Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fanehoana fanajana ho an’ireo zavatra masina
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2025


14:49

Fanehoana fanajana ho an’ireo zavatra masina

Ny fanehoana fanajana ho an’ireo zavatra masina dia hamporisika fankasitrahana tena marina, hanitatra fahasambarana tena izy, hitarika ny saintsika ho amin’ny fanambarana, ary hitondra fifaliana lehibe kokoa ho an’ny fiainantsika.

Ao amin’ny bokin’ny Eksodosy dia miara-dia amin’i Mosesy isika mamakivaky ny tehezan’ny Tendrombohitra Horeba raha niato tamin’ireo zavatra fanaony andavanandro izy, izay zavatra iray tokony hahavonona antsika ihany koa ny manao azy, mba hijerena ilay roimemy nirehitra afo nefa tsy nety levona. Rehefa nanatona izy dia “niantso azy tao afovoan’ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy. Dia hoy izy: Inty aho. Ary hoy [Andriamanitra], … esory ny kapanao amin’ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io.” Tamin’ny fanajana sy fanetrentena ary fahatalanjonana lalina no nanesoran’i Mosesy ny kapany ary nanomanany ny tenany hihaino ny tenin’ny Tompo sy niainany ny fanatrehany masina.

Io famangiana masina tany an-tendrombohitra io, izay zavatra niainana feno fanehoam-panajana mahavariana, dia nampifandray an’i Mosesy tamin’ilay maha izy azy avy amin’ Andriamanitra, ary, raha ny marina, singa manan-danja tamin’ny fiovany avy tamin’ny mpiandry ondry tsotsotra ho amin’ilay mpaminany mahery, ka nitarika azy tamina lalana vaovao teo amin’ny fiainany. Torak’izany koa, isika tsirairay avy dia afaka manova ny maha-mpianatry ny Tompo antsika ho amin’ny lamina avo kokoa ao amin’ny fiainantsika ara-panahy amin’ny alalan’ny fanaovana ny hasin’ny fanehoana fanajana ho ampahany masina amin’ny toetrantsika ara-panahy.

Ny andian-teny hoe fanehoana fanajana dia azo avy amin’ny matoanteny amin’ny fiteny Latina manao hoe revereri, izay midika hoe “mitolagaga eo anatrehan’i/ny.” Raha ao amin’ny filazantsara dia mifangaro amina fahatsapana na toe-tsaina manome fanajana sy fitiavana ary fankasitrahana lalina izany famaritana izany. Ny fanehoana fanajana ho an’ny zavatra masina ataon’ireo izay manana fo torotoro sy fanolorantena lalina ho an’ Andriamanitra sy Jesoa Kristy dia mampitombo fifaliana ho an’ny fanahin’izy ireo.

Ny fanehoana fanajana ny zavatra masina no fisehoana lehibe indrindran’ny toetra ara-panahy tena sarobidy; vokatry ny fifandraisantsika amin’ny fahamasinana izany ary ahitana taratra ny fitiavantsika sy ny fanakaikezantsika ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Izany ihany koa no iray amin’ireo zavatra avo indrindra iainan’ny fanahy. Ny hatsaran-toetra toy izany dia mitarika ny eritreritsika sy ny fontsika ary ny fiainantsika mankany amin’ny hoe Ny Andriamanitra. Raha ny marina dia tsy lafiny iray amin’ny ara-panahy fotsiny ihany ny fanehoana fanajana fa loharanony mihitsy, dia ny fototra iaingan’ny aim-panahy izay miteraka fifandraisana manokana amin’ilay masina araka ny ampianarin’ireo ankizy antsika rehefa mihira izy ireo hoe: “Rehefa maneho fanajana tokoa dia akaiky ny Ray sy Jesoa.”

Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia asaina isika hamboly ny fanomezam-pahasoavan’ny fanehoana fanajana eo amin’ny fiainantsika mba hisokafantsika amin’ny fifandraisana lalina kokoa amin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany, izay sady hampatanjaka ny toetrantsika ara-panahy ihany koa. Raha manana kokoa fahatsapana toy izany ao am-pontsika isika dia tsy azo isalasalana fa hanana fifaliana sy fahafinaretana lehibe kokoa isika eo amin’ny fiainantsika, ary hihena kokoa ny fahoriana sy ny alahelo. Mila mahatsiaro isika fa ny fanehoam-panajana ho an’ireo zavatra masina dia manome lanjany ny ankamaroan’ireo zavatra ataontsika isan’andro ary manamafy ny fahatsapantsika fankasitrahana, ka miteraka fahatalanjonana sy fanajana ary fitiavana ho an’ny zavatra avo sy masina kokoa.

Indrisy anefa, miaina ao anatina tontolo izay manao ny fanehoana fanajana ho an’ireo zavatra masina ho toetra manomboka tsy fahita firy isika. Raha ny marina dia matetika izao tontolo izao no mankalaza ny fanevatevana, araka ny hamafisin’ny fizahana akaiky ireo gazetiboky mankalaza olo-malaza na ny fandaharana amin’ny fahitalavitra na ny internet. Ny tsy fisian’ny fanajana ho an’ny zavatra masina dia mampitombo ny fananana toe-tsaina goragora ary miteraka tsy firaikiana amin’ny fitondran-tena, izay mety hahasarika haingana ny taranaka iray ho amin’ny tsy firaharahiana ary hanosika ny taranaka manaraka ho amin’ny fahoriana.

Ny tsy fanehoana fanajana dia mety hitarika antsika ihany koa hanalavitra ny famatorana izay entin’ireo fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ary mampihena ny fahatsiarovantsika ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ Ny Andriamanitra. Vokatr’izany dia tandindomin-doza isika tsy hiraika afa-tsy amin’ny mampety antsika ihany; ny fanomezana fahafaham-po ny faniriana tsy voafehy ao amintsika; ary amin’ny farany, ho tonga any amin’ny toerana tsy masina isika dia ny fankahalana an’ireo zavatra masina, an’ Andriamanitra mihitsy aza, ary ny maha zanaky ny Ray any An-danitra antsika vokatr’izany. Ny tsy fanehoana fanajana ireo zavatra masina dia mampandroso ny tanjon’ny fahavalo amin’ny fanelingelenana ny fantsona hahatsapantsika fanambarana izay iankinan’ny fahavelomantsika ara-panahy amin’izao androntsika izao.

Ny dikan’ny fanehoana fanajana ny zavatra masina sy ny lanjan’izany dia voasoritra tsara ao amin’ny soratra masina manontolo. Ny anankiray amin’izany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia azo heverina fa manambara fa ny fanehoana fanajana ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany dia toetra fototra ho an’ireo izay mahazo ny fanjakana selestialy.

Amin’ny maha fiangonana dia miezaka mihazona ny Ray sy ny Zanaka ho amin’ny fahamasinana sy fanajana avo indrindra amin’ny lafiny rehetra isika, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanehoantsika ny endrik’ Izy Ireo. Ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia singa fototra amin’ny fanapahan-kevitra momba ny hoe maneho ny toetra sy toetoetra masina ary ny maha Andriamanitra ny Ray sy ny Zanaka ve ireo sary ireo. Mitandrina izaitsizy isika hisoroka ny fanehoana lafin-javatra izay mety hampiala ny fifantohantsika fototra amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ary ny fampianaran’ Izy Ireo, ka tafiditra ao anantin’izany ny fomba fampiasantsika fitaovana avo lenta atolotry ny teknôlôjia, toy ny fampiasana ilontsaina artifisialy (IA) mba hamokarana votoatin-javatra sy sary.

Mihatra amin’izay mety ho loharanom-pahalalana hafa atolotra amin’ny alalan’ireo fantsom-pifandraisana ôfisialin’ny Fiangonana izany fitsipika izany. Ny lesona sy ny boky sy ny boky torolalana ary ny hafatra tsirairay avy dia vokarina amim-pitandremana ary ankatoavina eo ambany fitarihan’ny Fanahy mba hakana antoka fa voatandrina ny toetra sy soatoavina ary fenitra masin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nampianatra toy izao ny Loholona David A. Bednar tao amin’ny hafatra iray vao tsy ela ho an’ireo tanoran’ny Fiangonana: “Mba hamakivakiana ny sampanana mampifandray ny fiainana ara-panahy sy ny teknôlôjia, ny Olomasin’ny Andro Farany dia tokony (1) hamantatra amim-panetrentena sy amim-bavaka ireo fitsipiky ny filazantsara izay afaka mitarika amin’ny fampiasan’izy ireo ny intelligence artificielle (ilontsaina artifisialy), ary (2) hiezaka amin-kitsim-po mba hanana ny Fanahy Masina ho namana sy ny fanomezam-pahasoavan’ny fanambarana.”

Ry rahalahy sy anabavy, na dia lasa avo lenta toy ny ahoana aza ny teknôlôjia maoderina dia tsy afaka tsotra izao ny hamokatra sy haka tahaka ny fahatalanjonana sy ny halehibe hita ao amin’ilay karazana fanehoana fanajana izay misy avy amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika dia mila mitandrina isika tsy hamparefo ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra sy ilay Zanany avy amin’ny fampiasantsika tsy araka ny tokony ho izy ireo votoatin-javatra sy sary avoakan’ny IA. Tokony hahatsiaro isika fa ny fianteherana amin’ny “sandry nofo” amin’ny endrika ara-teknôlôjika maoderina dia fanoloana tsy tokony hatao ary faniratsirana ny fitaomam-panahy sy ny fampatanjaham-panahy ary ny vavolombelona izay tsy azo raha tsy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Araka ny nambaran’i Nefia hoe: “Tompo ô, efa natoky Anao aho ary mbola hatoky Anao mandrakizay. Tsy hapetrako amin’ny sandry nofo ny fitokiako.”

Tao amin’ny fanambarana iray hafa dia nampianarina ny Mpaminany Joseph Smith fa ireo tempoly atsangana ho an’ny Tompo dia tokony ho toerana fanehoana fanajana ho Azy. Nandritra ny fanompoany dia nanantitrantitra mafy ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson, ny momba ny fanehoantsika fanajana amin’ny fitsaohana ao amin’ny tempoly masina. Ao amin’ny tranon’ny Tompo isika dia ampianarina mikasika ny fidirana amin’ny fanatrehana masin’ny Ray sy ny Zanaka. Hitako foana hatramin’izay fa mifono fampianarana ary tena manentana ny fanahy mihitsy aza ny hoe anisan’ny zavatra voalohany ataontsika rehefa miditra ny tempoly sy manomana ny tenantsika handray anjara amin’ireo ôrdônansy masina any dia ny manala ny kirarontsika sy misolo akanjo fotsy. Tahaka an’i Mosesy, raha toa ka ataontsika amin-kitsim-po izany, dia afaka mahafantatra isika fa ny fanalana ny kiraron’izao tontolo izao fanaovantsika dia fanombohan’ny fandinganana ho amin’ny tany masina ary ny fanovana ho amina lalana avo sy masina kokoa.

Ry rahalahy sy anabavy, tsy voatery mihanika ny tampon’ny tendrombohitra iray isika, tahaka ny nataon’i Mosesy, vao afaka hianatra fanehoana fanajana ho an’ireo zavatra masina ary hampiova ny maha mpianatry ny Tompo antsika ho amin’ny ambaratongan’ny fandavantena sy aim-panahy lalina kokoa. Afaka mahazo izany isika, ohatra, rehefa miezaka ny miaro ny tontolon’ny tokantranontsika amin’ny fitaoman’izao tontolo izao. Azo tanterahina izany amin’ny alalan’ny fivavahana amin-kitsim-po ary amin-kafanam-po eo anatrehan’ny Ray any An-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ary ny fikatsahana ny hahafantatra tsara kokoa ilay Mpamonjintsika amin’ny alalan’ny fandalinantsika amin’ny zotom-po ny tenin’ Andriamanitra hita ao amin’ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminanintsika. Ankoatra izany, afaka ny ho tonga amintsika ny fiovana ara-panahy toy izany rehefa miezaka ny manaja ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo isika amin’ny alalan’ny fiainana amim-pankatoavana ireo didy. Ireo ezaka ireo dia afaka mitondra fiadanana mangiana sy azo antoka ao am-pontsika. Ny fifantohana amin’ny fanao toy izany dia tsy isalasalana fa hampiova ny tokantranontsika ho lasa toeram-pialofana ara-panahy anjakan’ny fanehoana fanajana, dia toerana masin’ny finoana itoeran’ny Fanahy, toy ilay zavatra niainan’i Mosesy tany an-tendrombohitra mihitsy.

Afaka miaina fanovana ara-panahy toy izany koa isika rehefa mandray anjara amim-pahatokiana amin’ireo fotoam-pivavahan’ny Fiangonana, isan’izany ny fampitodihana ny fontsika amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fihirantsika amin’ny fo ny hira masina ao amin’ny fihirana. Ny fialana, toy ny nataon’i Mosesy, amin’ireo zavatr’izao tontolo izao izay manelingelina, indrindra fa ny findaintsika na izay rehetra mety tsy hifanaraka amin’izany fotoana masina izany, dia mamela antsika mba hifantoka feno amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, mbamin’ny saintsika sy ny fontsika mifantoka amin’ny Mpamonjy sy ny sorona fanavotana nataony ary ny fanekempihavanana nataontsika manokana. Ny fifantohana amin’ny fanasan’ny Tompo toy izany dia hampitsiry fanavaozana amim-panehoam-panaja ny fifandraisantsika amin’ny Mpamonjy sy hahatonga ny Sabata ho fahafinaretana ary hampiova ny fiainantsika.

Ary amin’ny farany dia afaka miaina izany fiovana ara-panahin’ny maha-mpianatra antsika izany isika rehefa mitsaoka tsy tapaka any amin’ny tendrombohitry ny tranon’ny Tompo, ny tempolintsika masina, ary miezaka mahatoky ao amin’ny fanekempihavanana nataontsika, indrindra indrindra rehefa miatrika ireo sedran’ny fiainana an-tany.

Izaho sy ny vadiko dia niaina manokana fotoanan’ny tendrombohitra masina tamim-panehoam-panajana rehefa niezaka ny hampihatra ireo fitsipika ireo teo amin’ny fiainanay izahay, ka izany dia niteraka fanovana manan-danja teo amin’ny maha mpianatry ny Tompo anay. Mbola tsaroako toy ny hoe omaly izany ny fandehanana teny amin’ny fasana talohan’ny nandevenana ny zanakay faharoa izay tsy tonga volana ka maty, kanefa ny vadiko mbola teo an-dalam-pitsaboana tany amin’ny hôpitaly. Tadidiko aho nivavaka tamin’ Andriamanitra tamin-kafanam-po sy fanajana lehibe, nangataka fanampiana hiatrehana izany fizahan-toetra mafy izany. Tamin’io fotoana io dia nandray toky mazava sy mahery vaika tao am-poko aho: hilamina ny zava-drehetra eo amin’ny fiainanay raha toa ka maharitra izaho sy ny vadiko, mihazona ilay fifaliana tonga noho ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ilay noheverina fa tsy hay hozakaina, fanamby nitondra alahelo tamin’izany fotoana izany, dia nivadika ho traikefa masina sy fanajana fatratra ary vatofantsika izay nanampy nanohana ny finoanay ary nanome anay fahatokian-tena ao amin’ny fanekempihavanana nataonay tamin’ny Tompo sy ao amin’ny fampanantenany ho ahy sy ny fianakaviako.

Ry rahalahy sy anabavy, ny fanehoana fanajana ho an’ireo zavatra masina dia hamporisika fankasitrahana tena marina, hanitatra fahasambarana tena izy, hitarika ny saintsika ho amin’ny fanambarana, ary hitondra fifaliana lehibe kokoa ho an’ny fiainantsika. Mametraka ny tongotsika ho amin’ny tany masina izany ary manandratra ny fontsika ho any amin’ Ny Andriamanitra.

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa miezaka mampiditra ny toetra tsara toy izany eo amin’ny fiainantsika andavanandro isika dia afaka hampitombo ny fanetrentenantsika, hampivelatra ny fahatakarantsika ny sitrapon’ Andriamanitra ho antsika, ary hampatanjaka ny fahatokiantsika ireo fampanantenan’ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manaiky tanteraka io fanomezam-pahasoavan’ny fanehoana fanajana ireo zavatra masina io isika—na any amin’ny tendrombohitry ny tranon’ny Tompo izany, na any amin’ny trano fiangonana, na ao amin’ny tokantranontsika manokana—dia ho heniky ny fitalanjonana mahavariana sy mampitolagaga isika rehefa mifandray amin’ilay fitiavana tonga lafatry ny Raintsika any An-danitra sy Jesoa Kristy. Ijoroako ho vavolombelona amim-panajana ny momba ireo fahamarinana ireo, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, amena.