Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Aza manamafy ny fonareo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2025


11:6

Aza manamafy ny fonareo

Raha mibebaka marina isika, manetry tena, ary matoky sy miantehitra amin’ny Tompo, dia halefahina ny fontsika.

Nanomboka ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy rehefa niseho tamin’i Joseph Smith zatovo Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanaka malalany, ho valin’ny vavaka nataony tamim-panetrentena. Tao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny, i Joseph Smith dia nandika ny Bokin’i Môrmôna izay rakitsoratra fahiny tamin’ny alalan’ny fanomezana sy ny herin’ Andriamanitra. Io rakitsoratra io dia mirakitra “ny fifandraisan’ Andriamanitra tamin’ny mponina fahiny tany Amerika ary mitahiry ny fahafenoan’ny filazantsara maharitra mandrakizay.”

Fony aho zazalahy kely, rehefa namaky ny Bokin’i Môrmôna aho, dia nanontany tena matetika hoe nahoana ary i Lamàna sy i Lemoela no tsy nino ireo fahamarinana nomena azy ireo, na dia efa nisy anjelin’ny Tompo niseho sy niresaka tamin’izy ireo mivantana aza. Nahoana i Lamàna sy i Lemoela no tsy mba afaka nanetry tena kokoa sy nankatò ny fampianaran’i Lehia rain’izy ireo sy i Nefia zandrin’izy ireo lahy?

Hitako ao amin’ny 1 Nefia ny iray amin’ireo valin’io fanontaniana io, izay milaza fa “nalahelo [i Nefia] noho ny hamafin’ny fony.” Nanontany ireo zokiny lahy i Nefia hoe: “Nahoana no dia mafy fatratra ny ao am-ponareo ary jamba izaitsizy ny ao an-tsainareo?”

Inona no dikan’ny hoe hamafin’ny fo?

Ny dikanteny Kôreana ho an’ny hoe “hamafiny” ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia hoe 완악 (Wan-Aak: 頑惡). Io andian-teny io dia mampiasa ny litera Sinoa “Wan” (頑), izay midika hoe “mafy hatoka,” sy ny “Aak” (惡), izay midika hoe “ratsy fanahy.” Rehefa manamafy ny fontsika isika dia hajambaina, ary tsy misy zavatra tsara afaka ny ho tonga ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika. Lasa mafy hatoka isika ary manomboka mifantoka kokoa amin’ireo faniriana araka izao tontolo izao, ka manakatona ny fontsika amin’ireo zavatra araka an’ Andriamanitra. Misafidy ny hifantoka amin’ny eritreritsika irery ihany isika sady tsy manaiky ny hevitra sy ny fitarihan’ny hafa. Misafidy ny tsy hanokatra ny fontsika amin’ireo zavatra araka an’ Andriamanitra isika fa manaiky kosa ny fitaoman’ireo zavatra araka izao tontolo izao sy ilay fahavalo. Rehefa lasa mafy ny fontsika dia manohitra ny fitaoman’ny Fanahy Masina isika. “Mitaredretra … amin’ny fahatsiarovana ny Tompo” isika ary rehefa mandeha ny fotoana dia “donto” isika ka tsy mahatsapa ny teniny.

Nampianatra ny vahoakan’i Amônihà i Almà fa ny olona sasany dia “nandà ny Fanahin’ Andriamanitra noho ny hamafin’ny fony.” Nampianatra koa izy fa “ireo izay manamafy ny fony dia ireo no omena ny ampahany kely indrindra amin’ny teny mandra-pahatonga azy ireo tsy hahafantatra na inona na inona ny amin’ny misteriny.” Amin’ny farany dia misintaka ny Fanahy, ary ny Tompo dia “[hanatsoaka] hiala aminy ny teni[ny]” amin’ireo izay nanamafy ny fony, tahaka an’i Lamàna sy i Lemoela mihitsy. Noho i Lamàna sy i Lemoela nanamafy hatrany ny fony, nanohitra ny fahatsapana ny Fanahy Masina, ary nisafidy ny tsy handray ireo teny sy fampianaran’ny rainy sy i Nefia, dia nolavin’izy ireo ireo fahamarinana mandrakizay avy amin’ Andriamanitra nony farany.

Mifanohitra amin’i Lamàna sy i Lemoela, i Nefia dia nanohy nanetry tena hatrany, nikatsaka ny fitarihana avy amin’ny Fanahin’ny Tompo. Ho valin’izany dia nanalefaka ny fon’i Nefia ny Tompo. Nozarain’i Nefia fa “nitalaho tamin’ny Tompo [izy]; ary indro Izy tonga namangy ahy sy nampahalefaka ny foko hany ka nino ny teny rehetra izay efa nolazain-draiko aho.” Nanampy an’i Nefia ny Tompo mba hanaiky, hahatakatra, ary hino ny misterin’ Andriamanitra sy ny teniny rehetra. Afaka nanana ny Fanahy Masina ho namany lalandava i Nefia.

Inona no azontsika atao mba tsy hanamafy ny fontsika?

Voalohany, afaka mampihatra ny fibebahana isan’andro isika.

Nampianatra ny Mpamonjintsika hoe: “Koa na zovy na zovy no mibebaka sy mankaty Amiko toy ny ankizy madinika, dia izy no horaisiko.” Nampianatra ny mpaminany malalantsika, Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Ny fibebahana no fanalahidin’ny fivoarana. Ny finoana madio dia mampandroso antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

“Miangavy aho mba tsy hatahotra na hanemotra ny fibebahana. I Satana dia miravoravo amin’ny fahorianao. … Atombohy anio ny fiainana ny fifaliana amin’ny fialana amin’ny maha-olona araka ny nofo. Tia antsika foana ny Mpamonjy fa indrindra rehefa mibebaka isika.”

Rehefa mahatsapa ny fifaliana avy amin’ny fanalefahana ny fontsika sy ny fanatonana ny Tompo isika, dia tonga “tahaka ny ankizy, mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ny zava-drehetra izay hitan’ny Tompo fa mety ampitondraina azy, dia tahaka ny zaza manoa an-drainy.”

Faharoa, afaka mampihatra ny fanetrentena isika.

Hitondra fanetrentena ao am-pontsika ny fibebahana isan’andro. Te ho lasa manetry tena eo anatrehan’ny Tompo isika, tahaka ny ankizy kely mankatò ny rain’izy ireo. Dia hanana ny Fanahy Masina miaraka amintsika foana isika avy eo, ary ho malefaka ny fontsika.

Izaho sy i Sue vadiko dia nahafantatra mpivady mahafinaritra iray tao anatin’ny efatra taona izay. Tamin’ny fotoana nihaonanay voalohany tamin’izy ireo dia mpikambana vaovao tato amin’ny Fiangonana ilay lehilahy, ary nihaona tamin’ny misiônera mba hianatra ny filazantsara ny vadiny. Misiônera maro no nihaona taminy mba hanampy azy hanatona an’i Kristy. Tsapanay fa nanana fijoroana ho vavolombelona feno hafanam-po momba ny filazantsara izy ary nahafantatra fa marina ny Fiangonana. Nahatsapa matetika ny Fanahy izy nandritra ny fitsidihanay ary nandray anjara mavitrika tamin’ireo fihaonana rehetra. Tiany ny nifanerasera tamin’ireo mpikambana mahafinaritra ao amin’ny paroasy. Na izany aza, dia sarotra ho azy ny nanolo-tena hiroboka tao amin’ny ranon’ny batisa. Indray andro izy dia namaky ny Môrônia 7:43–44, izay mivaky toy izao:

“Ary koa, indro lazaiko aminareo fa tsy afaka ny hanana finoana sy fanantenana izy raha tsy malemy fanahy sy mietry am-po.

Raha tsy izany dia foana ny finoan[ao] sy ny fanantenan[ao], fa tsy misy azo ekena eo anoloan’ Andriamanitra afa-tsy ny malemy fanahy sy ny mietry am-po.”

Rehefa avy namaky ireo andininy ireo izy dia fantany ny zavatra nilainy natao. Nihevitra izy fa takany ny dikan’ny hoe malemy fanahy sy manetry tena. Kanefa tsy ampy tsara ny fahatakarany mba hanana finoana sy fanantenana hankatò ny didin’ Andriamanitra. Nila nisafidy ny tsy ho mafy hatoka sy tsy hiantehitra tamin’ny fahendren’ny tenany manokana izy. Nanomboka nanetry tena tamin’ny alalan’ny fibebahana marina izy. Nanomboka takany tamin’ny fomba fijerin’ Andriamanitra ny fanetrentena. Niantehitra tamin’ny Ray any An-danitra izy ary nivavaka mba hampalefaka ny fony. Tsapany tamin’ny alalan’ireo vavaka ireo ny Fanahy nijoro ho vavolombelona taminy fa tian’ny Ray any An-danitra hatao batisa izy.

Samy nizara izy mivady fa arakaraka ny fitombon’ny fanetrentenan’izy ireo no nitomboan’ny fahafahany nahatakatra ny tenin’ Andriamanitra, ary noalefahina mba hanaraka ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompontsika ny fon’izy ireo.

Fahatelo, afaka matoky sy miantehitra amin’ny Mpamonjintsika isika.

Ohatra lehibe amin’ny famelana ny fony nalefahina tamin’ny alalan’ny fatokiana ny Tompo i Nefia. Izao no nampianariny: “Efa natoky Anao aho ary mbola hatoky Anao mandrakizay. Tsy hapetrako amin’ny sandry nofo ny fitokiako.” Mitovy amin’izany ihany, tao anatin’ny fanambarana iray nomena ny Mpaminany Joseph Smith, dia niteny ny Tompo hoe: “Apetraho amin’ilay Fanahy izay mitarika hanao ny tsara ny fitokianao—eny hanao araka ny hitsiny, handeha amim-panetren-tena.” Rehefa mametraka ny fitokiantsika amin’ny Tompo sy miantehitra Aminy isika dia hanalefaka ny fontsika Izy, ary hotohanana isika amin’ny fizahan-toetra antsika sy ny fahasahiranantsika ary ny fahoriantsika.

Raha mibebaka marina isika, manetry tena, ary matoky sy miantehitra amin’ny Tompo, dia halefahina ny fontsika. Dia hampidina ny Fanahiny Izy avy eo ary haneho amintsika ny misterin’ny lanitra. Hino ny teny rehetra izay nampianariny isika, ary hitombo ny fahatakarantsika.

Ny Mpamonjintsika Jesoa Kristy no ohatra lehibe indrindra amin’ny fahalemem-panahy. Vakintsika ao amin’ny 2 Nefia 31:7 ny hoe: “Nefa na dia masina aza Izy dia asehony ny zanak’olombelona araka ny maha-nofo, fa manetry ny tenany eo anoloan’ny Ray Izy ary mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray, fa hankatò Azy amin’ny fitandremana ny didiny.” Na dia masina sy tonga lafatra aza Izy, dia nanetry tena teo anatrehan’ny Ray ary nankatò Azy ka natao batisa.

Tamin’ny fiafaran’ny fiainany teto an-tany dia nampanoa ny sitrapony tamin’ny an’ny Rainy Izy tamin’ny alalan’ny fisotroany ilay kapoaka mangidy. Io fijaliana io dia nahatonga Azy “hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-drà amin’ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy.” Nangataka ny Mpamonjy ny mba “tsy hisotroa[ny] ilay kapoaka mangidy sy hitakemotra.” “Kanefa,” hoy Izy, “voninahitra anie ho an’ny Ray, ary nosotroi[ny] izany ary novitai[ny] izay efa nomani[ny] ho an’ny zanak’olombelona.”

Rahalahy sy anabavy, nomena ny safidim-pitondrantena isika. Afaka misafidy ny hanamafy ny fontsika isika, na afaka misafidy ny hanalefaka ny fontsika. Eo amin’ny fiainantsika isan’andro dia afaka misafidy ny hanao ireo zavatra izay manasa ny Fanahin’ny Tompo ho tonga sy hitoetra ao am-pontsika isika. Fantatro fa misy fiadanana sy fifaliana ao amin’ireo safidy ireo.

Andeha isika hanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika izay nanaraka ny sitrapon’ny Ray. Rehefa manao izany isika dia nampanantena antsika ny Tompo hoe: “Fa indro, hanangona azy ireo Aho toy ny reniakoho manangona ny zanany ao ambany elany, raha tsy hamafisiny ny fony.” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.