Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fifaliana avy amin’ny maha-mpianatra manao sy mitandrina fanekempihavanana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2025


10:58

Fifaliana avy amin’ny maha-mpianatra manao sy mitandrina fanekempihavanana

Rehefa mamatotra ny tenantsika mba hiaina araka ny maha-mpianatra manao sy mitandrina fanekempihavanana antsika isika, dia hihatsara ny fifandraisantsika amin’ny Ray sy ny Zanaka, hitombo ny fifaliantsika ary hiitatra ny fomba fijerintsika izay mibanjina ny mandrakizay.

Indray andro tamin’ny taona 2023, raha iny niasa tao amin’ny tanàn’i Mongôlia avaratra tao Darkhana iny i Uyanga Altansukh no niditra ny toeram-piasany ny filohan’ny Misiônan’i Mongôlia. Hoy izy:

“Hitako izy ary nieritreritra aho hoe nisy hazavana namirapiratra teny amin’ny tavany. Tena tsara fanahy sady sariaka tamin’ny manodidina azy izy ary nanana fahatsapana tsara aho. Talohan’ny nialany dia nametrahako fanontaniana vitsivitsy izy. Andro vitsivitsy taty aoriana dia nankao am-piasako indray izy ary nanontany raha afaka miangona any amin’ny fiangonany aho. Nihevitra aho hoe mety hanampy izany. Nanahy momba ny hoavin’ireo zanako aho noho ny amin’ny fiarahamonina izay toa feno zava-manahiran-tsaina sy haizina. Niriako mba ho toa an’io rangahy io ireo zanako ka hisy fahazavana hamirapiratra eny amin’ny tavan’izy ireo, hizara hafaliana amin’ireo hafa manodidina azy ireo.

“Indray andro dia nampianarin’ireo misiônera anay ny lalàn’ny fahafolonkarena. Tamim-pientanentanana no nilazan’ireo zanako hoe: -Tsy maintsy mandoa fahafolonkarena isika Neny a!- Hitako taratra ny finoan’ireo zanako tamin’io fotoana io. Talohan’ny nikambanako tamin’ny Fiangonana dia nijery fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ary nihaino ny lahatenin’ny Filoha Russell M. Nelson aho. Nanambara tempoly vaovao maneran-tany izy ka nilaza fa hisy tempoly vaovao haorina ao Ulaanbaatar, Mongôlia. Faly aho sady latsa-dranomaso, eny fa na dia tsy takatro aza hoe nahoana. Tamin’ny alalan’io fifaliana io no nahafahako nilaza fa nitombo ny finoako sy ny fijoroana ho vavolombeloko.”

I Uyanga, tahaka ireo olona an-davitrisany hafa, dia tafiditra ao amin’ilay fanangonana lehibe an’i Isiraely ho fanomanana ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Nanomboka ny diany teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izy ary lasa mpianatr’i Kristy. Midika inona izany hoe mpianatr’i Kristy izany? Tiako ilay teny japôney ho an’ny teny hoe mpianatra: deshi; ny de dia midika hoe zandry lahy ary ny shi dia midika hoe zanaka.

Nanambara i Jesoa Kristy hoe: “Izaho dia niaraka tamin’ny Ray tany am-piandohana sady ny Lahimatoa.” Noho ny maha Izy Azy sy ny zavatra izay nataony dia mitsaoka Azy, manaja Azy, sy manome voninahitra Azy ary manaraka Azy isika. Nanavotra antsika i Kristy, ary feno fankasitrahana mandrakizay isika noho ny amin’ny sorona fanavotana sady tsy manam-petra nataony.

Manana Ray any An-danitra izay tia antsika amin’ny maha-zanany antsika isika. Tonga lafatra ny fitiavany. I Jesoa Kristy sy ny iraka notanterahiny dia maneho ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Nanoratra i Jaona hoe: “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”

Ao anatin’ny fikatsahantsika hahatakatra ny zavatra tsy fantatsika dia indraindray isika no mety hiantehitra amin’ireo zavatra niainantsika teto amin’ny fiainana an-tany izay mitovitovy amin’izany, na zavatra tena fantatsika. Ohatra, afaka mianatra sombintsombiny momba ny Ray any An-danitra isika amin’ny alalan’ny maha-ray aman-dreny antsika sy ireo fifandraisan’ny fianakaviantsika eto an-tany. Kanefa tokony hitandrina isika mba tsy ho lasa lavitra ny fampiharana ireny fampitahana ireny ao anatin’ny ezaka ataontsika mba hahatakatra ny Raintsika any An-danitra. Mihoatra lavitra noho ny toetra izay lavitry ny fahalavorariana ananan’ny olona lavo ireo toetran’ Andriamanitra Ray. Ray lavorary ny Raintsika any An-danitra. Tia, tsara fanahy, maharitra, mahatakatra ary feno voninahitra tanteraka Izy. Afaka matoky Azy tanteraka isika. Taratry ny fitiavan’ Andriamanitra Ray sady fanehoana an’izany fitiavana izany ny fitiavan’i Kristy.

Sady ohatra i Jesoa Kristy no lalana. Ao amin’i Kristy isika dia afaka mahatakatra tsara kokoa ireo toetra tonga lafatry ny Ray any An-danitra sy ny drafiny. Amin’ny alalan’ i Kristy isika no omena hery ahafahantsika mandresy ireo fironan’ny lehilahy sy ny vehivavy araka ny nofo mba hahafahantsika ho tonga tahaka ny Ray kokoa.

Tahaka ny Raintsika any An-danitra dia mamindra fo sy marina tanteraka i Jesoa Kristy. Tsy mifanohitra ireo toetran’ny fahamarinana sy famindram-pon’ Andriamanitra ireo. Mifameno izy ireo. Samy maneho ny fitiavana tonga lafatr’ Andriamanitra ho an’ireo zanany ny fahamarinana sy ny famindram-po. Afaka matoky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika satria marina sy tsy miangatra amintsika rehetra Izy Ireo.

Mifanaraka tanteraka ny tanjona sy ny fitiavan’ Andriamanitra Ray sy ny an’i Jesoa Kristy Zanany. Koa satria tia antsika Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy dia nomena fahafahana sy tombontsoa isika amin’ny maha mpianatra marina antsika mba hanao fanekempihavanana amin’Izy Ireo. Rehefa manao izany isika dia miitatra ny fifandraisantsika amin’i Kristy: “Ary ankehitriny, noho ny fanekempihavanana izay efa nataonareo, dia hantsoina hoe zanak’i Kristy ianareo, dia zanany lahy sy zanany vavy; fa indro, efa niteraka anareo ara-panahy Izy androany; satria lazainareo fa ny fonareo dia efa miova amin’ny alalan’ny finoana ny anarany; noho izany, dia aterany ianareo ary efa tonga zanany lahy sy zanany vavy.”

Amin’ny maha-mpianatra antsika, dia voatahy amin’ny hery ara-panahy isika rehefa manao sy mitandrina ireo fanekempihavanana masina. Fifandraisana manokana no mampifandray antsika amin’i Kristy sy Andriamanitra Ray ary afaka miaina ny fitiavana sy ny fifalian’Izy Ireo amin’ny fatra natokana ho an’ireo izay nanao sy nitandrina fanekempihavanana isika. Miankina amin’ny faniriana marina ananantsika sy asa marina ataontsika ny fahafahantsika mahatsapa ny fatra fenon’ny fitiavan’ Andriamanitra na mitoetra ao amin’ny fitiavany.

Mivaky toy izao ny ao amin’ny Jaona toko 15, andininy 9 : “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo.” Ary avy eo isika dia omena fanasana hoe: “tomoera amin’ny fitiavako hianareo.”

Ao amin’ny andininy manaraka isika dia omena ny fomba hitoerana ao amin’ny fitiavany “Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny hitoerako amin’ny fitiavany.”

Avy eo dia hitantsika ao amin’ny andininy 11 ny tanjon’ny fitandremana ny didy : “Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.”

Amin’ny alalan’ny fiainana marina ny maha-mpianatra manao sy mitandrina fanekempihavanana antsika dia afaka manomboka mahatakatra tsara kokoa ny toetran’ Andriamanitra sy ny fifaliana tiany hiainan’ny zanany rehetra isika. Afaka manomboka mahatakatra fitsipika vitsivitsy izay toa manahiran-tsaina amin’ny voalohany ihany koa isika. Ohatra, ahoana no ahafahan’ Andriamanitra manam-pifaliana feno kanefa misy zanany sasany mijaly mafy tokoa? Ao amin’ny fomba fijery lavorarin’ Andriamanitra sy ny drafiny tonga lafatra no misy ny valiny. Mahita antsika hatrany am-piandohana ka hatramin’ilay olona be voninahitra hahatongavantsika amin’ny hoavy Izy. Nanome lalana Izy, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany, ho antsika rehetra, izay zanany, mba handresy ireo jaly, fahoriana, fahotana sy fahatsapan-tena ho meloka ary ny fanirery mianjady amintsika eto an-tany. Nanome antsika lalana sy safidy Andriamanitra.

Mety hanampy antsika hahatakatra tsara kokoa an’io fotokevitra io ny ohatra asehon’ireo olona niaina fifaliana tamin’ny alalan’ny maha-mpianatra Efa renareo angamba ilay teny hoe raha fadiranovana ny zanatsika dia toy izany koa isika. Hitako fa tsy voatery ho izany no mitranga. Manana taranaka velona mihoatra ny 200 ny reniko izay 94 taona. Tsy maintsy hisy fotoana farafahakeliny ho fadiranovana ny iray amin’ireo 200 ireo. Raha marina io fomba fiteny io dia ho fadiranovana mandrakizay ny reniko. Kanefa tsy toy izany izy. Ireo izay mahafantatra azy dia mahafantatra fa olona falifaly izy.

Te hizara traikefa iray hafa aho izao. Tamin’ny janoary 2019, izaho sy i Debbie vadiko dia voasa hankao amin’ny biraon’ny Filoha Nelson. Nasiany seza iray teo akaikinay ary saika nifampikaso-dohalika mihitsy izahay. Taorian’ny nanomezany anay ny antsonay ankehitriny dia nitodika tany amin’i Debbie sy nifantoka taminy ny Filoha Nelson. Tsara fanahy, feno fitiavana sy malefaka ary feno fifaliana izy, tahaka ny ray na raibe tonga lafatra iray. Notazoniny ny tanan’i Debbie, nosafoiny mba ho tony, ary nanome toky azy izy fa tsy haninona izany ary ho voatahy ny fianakavianay. Toa nahatsapa izany izahay tamin’io fotoana io fa izahay no olona manan-danja indrindra taminy ary nanana ny fotoana rehetra ho anay izy Nahatsapa ho nahazo toky sy tiana ary falifaly izahay raha nandao ny biraony tamin’io zoma tolakandro io.

Nahita vaovao izahay ny alatsinainy. Tamin’io andro izay niarahan’ny Filoha Nelson taminay io, dia matin’ny homamiadana ny iray tamin’ireo zanany vavy. Ankona izahay. Feno ny fonay raha nisaona ho azy sy ny fianakaviany izahay. Feno fankasitrahana ihany koa ny fonay noho ny fifantohany tahaka izay ho nataon’i Kristy taminay na dia nisaona ho an’ilay zanany vavy izay nijaly aza izy.

Rehefa nandinika an’io traikefa io izahay dia nanontany tena hoe: “Ahoana no ahafahany ho tsara fanahy sy be fitiavana sady falifaly mihitsy aza amin’ny fotoana toy izany?” Ny valiny dia hoe satria fantany. Fantany fa nandresy i Kristy. Fantany fa hiaraka amin’ilay zanany vavy indray izy ary hiaina mandrakizay miaraka aminy. Tonga amin’ny alalan’ny fifamatorana amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana ary amin’ny alalan’ny maha-mpianatra tahaka an’i Kristy ny fifaliana sy ny fomba fijery mandrakizay.

Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Tahaka ny anoloran’ny Mpamonjy fiadanana izay -mihoatra ny fahatakarana rehetra- [Filipiana 4:7] dia manolotra fifaliana lehibe sy lalina ary mivelatra izay tsy takatry ny fahaizana sy ny fahatakaran’ny olombelona ihany koa Izy. Ohatra, toa tsy ho vita velively izany hahatsapa fifaliana izany rehefa mijaly noho ny aretina tsy misy fanafany ny zanakao, na rehefa very asa ianao, na rehefa mamitaka anao ny vadinao. Kanefa izany indrindra ilay fifaliana atolotry ny Mpamonjy.”

Rehefa manao sy mitandrina fanekempihavanana isika dia lasa mitodika ho azy any amin’ny hafa ary manana faniriana hanampy ny hafa hahatsapa ny fatran’ny fifaliana sy ny fitiavana tsapantsika ao amin’ireo fifandraisantsika ara-panakempihavanana. Afaka ny ho tafiditra ao amin’ilay asa lehibe indrindra eto an-tany ankehitriny isika, dia ny fanangonana an’i Isiraely izany. Afaka manampy amin’ny fitondrana ny zanak’Andriamanitra hankamin’i Kristy isika. Araka ny nampianarin’ny mpaminany Jakôba hoe: “Ary hotahiana anie ianareo; fa satria efa nazoto niasa niaraka tamiko tao amin’ny tanimboliko ianareo ary efa nitandrina ny didiko sy efa namoa ho ahy indray ny voa tsara, … hiaraka hanana fifaliana amiko noho ny voa avy amin’ny tanimboliko ianareo.”

Rehefa mamatotra ny tenantsika mba hiaina araka ny maha-mpianatra manao sy mitandrina fanekempihavanana antsika isika, dia hihatsara ny fifandraisantsika amin’ny Ray sy ny Zanaka, hitombo ny fifaliantsika ary hiitatra ny fomba fijerintsika izay mibanjina ny mandrakizay. Tafiana amin’ny hery isika avy eo, ary afaka mahatsapa fifaliana amin’ilay fatra natokan’ Andriamanitra ho an’ireo mpianatra manao sy mitandrina fanekempihavanana marina. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.