminany Joseph Smith, izay maty kanefa tsy nandray ireo ôrdônansin’ny filazantsara tena ilaina dia naharay ity fanambarana mifono fampiononana ity izy: “Ary koa ireo rehetra izay ho faty tsy manana izany fahalalana [ny filazantsara] izany hatramin’izao, izay ho nandray izany tamin’ny fony manontolo, dia ho mpandova [ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra].” Nampian’ny Tompo izany avy eo hoe: “Fa Izaho Tompo dia hitsara ny olon-drehetra araka ny asany, araka ny fanirian’ny fony.”
Tsy ny hoe mahavita ve isika na tsia fotsiny ihany no manan-danja amin’ny Tompo fa ny hoe vonona ve isika sa tsia ny hanao izay rehetra vitantsika mba hanarahana Azy amin’ny maha Mpamonjy antsika Azy.
Nisy namana iray indray mandeha nampionona misiônera tanora iray izay nalahelo noho ny fisaorana azy aloha loatra tamin’ny antsony noho ny antony ara-pahasalamana na dia teo aza ireo vavaka amin-kitsim-po izay nataony sy ny faniriany lehibe hanompo. Nizara soratra masina iray io namana io izay nanambaran’ny Tompo fa rehefa “mandeha amin’ny heriny rehetra” ireo zanany ary “tsy mitsahatra ny fahazotoany” mba hitandrina ireo didiny ka “misakana azy ireo tsy hahatontosa izany asa izany … ireo fahavalony [tafiditra ao anatin’izany ireo toe-javatra sarotra eo amin’ny fiainantsika] … dia indro, mety Amiko ny tsy mitaky intsony izany asa izany eo an-tanan’ireo [olona] ireo, fa ny manaiky kosa ny fanatiny.”
Nijoro ho vavolombelona tamin’io zatovolahy io ilay namako fa fantatr’ Andriamanitra fa efa nanome ny tsara indrindra avy aminy izy rehefa namaly ilay antso mba hanompo. Nanome toky azy izy fa efa nanaiky ny fanatiny ny Tompo ary tsy hazoniny ireo fitahiana nampanantenaina ireo misiônera mahatoky.
Matetika ireo fitahiana mitondra valisoa omen’ny Tompo no tonga amin’ny alalan’ny hatsaram-panahy sy ny fanompoan’ny hafa izay manampy antsika hanatanteraka ireo zavatra tsy vitantsika irery. Tsaroako ny fotoana iray raha nipetraka lavitry ny iray amin’ireo zanakay vavy any Frantsa izahay ka nahatsapa ho tsy afaka nanampy azy taorian’ny fiterahana nananosarotra natrehiny. Tamin’io herinandro io ihany dia nikatsaka fanampiana ho ana reny izay vao avy niteraka kambana ny paroasy nisy anay tao Utah. Nanolo-tena mba hanatitra sakafo ho azy i Valérie vadiko, niaraka tamin’ny vavaka tao am-pony ho an’io vehivavy vao sambany lasa renim-pianakaviana io sy ho an’ilay zanakay vavy izay nila fanampiana. Fotoana fohy taorian’izay dia naheno izahay fa nifandamina mba hikarakara sakafo ho an’ny fianakavian’ilay zanakay vavy ireo rahavavy tao amin’ny paroasy nisy azy tao Frantsa. Ho anay dia namaly ireo vavaka nataonay Andriamanitra ka nandefa ireo anjeliny mba hitondra fampiononana tao anatin’ny fotoana tsy nahafahanay nanao izany.
Rehefa miatrika sakantsakana sy fanamby isika dia enga anie isika hamantatra ireo fitahiana nomena antsika manokana—ireo fanomezam-pahasoavana, loharanom-pitaovana sy fotoana—ka ampiasa azy ireny mba hanompoana ireo izay mila fanampiana. Tsy vitan’ny hoe hitahy ny hafa fotsiny ihany isika eo am-panaovana izany fa hanao izay hahatongavan’ny fanasitranana sy ny valisoa eo amin’ny fiainantsika manokana.
Iray amin’ireo fomba mahery vaika indrindra ahafahantsika mitondra ny anjara birikintsika amin’ireo fitahiana mifono fanonerana avy amin’ Andriamanitra ny fanaovantsika asa isoloana tena ho an’ireo razambentsika ao amin’ny tranon’ny Tompo. Rehefa manatanteraka ôrdônansy ho azy ireo isika dia mandray anjara amim-pahazotoana amin’ny asa lehiben’ny Tompo ho an’ny famonjena ka mampiasa ireo fanomezam-pahasoavana sy fahaiza-manao mba hitahiana ireo izay tsy nanana fahafahana handray izany nandritra ny fiainany an-tany.
Ny fanompoana amim-pitiavana atolotsika ao amin’ireo tempoly masina dia mampahatsiahy antsika fa ny fahasoavan’ny Mpamonjy dia mihitatra hatrany ankoatry ny fiainana an-tany. Mety hanana fahafahana vaovao hanatanteraka ireo zavatra tsy vitantsika teto amin’ity fiainana an-tany ity isika any amin’ny fiainan-ko avy. Raha niresaka tamin’ireo rahavavy izay tsy mbola nahita vady mandrakizay ny Filoha Lorenzo Snow dia hoy izy tamim-pitiavana: “Tsy misy Olomasin’ny Andro Farany izay maty taorian’ny niainany fiainana feno fahatokiana ka hamoy zavatra satria tsy nahavita nanao zavatra vitsivitsy noho ny tsy nananan’izy ireo fahafahana hanao izany. … Hahazo ireo fitahiana rehetra sy ny fisandratana ary ny voninahitra ho azon’ny lehilahy na ny vehivavy izay afaka nanao izany izy ireo.”
Ity hafatra mifono fanantenana sy fampionona ity dia natao ho antsika rehetra zanak’ Andriamanitra. Tsy misy afa-bela amin’ireo olana sy famerana entin’ny fiainana an-tany isika. Raha ny marina dia samy teraka niaraka tamin’ny tsy fahafahana voajanahary hamonjy ny tenantsika isika. Manana Mpamonjy be fitiavana anefa isika ary “fantatsika fa noho ny fahasoavany no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.”
Mijoro ho vavolombelona aho fa na dia maro aza ireo toe-javatra eo amin’ny fiainantsika izay tsy voafehintsika dia tsy misy amintsika izay lavitra tanteraka ireo fitahina tsy manam-petra atolotry ny Tompo. Amin’ny alalan’ny sorona fanavotana nataony dia hanonitra ny tsy fahafahana manao zavatra sy ny tsy rariny rehetra ny Mpamonjy raha atolotsika ho Azy ny fanahintsika manontolo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.