Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Tsy enta-mavesatra ho an’i Jesoa Kristy ny fibebahanao; mampitombo ny hafaliany izany
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2025


11:44

Tsy enta-mavesatra ho an’i Jesoa Kristy ny fibebahanao; mampitombo ny hafaliany izany

Fomba iray anehoan’ Andriamanitra ny fitiavany ho antsika ny fanasana hibebaka. Fanehoantsika ny fitiavantsika ny manaiky izany fanasana izany.

Taona maro lasa izay nandritra ny dia iray nankany Floride, dia nipetraka teny ivelany namaky boky aho. Mampahafantatra ny lohatenin’izany boky izany fa mbola afaka ny ho tonga any an-danitra ihany isika na dia tsy tonga lafatra aza isika amin’izao fotoana izao. Nanontany ny vehivavy iray nandalo hoe, “Afaka ny ho tanteraka ve izany araka ny eritreritrao?”

Nitraka aho, sahiran-tsaina, ary avy eo tonga saina fa momba ilay boky novakiako no noresahiny. Zavatra mampihomehy toy izao no nolazaiko “Tsy mbola nahavaky firy aho fa holazaiko anao eo ihany ny fiafarany.”

Raha mba azoko natao mantsy ny niverina tamin’io fotoana io? Dia holazaiko azy hoe: “Eny, afaka ny ho tanteraka izany! Ny lanitra dia tsy natao ho an’ny olona efa tanteraka fa natao ho an’ny olona efa voavela heloka izay nisafidy an’i Kristy ombieny ombieny.”

Anio aho dia te hiresaka amin’ny sasany amintsika izay mahatsapa indraindray fa “ny fibebahana sy ny famelan-keloka dia toa mandaitra ho an’ny olon-drehetra afa-tsy amiko.” Ireo izay manontany tena mangingina hoe, “satria aho mamerina manao ireo hadisoana efa nataoko foana dia angamba mety efa toy izany mihitsy aho.” Ireo izay, tahaka ahy, miaina andro izay ahatsapana ny lalan’ny fanekempihavanana ho toa avo dia avo, moa tsy toy ireny fiakaram-ben’ny fanekempihavanana ireny!

I Elder QaQa izay misiônera mahatalanjona iray nanompo tany Australie, ary avy any Fidji, dia nizara fahatsapana mitovitovy amin’izany nandritra ny fijoroana ho vavolombelona fanaovam-beloma nataony: “Fantatro fa tia ahy Andriamanitra saingy manontany tena aho indraindray hoe, -moa ve fantatr’ Andriamanitra fa tiako Izy?- Satria aho tsy lavorary ary mbola manao fahadisoana.”

Nofintinin’i Elder QaQa tamin’io fanontaniana tsotra sady mahasadaikatra io ny zavatra mampanahy ahy matetika. Angamba manontany tena koa ianareo hoe, “Miezaka mafy aho saingy moa ve fantatr’ Andriamanitra fa tena miezaka aho?” Rehefa tsy lavorary lava aho, moa ve fantatr’ Andriamanitra fa mbola tia Azy aho?”

Mampalahelo ahy ny miaiky fa taloha aho dia nandrefy ny fifandraisako amin’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fahalavorarian’ny fomba fiainako. Noheveriko fa ny fiainana mifono fankatoavana dia midika hoe tsy mila mibebaka intsony aho. Ary rehefa nanao hadisoana aho, izay nisy isan’andro, dia nanalavitra ny tenako tamin’ Andriamanitra aho ka nihevitra hoe, “Tena diso fanantenana amiko mihitsy Izy izao.”

Tsy marina tsotra izao izany.

Nianatra aho fa diso hevitra ianao raha andrasanao ho madio na lavorary tsara vao hankany amin’ny Mpamonjy!

Ahoana raha sainintsika amin’ny fomba hafa ny didy sy ny fankatoavana?

Ijoroako ho vavolombelona fa na dia miraharaha ny hadisoantsika aza Andriamanitra dia raharahiany kokoa ny zava-mitranga aorian’ny fanaovantsika hadisoana. Moa ve isika hiverina hitodika any Aminy hatrany hatrany? Moa ve isika hitoetra ao amin’ity fifandraisana mifono fanekempihavanana ity?

Mety mandre ny tenin’ny Tompo hoe “Raha tia ahy [ianao], dia hitandrina ny didiko” ianao dia kivy satria tsy voatandrinao ny didy rehetra. Te hampahatsiahy anao aho fa didy koa ny mibebaka! Raha ny marina dia mety io no didy averimberina indrindra ao amin’ny soratra masina.

Tamin’i Almà niteny irery hoe: “Ô, inay anie aho anjely, ary nety nanana ny fanirian’ny foko … miantsoantso fibebahana” dia tsy nanao izay hanalana baraka antsika tamin’ny fanondroana ny hadisoantsika izy. Te hiantsoantso fibebahana izy mba ahafahantsika sy ianao manalavitra ny fahoriana eto amin’izao tontolo izao. Ny antony iray nankahalan’i Almà ny fahotana dia noho izany mampijaly antsika.

Indraindray aho dia tsy maintsy mahatsiaro toy ireny taratasy kely fitadidiana miraikitra eo amin’ny handriko ireny, fa ireo didy dia manafaka antsika amin’ny fijaliana. Torak’izany koa ny fibebahana. Nilaza ny mpaminanintsika hoe: “Tia antsika foana ny Mpamonjy fa indrindra rehefa mibebaka isika.”

Koa rehefa miteny ny Tompo hoe: “Mibebaha ianareo, mibebaha ianareo” dia ahoana raha alaina sary an-tsaina Izy miteny hoe: “Tiako ianao. Tiako ianao.” Alaivo sary an-tsaina Izy miangavy anao hiala amin’ny fitondrantena mahatonga anao hijaly, manasa anao hiala ao amin’ny haizina ka hitodika any amin’ny fahazavany.

Tao amin’ny paroasin’i Carly zanako vavy dia nisy mpisorona vaovao nandohalika nanamasina ny fanasan’ny Tompo, ka tokony hiteny izy hoe, “Mba hahazoany manao izany ho fahatsiarovana ny ran’ny Zanakao” dia tafateny tsy nahy izy hoe, “Mba hahazoany manao izany ho fahatsiarovana ny fitiavan’ny Zanakao.” Nirotsaka ny ranomason’i Carly noho ny fiantefan’ny fahamarinan’ireo teny ireo.

Nanolo-tena hizaka ny fijaliana ateraky ny Sorompanavotany ny Mpamonjintsika satria tiany ianao. Raha ny marina dia ianao ilay “fifaliana napetraka teo anoloany” nandritra ny nijaliany.

Fomba iray anehoan’ Andriamanitra ny fitiavany ho antsika ny fanasana hibebaka.

Fanehoantsika ny fitiavantsika ny manaiky izany fanasana izany.

Alaivo sary an-tsaina ny sarin’i Kristy tianao indrindra. Izao kosa dia alaivo sary an-tsaina Izy feno tsikim-pifaliana isaky ny mampiasa ny fanomezany isika satria Izy no ilay “fanantenana mamirapiratra.”

Eny, tsy enta-mavesatra ho an’i Jesoa Kristy ny fibebahanao; mampitombo ny hafaliany izany!

‘Ndeha izany no hampianarintsika!

Satria ny fibebahana no vaovao tsara indrindra azontsika zaraina!

Tsy ilaozan’ny fanaovantsika hadisoana ny fijanonantsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika amin’ny alalan’ny fibebahana isan’andro.

Ary rehefa mibebaka isika, Andriamanitra dia mamela antsika sy tsy hanao izay hanalana baraka antsika, tsy hampitaha antsika amin’ny olon-kafa, na hibedy antsika satria hoe izany zavatra izany ihany no nibebahantsika tamin’ny herinandro lasa.

Mampientanentana Azy ny mahita antsika mandohalika mivavaka. Fahafinaretana ho Azy ny mamela antsika satria mahafinaritra Azy isika!

Tsy tsapanao ve fa marina izany?

Nahoana ary no tena sarotra ho antsika ny mino izany?!

I Satana, ilay rain’ny mpiampanga sady mpamitaka dia mampiasa ny henatra mba hanalavirana antsika amin’ Andriamanitra. Ny henatra dia toy ny haizina tena mavesatra ka raha esorintsika hiala amin’ny tenantsika izany dia tena hahatsapa ny havesaran’izany marina tokoa isika.

Ny henatra dia ilay feo mandevilevy anao hoe: “Fa ianao ve misaina e?” “Mba misy zavatra mety ataonao ihany ve?”

Ny henatra dia tsy miteny antsika ny hadisoana nataontsika fa milaza amintsika kosa fa ny hadisoantsika no mamaritra antsika. Mety handre mihitsy aza ianao hoe, “Miafena.” Ataon’ilay fahavalo izay tratry ny heriny mba hijanonan’io vesatra io ao anaty ka milaza amintsika izy fa lafo loatra ilay sarany ka ho mora kokoa raha mijanona ao anatin’ny haizina izany, manala ny fanantenana rehetra.

Mpandroba fanantenana i Satana.

Ary mila mandre ity ianao, ka holazaiko amin’ny feo mafy ireto teny ireto: Tsy ny feo ao an-dohanao na ireo hadisoana nataonao no mamaritra anao. Mety mila milaza izany amin’ny feo mafy koa ianao. Teneno i Satana hoe, “Tsy anio aloha.” Ataovy any ivohonao izy.

Ataovy tsapa ilay zava-misintona, ilay alahelo araka an’ Andriamanitra izay mampitodika anao any amin’ny Mpamonjinao, ka jereo ny fidiran’ny fahasoavany eo amin’ny fiainanao sy ny an’ireo olona ankamamianao. Mampanantena aho fa vantany vao entintsika eo Aminy amim-paharisihana ny fo torotoro dia eo avy hatrany Izy.

Raha mahita olona milentika ianao, moa ve tsy hanolo-tanana ianao ka hamonjy azy? Azonao an-tsaina ve ny Mpamonjinao mandà tsy handray ny tananao mitolotra? Azoko sary an-tsaina Izy mitsoraka anaty rano, midina ambanin’ny zava-drehetra mampiakatra antsika mba hahafahantsika mifoka rivotra mamelombelon’aina! Tsy misy olona milentika lalina loatra ka tsy ho tratran’ny hazavan’i Kristy.

Mamirapiratra mandrakizay mihoatra noho ny haizin’ny henatra ny Mpamonjy. Tsy hanao velively izay hahatsapanao ho tsisy lanjany Izy. Noho izany dia diniho akaiky ity.

  • Alaivo sary an-tsaina hoe ity tanana ity dia maneho ny hasarobidinao.

  • Ito tanana ito dia maneho ny fankakatoavana. Tamin’ny ianao nifoha androany maraina dia mety ho nanonona vavaka mafonja ianao sy nandalina soratra masina mba hahenoana ny feon’ Andriamanitra. Nandray fanapahan-kevitra tsara ianao ary mandray ny olona manodidina anao amin’ny fomban’i Kristy. Mihaino ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ianao izao. Eto ny fankatoavanao!

  • Na mety hoe tsy dia tsara ny fizotry ny zava-drehetra. Tato ho ato dia sahirana ianao nanao ireo zavatra bitika sy tsotra mba hifandraisana amin’ny lanitra. Nandray fanapahan-kevitra vitsivitsy izay mahamenatra anao ianao.

  • Aiza ny hasarobidinao? Moa ve nihetsika kely ity tanana ity?

Tsy mifamatotra amin’ny fankatoavanao ny hasarobidinao. Marin-toerana ny hasarobidinao; tsy miova na oviana na oviana izany. Efa nomen’ Andriamanitra anao izany ary tsy misy na inona na inona azonao na azon’ny hafa atao hanovana izany. Mitondra fitahiana ny fankatoavana. Marina izany. Saingy tsy anisan’izany ny hasarobidy. Ny hasarobidinao dia “lehibe […] eo imason’ Andriamanitra” na inona na inona vokatry ny fanapahan-kevitra noraisinao.

Na dia manao hadisoana aza aho dia te hijanona ao amin’ny fifandraisana mifono fanekempihavanana amin’i Kristy ary holazaiko anareo ny antony.

Fony aho mbola kely dia nianatra momba ny fitsorahana anaty rano aho ary nianatra fa rehefa manome naoty ireo mpitsara dia jereny ny fomba fanatanterahana izany. Nijidina tsara ve ny fidirana tanaty rano ka nahitsy tsara ny rantsan-tongotra ary kely ve ny fipitiky ny rano? Avy eo dia zava-mahagaga no ataon’izy ireo. Arakaraka ny hasarotana no anomezan’izy ireo naoty.

Samy hafa ny hasarotry ny fitsorahan’ny olona tsirairay avy ao anaty rano. Ary ilay Mpamonjinao irery ihany no mahafantatra tsara ny halehiben’ny fahasarotana diavinao. Te hifandray amin’ilay hany olona izay mahatakatra ny mahazo ahy sy mahafantatra ny ao am-poko sy ny ao an-tsaiko ary ny ezaka lehibe ataoko aho!

Fantany fa manarona antsika rehetra mpiray dia ny zavon’ny haizina, ary mandalo an’ilay loharano maloto ny diantsika ka na dia mamikitra amin’ilay anja-by aza isika dia ho voapitiky ny rano.

Ny manatona an’i Kristy dia ny miteny hoe “Hanampy ahy ve ianao?” amim-panantenana izay fanomezan-toky nambara fa ny tanany dia mitolotra aminao mandrakariva. Mino aho fa ity fomba fijery vaovao momba ny fibebahana ity dia midika fa na dia tsy lavorary aza ny fankatoavantsika ankehitriny, dia miezaka mankatò amim-pitiavana isika ankehitriny, misafidy ny hijanona, ombieny ombieny, satria tiantsika Izy.

Tsaroanareo ve ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina izay tsy nanana fironana ny hanao ratsy intsony fa ny hanao soa lalandava kosa? Mihevitra ve ianareo fa naorin’izy ireo ny lainy, dia nandeha nody izy ireo ka tsy nanao hadisoana hafa intsony? Mazava ho azy fa tsia! Ny fahasamihafana dia hoe tsy nanam-paniriana ny hanota intsony izy ireo. Nankatò tamim-pitiavana izy ireo! Nifantoka sy niantehitra tamin’ Andriamanitra ny fon’izy ireo nandritra ny tolona natrehan’izy ireo!

Indray mandeha teo amoron-dranomasina, dia nahita vorona iray nanidina tao anaty rivotra aho, nikopaka elatra mafy, saika ho tamin-tahotra be, saingy tsy tafahetsika teo amin’ny nisy azy izy. Avy eo dia nahita vorona iray hafa aho teny ambony teny. Nanidina ambony sy nitsingevaheva tamim-pilaminana tao anaty rivotra izy. Izany no fahasamihafana eo amin’ny fiezahana ny hanao zavatra samirery sy ny fitodihana any amin’ny Mpamonjy, mamela Azy hampitraka antsika miaraka amin’ny “fanasitranana ao amin’ny [elany].”

Fony izahay mpitarika misiôna tany Australie, nandritra ny tafa sy dinika farany nataonay tamin’ny misiônera tsirairay avy, dia niresaka momba ny 3 Nefia 17 izahay izay ahitana ny vahoaka ho akaiky ny Mpamonjy ary afaka nandre Azy nivavaka ho azy ireo. Nanontany izahay hoe, “Raha afaka mandre ny Mpamonjy mivavaka ho anao ianao dia inona no heverinao fa holazainy?”

Iray amin’ireo zavatra niainako nahatsapako indrindra ny Fanahy teo amin’ny fiainako ny nandre ny valin-tenin’izy ireo. Samy niato avokoa ireo misiônera ary nanganohano izy ireo rehefa nampahatsiahivinay azy ireo hoe, “Mahafantatra ny halehiben’ny fahasarotan’ny zavatra iainanao ny Mpamonjinao. Efa tsapany izany!”

Izao no nozarain’ireo misiônera tamim-pahanginana sy tamim-pihetseham-po: Hoy ny misiônera vavy iray, “Holazain’i Jesoa ny Ray fa -manao izay tsara indrindra vitany izy. Fantatro fa tena miezaka mafy izy.-” Nilaza ny misiônera lahy iray hoe, “Na dia teo aza ny zava-drehetra nitranga teo amin’ny fiainany dia reharehako tokoa izy.”

‘Ndeha handramantsika izany. Anio alina, mialoha ny hivavahanao, dia alaivo sary an-tsaina ho eo akaikinao i Jesoa Kristy. Izy no Mpisolovava anao eo amin’ny Ray. Manontania tena hoe, “Inona no holazain’ny Mpamonjy ny Ray momba ahy?”

Ary avy eo dia manehoa fahanginana.

Henoy ilay feo izay milaza zavatra tsara momba anao; ilay feon’ny Mpamonjy, ilay namanao tsara indrindra sy ny Rainao any An-danitra izay tena eo. Tsarovy fa ny fitiavan’ Izy Ireo sy ny hasarobidinao dia lehibe mandrakariva, na inona na inona mitranga!

Ijoroako ho vavolombelona eto fa i Jesoa Kristy dia manome hazavana an’ireo izay mitoetra ao amin’ny haizina. Koa amin’ireo andro izay handrenesanao an’ilay feo izay milaza aminao mba hiafina, fa ianao dia tokony hiafina samirery ao anatin’ny efitrano maizina iray, dia manasa anao aho ho be herim-po ka hino an’i Kristy! Mialà ao ary mankanesa any amin’ilay Fahazavana, dia ilay Fanantenantsika Mamirapiratra sy Lavorary.

Rehefa rakotry ny hazavany ianao dia hahita ireo olona manodidina anao izay nahatsapa ho irery koa, saingy ankehitriny kosa, noho ianareo manana hazavana dia tsy hanontany tena intsony ianao sy izy ireo hoe, “Nahoana isika no natahotra mafy tao amin’ny haizina? Ary nahoana isika no nijanona ela tao?”

“Ny Tompon’ny Fahazavana anie hamihina anareo amin’ny sandriny sy hampionona ary hitia anareo tsy tapaka.” Enga anie isika ho tia Azy sy hisafidy Azy ombieny ombieny. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.