Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ilay drafitry ny famindram-po
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2025


11:6

Ilay drafitry ny famindram-po

Feno famindram-po ny Tompo ary ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra dia tena drafitry ny famindram-po.

Fanasana avy amin’ny mpaminany

Tamin’ny volana Aprily farany teo, fotoana fohy taorian’ilay vaovao mahafaly fa lasa fananan’ny Fiangonana ny Tempolin’i Kirtland dia nanasa antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba handalina ny vavaka fanokanana ny Tempolin’i Kirtland izay voarakitra ao amin’ny fizarana 109 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Nilaza ny Filoha Nelson fa ilay vavaka fanokanana dia: “fampianarana momba ny fomba hanomezan’ny tempoly anao sy ahy hery ara-panahy hiatrehana ireo fanambin‘ny fiainana amin’izao andro farany izao.”

Resy lahatra aho fa ny fandalinanao ny fizarana 109 dia nanolotra hevi-baovao izay nitahy anao. Anio hariva aho dia hizara zavatra vitsivitsy izay nianarako rehefa nanaraka ny fanasana nomen’ny mpaminanintsika. Ilay lalam-piadanana izay nitondran’ny fandalinako ahy dia nampahatsiahy ahy fa ny Tompo dia feno famindram-po ary ny drafitry ny famonjen’ny Raintsika any An-danitra dia tena drafitry ny famindram-po tokoa.

Misiônera vao nantsoina manompo ao amin’ny tempoly

Araka ny mety efa fantatrareo dia “entanina ireo misiônera vao nantsoina handray haingana araka izay azo atao ny fanafiana masina any amin’ny tempoly ary handeha any amin’ny tempoly matetika araka izay azo atao.” Rehefa avy mandray ny fanafiana masina izy ireo dia “afaka manompo, manao mpanatanteraka [asa] … any amin’ny tempoly mialoha ny hanombohan’izy ireo ny asa fitoriana.”

Afaka ny ho fitahiana miavaka ho an’ireo mpitory ny filazantsara vaovao voantso ny fotoana hidirana ny tempoly alohan’ny hidirana ny Foibe Fiofanana ho Misiônera rehefa mianatra kokoa momba ireo fanekempihavanan’ny tempoly izy ireo alohan’ny hizarana ireo fitahiana avy amin’ireo fanekempihavanana ireo amin’izao tontolo izao.

Kanefa rehefa nandalina ny fizarana 109 aho dia nianatra fa manome hery ireo misiônera vaovao—isika rehetra raha ny marina—Andriamanitra ao amin’ny tempoly, amin’ny fomba iray hafa sy masina. Tao amin’ilay vavaka fanokanana izay nomena tamin’ny alalan’ny fanambarana dia nivavaka i Joseph hoe “rehefa mivoaka avy ao an-tranonao ireo mpanomponao … ho vavolombelona manambara ny anaranao,” ny “fon’”ny “vahoaka rehetra”—na “ireo olona lehibe amin’ny tany” na ny “mahantra rehetra, ny sahirana ary [ny] olona mijaly.” Nivavaka izy mba “hisava eo anoloan’ny fahamarinana ny hevi-draviny, ary mba hahazoan’ny vahoakanao sitraka eo imason’ny rehetra; mba hahazoan’ny faran’ny tany rehetra mahafantatra fa izahay mpanomponao dia efa nandre ny feonao, ary efa nirahinao izahay.”

Fampanantenana mahafinaritra izany ho ana misiônera vao nantsoina iray—mba “hisava eo anoloan’ny fahamarinana ny hevi-draviny,” mba “hahazo sitraka eo imason’ny rehetra,” ary mba hahafantaran’izao tontolo izao fa ny Tompo no maniraka azy ireo. Azo antoka fa isika tsirairay avy dia mila ireo fitahiana ireo. Tena fitahiana tokoa ny manana fo nohalefahana rehefa mifandray amin’ny mpifanolobodirindrina sy mpiara-miasa isika. Ilay vavaka fanokanana dia tsy tena manazava tsara ny fomba hanalefahan’ny fotoana laniantsika ao amin’ny tempoly ny fon’ny hafa kanefa resy lahatra aho fa mifamatotra amin’ny fomba hanalefahan’ny fotoana laniantsika ao amin’ny tranon’ny Tompo ny fontsika manokana izany amin’ny alalan’ny fampifantohana antsika amin’i Jesoa Kristy sy ny famindram-pony.

Mamaly ireo fiangaviana famindram-po ataon’i Joseph Smith ny Tompo

Rehefa nandalina ilay vavaka fanokanana ny Kirtland aho, dia talanjona koa aho fa niangavy famindram-po ombieny ombieny—ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana, ho an’ireo fahavalon’ny Fiangonana, ho an’ireo mpitondra ny firenena, ho an’ireo firenena rehetra eto an-tany i Joseph. Ary niangavy manokana ny Tompo mba hahatsiaro azy ary mba hamindrany fo amin’i Emma vadiny malalany sy ireo zanany.

Inona no mety ho tsapan’i Joseph rehefa niseho taminy sy i Oliver Cowdery ny Tompo, herinandro taty aoriana, ny marainan’ny Paska ny 3 aprily 1836 tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ary araka ny voarakitra ao amin’ny fizarana 110 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, nilaza hoe: “Fa indro efa nekeko ity trano ity ary ho eto ny anarako; ary Izaho haneho ny tenako amin’ny vahoakako amin’ny famindram-po, ao amin’ity trano ity.” Ity fampanantenana famindram-po ity dia azo antoka fa nidika zavatra manokana ho an’i Joseph. Ary araka ny nampianaran’ny Filoha Nelson tamin’ny volana aprily farany teo dia “mihatra amin’ny tempoly voatokana rehetra ihany koa io fampanantenana io ankehitriny.”

Mahita famindram-po ao amin’ny tranon’ny Tompo

Tena maro tokoa ireo fomba ahafahantsika tsirairay mahita famindram-po ao amin’ny tranon’ny Tompo. Marina hatrany izany hatramin’ny fotoana voalohany nandidian’ny Tompo an’i Isiraely ny hananganan’izy ireo tabernakely iray ary ny mba hametrahan’izy ireo ilay “fitoeran’ ny famindram-po” eo amin’ny ivon’izany.” Mahazo famindram-po ao anatin’ireo fanekempihavanana izay ataontsika ao amin’ny Tempoly isika. Mamatotra antsika amin’ny Ray sy ny Zanaka ireo fanekempihavanana ireo, miaraka amin’ny fanekempihavanan’ny batisa ary manome fahafahana kokoa antsika handray ilay nampianarin’ny Filoha Nelsona hoe “karazana fitiavana sy famindram-po manokana … antsoina hoe hesed” amin’ny fiteny Hebreo.

Mahita famindram-po isika ao anatin’ny fahafahana ho fehezina amin’ny fianakaviantsika mandrakizay. Lasa takatsika mazava kokoa ao amin’ny tempoly fa ny Fahariana sy ny Fahalavoana sy ny sorona fanavotan’ny Mpamonjy ary ny fahafahantsika hiverina indray eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra, ny ampahany rehetra amin’ny drafitry ny famonjena, dia fanehoana famindram-po. Marina tokoa fa mety ho azo lazaina hoe drafitry ny fahasambarana ny drafitry ny famonjena, indrindra satria “drafitry ny famindram-po” izany.

Manokatra ny varavarana ho an’ny Fanahy Masina ny fikatsahana famelan-keloka

Feno fankasitrahana aho noho ilay fampanantenana mahafinaritra ao amin’ny fizarana 110 fa ny Tompo dia haneho ny tenany amin’ny famindram-po ao amin’ireo tempoliny. Feno fankasitrahana ihany koa aho noho ny zavatra ambaran’izany mikasika ny fomba hanehoan’ny Tompo ny tenany amin’ny famindram-po isaky ny mangataka famindram-po tahaka an’i Joseph isika.

Tsy ny fiangaviana famindram-po nataon’i Joseph Smith tao amin’ny fizarana 109 no fotoana voalohany nahatonga ireo fiangaviany famindram-po hiteraka fanambarana. Tsy nivavaka mba hahafantatra fotsiny ihany hoe iza ny Fiangonana marina i Joseph tao amin’ilay Alakely Masina fa nilaza ihany koa izy fa “nitalaho tamin’ny Tompo mba hahazoany famindram-po satria tsy nisy azoko anatonana mba hahazoako famindram-po.” Mahagaga fa ny fanekeny ho nila famindram-po izay ny Tompo irery ihany no afaka nanome izany dia nanampy nanokatra ny varavaran’ny lanitra. Telo taona taty aoriana dia niseho ny anjely Môrônia, araka ny nolazain’i Joseph fa nivavaka sy nitalaho tamin’ Andriamanitra Tsitoha ho famelana ny fahotako sy ny hadalako rehetra.”

Mahazatra ity endrika fanambarana aorian’ny fiangaviana famindram-po ity ao amin’ny soratra masina. Rehefa nivavaka mba hangataka famelana ihany i Enosa vao nandre ny feon’ny Tompo. Nanomboka tamin’ny vavaka nataony ny fiovam-pon’ny rain’i Lamônia Mpanjaka: “Hafoiko ny fahotako rehetra hahafantarako Anao.” Mety tsy ho voatahy hiaina zavatra mampitolagaga tahaka izany isika kanefa iray amin’ireo fomba mahery vaika indrindra hahatsapana ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina ny fikatsahana ny famindram-pon’ny Tompo ho an’ireo izay tsindraindray sahirana mahatsapa valiny amin’ireo vavaka ataon’izy ireo.

Manokatra varavarana ho an’ny Fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna ny fisaintsainana ny famindram-pon’ Andriamanitra.

Misy fitsipika mitovy amin’izany izay ampianarina tsara ao amin’ny Môrônia 10:3–5. Matetika isika no manafohy ireto andininy ireto mba hampianarana fa amin’ny alalan’ny vavaka amin-kitsim-po dia afaka mahafantatra raha toa ka marina ny Bokin’i Môrmôna. Saingy izany fanafohezana izany dia mety hanao tsirambina ny maha-zava-dehibe ny anjara asan’ny famindram-po. Henoy ny fomba hanombohan’i Môrônia ny famporisihana nataony: “Ta hamporisika anareo aho, rehefa hamaky ireto zavatra ireto ianareo, … mba hahatsiarovanareo ny naha-feno famindram-po ny Tompo tamin’ny zanak’olombelona, hatry ny nahariana an’i Adama ka hatramin’ny fotoana izay handraisanareo ireto zavatra ireto sy ny hisainanareo izany ao am-ponareo.”

Tsy mamporisika antsika hamaky ireo zavatra ireo fotsiny ihany i Môrônia—ireo rakitsoratra izay handeha hofeheziny—fa mba hisaintsainantsika ihany koa ao am-pontsika ny zavatra izay ambaran’ny Bokin’i Môrmôna momba ny “naha-feno famindram-po ny Tompo tamin’ny zanak’olombelona.” Ny fisaintsainana ny famindram-pon’ny Tompo no manomana antsika “mba [hanontany] an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto.”

Rehefa misaintsaina momba ny Bokin’i Môrmôna isika dia mety hanontany isika hoe : tena marina araka ny nampianarin’i Almà tokoa ve fa ny dafitr’ Andriamanitra ho an’ny famindram-po dia manome antoka fa ny olona rehetra izay niaina teto ambonin’ity tany ity dia hitsangana amin’ny maty ary haverina amin’ny endriny tsirairay avy sy tomombana ny zava-drehetra? Marina ve ny tenin’i Amioleka fa ny famindram-po dia afaka manefa ny fitakiana rehetran’ny fahamarinana sy mamihina [antsika] amin’ny sandrin’ny fiantohana”?

Marina ve ny fijoroana ho vavolombelon’i Alma fa nijaly i Kristy tsy noho ny fahotantsika ihany fa noho ny “fanaintainana sy ny fahoriantsika” mba ahazoany “mamantatra … ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny”? Tena feno famindram-po tokoa ve ny Tompo, araka ny nampianarin’i mpanjaka Benjamina fa toy ny fanomezana tsy misy sarany, nanao ny sorompanavotana Izy “noho ny fahotan’ireo izay … efa maty tsy nahalala ny sitrapon’ Andriamanitra momba azy ireo, na izay efa nanota tao amin’ny tsy fahalalana”?

Marina ve araka ny voalazan’i Lehi fa “lavo Adama mba hisian’ny olona ary misy ny olona mba hahazo fifaliana”? Ary marina ve araka ny fijoroana ho vavombelon’i Abinadia, nilaza ny tenin’i Isaia fa Jesoa Kristy dia “noratraina noho ny fandikantsika lalàna, notorotoroina noho ny helotsika; ny famaizana nahatra taminy no nahazoantsika fiadanana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana antsika”?

Fehiny, moa ve ny drafitry ny Ray nampianarina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia tena ity feno famindram-po ity? Mijoro ho vavolombelona aho fa tena izany tokoa ary ireo fampianarana mitondra fiadanana sy fanantenana momba ny famindram-po ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia marina.

Kanefa azoko an-tsaina fa ny sasany aminareo dia mety mbola sahirana, na dia eo aza ny famakiana sy vavaka amim-pahatokiana ataonareo, amin’ny fahatakarana ny fampanantenana nataon’i Môrônia fa Andriamanitra “dia haneho ny fahamarinan’izany aminareo amin’ny herin’ny Fanahy Masina.” Fantatro izany fahasahiranana izany satria efa tsapako, taona maro lasa izay, rehefa tsy nitondra valiny teo no ho eo sy mazava tamin’ny vavaka nataoko ny famakiako voalohany ny Bokin’i Môrmôna.

Raha sahirana ianao, te hanasa anao aho hanaraka ny torohevitr’i Môrônia hisaintsaina fomba maro hampianarin’ny Bokin’i Môrmôna hoe “ Toy ny ahoana ny famindram-pon’ny Tompo amin’ireo zanak’Andriamanitra”? Raha araka ny zavatra niainako dia manantena aho fa rehefa hanao izany ianareo dia afaka miditra ao am-ponareo ny fiadanana entin’ny Fanahy Masina ary afaka ny hahafantatra sy hino ary hahatsapa ianareo fa ny Bokin’i Môrmôna sy ny drafitry ny famindram-po izay ampianariny dia marina.

Maneho ny fankasitrahako noho ny drafitry ny famindram-po lehibe an’ny Ray aho sy noho ny fahavononan’ny Mpamonjy hanatanteraka izany. Fantatro fa haneho ny tenany amin’ny famindram-po Izy ao amin’ny tempoliny masina sy eo amin’ny fiainantsika iray manontolo raha hikatsaka Azy isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Mifalia amin’ny fanomezam-pahasoavan’ny fanalahidin’ny fisoronana,” Liahona, mey 2024, 121.

  2. Russell M. Nelson, “Mifalia amin’ny fanomezampahasoavan’ny fanalahidin’ny fisoronana,” 121.

  3. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 24.5.1, Médiathèque de l’Évangile.

  4. Tahaka ireo fitahian’ny tempoly rehetra dia miankina amin’ny fitandremantsika ireo fanekempihavanana ataontsika ao amin’ny tempoly ny fanomezan’ Andriamanitra ireo fitahiana ireo. See Russell M. Nelson, “Mandresy izao tontolo izao ary mahita fiadanana,” Liahona, Nov. 2022, 96: “Ny olona tsirairay izay manao fanekempihavanana … any amin’ny tempoly, ka mitandrina izany, dia mampitombo ny fahafahana hahazo ny herin’i Jesoa Kristy.”

    Ohatra iray hafa, diniho ny teny nambaran’ny Fiadidiana Voalohany momba ny fanaovana ny garmentan’ny tempoly: “Rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataonao ianao, anisan’izany ny tombontsoa masina hanao ny garmenta araka ny torolalana nomena nandritra ny ôrdônansy fiomanana, dia ho afaka ny handray misimisy kokoa ny famindram-pon’ny Mpamonjy sy ny fiarovany ary ny tanjany sy ny heriny” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 26.3.3.2, Médiathèque de l’Évangile; nampiana fanamafisana).

  5. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:55–57.

  6. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ho avy indray ny Tompo Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2024, 121-22: “Izao no fampanantenako aminareo: Hahita Azy ao amin’ny tempoly izay rehetra mikatsaka marina an’i Jesoa Kristy. Hahatsapa ny famindram-pony ianareo.”

  7. Jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:34: “Mamindrà fo amin’ity vahoaka ity ary satria manota avokoa ny olona, dia mamelà ny fandikan-dalàna ny vahoakanao, ary aoka izany ho voafafa mandrakizay.”

  8. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109: 50.

  9. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:54. Nangataka tamin’ny Tompo ihany koa i Joseph mba “hamindra fo amin’ireo zanak’i Jakoba, ka hanomboka hanavotra an’i Jerosalema hatramin’izao ora izao; ary ny ziogan’ny famatorana hanomboka ho tapatapaka hiala amin’ny tranon’i Davida; ary ireo zanak’i Joda hanomboka hiverina amin’ny tany izay nomenao an’i Abrahama rainy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:62–64).

  10. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:68.

  11. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:69. Ny Oxford English Dictionary dia mamaritra ny famindram-po ho “fanalefahan-tsazy sy fangorahana ho an’olona iray izay mahatsapa ho tsy manan-kery” (“mercy,” oed.com). Ny famindram-po, tahaka ny fahasoavana ihany, dia fanehoana ny fitiavana sy ny hatsaram-panahin’ Andriamanitra, ilay hesed-ny. Raha toa ka mifantoka amin’ny fanalefahan-tsazy izay mendrika antsika ny famindram-po dia mazàna ny fahasoavana no entina ilazana ny fanomezan’ Andriamanitra fitahiana izay tsy mendrika ho antsika ary tsy misy fijerena fahamendrehana.

  12. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:7.

  13. Tao anatin’ny fanehoana famindram-po manokana dia nilazana i Joseph sy Oliver hoe: “Indro, voavela ny fahotanareo; madio ianareo eo anoloako; koa andrandrao ny lohanareo ary mifalia” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:5).

  14. Russell M. Nelson, “Mifalia amin’ny fanomezampahasoavan’ny fanalahidin’ny fisoronana,” 119, Hoy ny Filoha Nelson: “Manasa anareo aho hisaintsaina ny dikan’ny fampanantenan’ny Tompo ho anareo manokana.”

  15. Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Tabernakely”: “Ny Masina indrindra dia nahitana fanaka iray ihany: ilay Fiaran’ny Fanekena. … Teo ambonin’ilay fiara sy nandrafitra ny sarony no nahitana ilay fitoeran’ny famindram-po. Nampiasaina ho toy ny altara izany niaraka tamin’ilay fiara teo ambany izay nanatanterahana ilay sorompanavotana ambony indrindra fantatry ny Jiosy. Teo amin’izany no nafafy ny ràn’ny fanatitra ho an’ny fahotana nandritra ny andro fanavotana (Lev. 16:14–15). Toerana nanehoana ny voninahitr’ Andriamanitra ilay fitoeran’ny famindram-po” (Ex. 25:22).”

  16. Russell M. Nelson, “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” Liahona, ôkt. 2022, 5. Araka ny nasongadin’ny Filoha Nelson, ny hesed dia tsy manana teny Anglisy mahalaza azy marina, saingy ny dikanteny mahazatra indrindra ao amin’ny Testamenta Taloha dia ny hoe famindram-po. Amin’ireo in-248 ahitana ny teny hoe hesed ao amin’ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’ny Mpanjaka James ao amin’ny Testamenta Taloha dia in-149 no ampiasaina ny hoe famindram-po, in-40 no ampiasaina ny hoe hatsaram-panahy ary in-30 no ampiasaina ny hoe fahalemem-panahy (jereo ny Blue Letter Bible, blueletterbible.org/lexicon/h2617/kjv/wlc/0-1/).

  17. Jereo ny Boky torolalana maneran-tany, 27.2 Mampianatra ny Apôstôly Jaona fa tsy misy mankany amin’ny Ray raha tsy amin’ny alalan’ny Mpamonjy irery ihany (jereo ny Jaona 14:6). Ao amimn’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia nanome ity famariparitana mahafinritra ny fitalahoany famindram-po ho an’ny manodidina antsika ny Mpamonjy:

    “Henoy Ilay mpisolovava eo amin’ny Ray izay miaro ny tombontsoanareo eo anoloany—

    “Manao hoe: Ray ô, indro ny fijaliana sy ny fahafatesan’ Ilay tsy nanota, izay nankasitrahanao tokoa; indro ny ran’ ny Zanakao izay nalatsaka, ny ran’ Ilay nomenao mba hahazoana mankalaza Anao;

    “Noho izany Ray ô, dia tsimbino ireto rahalahiko ireto izay mino ny anarako, mba hahazoany manatona Ahy ary manana ny fiainana maharitra mandrakizay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3–5).

  18. Hoy ny Filoha Jeffrey R. Holland indray mandeha: “Ny zavatra tena tian’ Andriamanitra indrindra mikasika ny maha-Andriamanitra Azy dia ny fahafinaretana tsapany rehefa maneho famindram-po Izy, indrindra amin’ireo izay tsy manantena an’izany ary matetika mahatsapa ho tsy mendrika izany” (“Ireo Mpiasa ao amin’ ny Tanimboaloboka,” Liahona, mey 2012, 33). Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:19: “Ankehitriny, inona no rentsika ao amin’ny filazantsara izay efa noraisintsika? Feon’ny fifaliana! Feon’ny famindram-po avy any an-danitra; ary feon’ny fahamarinana avy ao amin’ny tany; vaovao mahafaly ho an’ny maty; ny feon’ny fifaliana ho an’ny velona sy ny maty; vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe.”

  19. Almà 42:15. Ivon’ny drafitry ny famonjena foana ny famindram-po hatramin’izay. Misy soratra masina telo momba ny fotoana nanompoan’i Kristy izay maneho izany. Nofaranan’i Nefia ny toko voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny hoe: “Nefa indro, izaho Nefia dia haneho aminareo fa ny halehiben’ ny famindram-pon’ ny Tompo dia amin’ ireo rehetra izay efa nofinidiny, noho ny finoany, ka mampahery azy na dia hatrany amin’ ny herin’ ny fanafahana aza” (1 Nefia 1:20).

    Ao amin’ny Eksodosy 34:6, ny Tompo dia manambara ny anarany amin’i Mosesy ho “Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana.” Nisy olona sasany izay nandroso hevitra fa ity andininy ity dia mety noresahin’ireo mpaminan’ny Testamenta taloha mihoatra noho ny andininy hafa ao amin’ny Testamenta Taloha (jereo ohatra, Bible Project, “The most quoted Verse in the Bible,” bibleproject.com/podcast/most-quoted-verse-bible/).

    Ao amin’ny Testamenta Vaovao ao amin’ny bokin’i Lioka, dia mitantara fa i Zakaria dia “moana ka tsy hahay miteny” rehefa niahiahy momba ny fampanantenana nomen’ilay anjely fa i Elizabeta dia hitoe-jaza na dia ao anatin’ny fahanterana aza, izay lasa i Jaona Mpanao Batisa (Lioka 1: 20). Nony farany rehefa afaka niteny ihany i Zakaria dia “feno ny Fanahy Masina” izy ary tao anatin’ny fanambarana am-pahibemaso voalohany fa ho avy ihany ilay Mesia dia “naminany” izy fa ny Tompo dia ho avy “[hanefa] famindram-po amin’ny razantsika, sady mahatsiaro ny fanekeny masina, dia ny fianianana izay nianianany tamin’i Abrahama razantsika” (Lioka 1:67, 72–73; nampiana fanamafisana).

  20. Gospel Topics Essays, “First Vision Accounts,” Médiathèque de l’Évangile, jereo indrindra indrindra ny fitantarana tamin’ny 1832.

  21. Joseph Smith—Tantara 1:29. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:5–6 dia manome famariparitana hafa momba ny anjara asan’ny fibebahana ao anatin’ireo fahitana roa mahery vaika ireo. Nilaza i Joseph fa “tsy tokony hisy hihevitra ahy ho meloka amin’ny fahotana lehibe,’ saingy “dia nahatsiaro tena ho meloka aho matetika noho ny fahaleme[ny] sy ny tsy fahatanteraha[ny]” ka nila famelan-keloka (Joseph Smith—Tantara 1:28, 29).

  22. Jereo ny Enôsa 1:1–8.

  23. Almà 22:18. Ny vavaka nataon’i Almà hoe: “Ry Jesoa ô, Ianao Ilay Zanak’ Andriamanitra, mamindra fo amiko,” dia mitondra amin’ny fahazavana sy fanamaivanana ny fanaintainana mitobaka (jereo ny Almà 36:17–20). Hoy ny Filoha Jeffrey R. Holland indray mandeha momba ny fitalahoan’i Almà: “Angamba ny vavaka toy izany, na dia fohy aza dia ilay vavaka manan-danja indrindra izay azo tononina ao anatina tontolo lavo. Na inona na inona vavaka hafa ataontsika, na inona na inona filàna hafa ananantsika, dia toa miverina amin’izany fitalahoana izany avokoa izy rehetra hoe: ’Ry Jesoa ô, Ianao Ilay Zanak’ Andriamanitra, mamindra fo amiko’” (Our Day Star Rising: Exploring the New Testament with Jeffrey R. Holland [2022], 170–71).

  24. Nampianatra tamin’ny fomba kanto ny Loholona Kyle S. McKay hoe: “Ny fiainan’i Joseph izay nahitana fibebahana tsy tapaka dia manome ahy fahatokian-tena -hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoa[ko] famindram-po-” (“Ilay lehilahy izay nandre an’i Jehovah,” Liahona, nôv. 2024, 61).

  25. Môrônia 10:3

  26. Ny fitalahoan’i Môrônia dia toha-teny amin’ny teny nambaran’i Nefia tao amin’ny fiandohan’ny Bokin’i Môrmôna ka nanambarany ny tanjony manokana tamin’ny fanoratana teo amin’ireo takelaka: “Nefa indro, izaho Nefia dia haneho aminareo fa ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo dia amin’ ireo rehetra izay efa nofinidiny, noho ny finoany, ka mampahery azy na dia hatrany amin’ny herin’ny fanafahana aza” (1 Nefia 1:20).

  27. Môrônia 10:4

  28. Jereo ny Môrmôna 9:13.

  29. Almà 40:23: “Ny fanahy dia haverina amin’ny vatana ary ny vatana amin’ny fanahy; eny, ary ny ratsam-batana tsirairay sy ny vaniny dia haverina amin’ny vatany; eny, na dia singam-bolo iray amin’ny loha aza dia tsy ho very; fa haverina amin’ny endriny tsirairay avy sy tomombana ny zava-drehetra.”

  30. Almà 34:16. Rehefa mandinika ny famindram-pon’ny Tompo isika dia mety alaim-panahy hanasaraka ny famindram-po amin’ny fahamarinana, hieritreritra fa ny famindram-po feno fitiavan’ny Raintsika any An-danitra fotsiny ihany dia afaka handresy ny fahamarinana. Saingy araka ny nampianarin’i Almà hoe: “ny drafitry ny famindram-po dia tsy ho azo notanterahina raha tsy natao ny sorompanavotana; noho izany dia Izy Andriamanitra tenany no manonitra ho an’ny fahotan’izao tontolo izao mba hahatanteraka ny drafitry ny famindram-po, mba hanefa ny fitakian’ny fahamarinana ka hahatonga an’ Andriamanitra ho Andriamanitra marina, fanaperana, ary ho Andriamanitra feno famindram-po koa” (Almà 42:15; nampiana fanamafisana).

    Ny fitiavana feno famindram-po rehetra ananan’ny Mpamonjy ho antsika dia tsy afaka ny hamonjy antsika. Ny fiatrehany ilay fitakiana tena misy sy nanaintaina an’ny fahamarinana kosa no mamonjy antsika. Mazava ho azy fa tsy mampihena ny maha-zava-dehibe ny fitiavany velively izany. Azo antoka fa ny fitiavany antsika, sy ny faniriany hanao ny sitrapon’ny Ray izay tia antsika ihany koa, no nahatonga Azy ho vonona hijaly (jereo ny Jaona 3:16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:3). Saingy tsy mahomby irery ny fitiavana.

    Indraindray isika mety mifantoka be loatra amin’ny fitiavany ho antsika araka ny maha-izy azy antsika ka lasa manadino fa ny maha-izy azy antsika, lehilahy sy vehivavy araka ny nofo izay manana toetra tsy tody amin’ny fiainana ireo didy, dia mitaky ny hahafa-po ny fahamarinana. Raha tsy mahatakatra sy mijery ny fitiavany ho ilay zavatra manafoana ny fitakian’ny fahamarinana isika dia manena ny fanomezam-pahasoavan’ny sorona fanavotany sy ny fijaliana nozakainy mba hanefana ilay sarany mahatsiravin’ny fahamarinana. Mety hahatsikaiky sy hahakivy raha toa ka raisina ho tsy filàna ny sorona fanavotana nataony ny fitiavany antsika. Tsaratsara kokoa raha jerena tanteraka ny fitakiana fenon’ny fahamarinana ary avy eo maneho fankasitrahana fa ampy ny fitiavany antsika ka nozakainy teo amin’ny toerantsika ireo fitakiana tena misy ireo.

  31. Almà 7:11–12.

  32. Môzià 3:11.

  33. 2 Nefia 2:25.

  34. Môsià 14:5.

  35. Môrônia 10:4.

  36. Môrônia 10:3.

  37. Namporisika antsika ny Filoha M. Russell Ballard mba “hijoro ho vavolombelona momba ireo zavatra izay fantatrao sy inoanao ary izay tsapanao” (“Tsarovy izay zavatra manan-danja indrindra,” Liahona, mey 2023, 107).

  38. Raha manolotra ity soso-kevitra ity aho dia tsy fikasako ny hanolotra “lamina voarindra” ho solon’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna na ny filazantsara. Araka ny nampianarin’ny Loholona David A. Bednar dia mety ho tonga tahaka “ny jiro arehitra ao amin’ny efitra maizina iray” ny fanambarana ka dia voaray amin’ny “fomba haingana sy feno ary indray mandeha miaraka” izany. Mety ho tonga tahaka “ny fitomboan’ny fahazavana tsikelikely mipariaka avy amin’ny masoandro miposaka, … andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika koa izany (2 Nefia 28:30). … Ny fifandraisana tahaka izany avy amin’ny Ray any an-danitra dia ‘hitsika’ tsikelikely sy tsimoramora ‘amin’ny fanahin[tsika] toy ny ando avy any an-danitra’ [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45]. Io lamin’ny fanambarana io dia toa lasa tsy mateti-pitranga” (“Ny fanahin’ny fanambarana,” Liahona, mey 2011, 88).