Ny fiantrana—Famantarana iray ny maha tena mpianatry ny Tompo
Ny tena tanjon’ny maha mpianatra dia ny ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy ara-bakiteny.
Nanasa antsika vao tsy ela ny Filoha Russell M. Nelson mba “hanao laharam-pahamehana ambony indrindra ny maha-mpianatry ny Tompo antsika.” Nanitikitika ahy izany fanasana mahery vaika izany ka nahatonga ahy hisaintsaina lalina kokoa momba ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy ahy manokana.
Finiavana ilay maha mpianatra
Ny atao hoe mpianatra dia mpanaradia na mpandray fampianarana avy amin’ny olona iray hafa. Ny mpianatra dia “mpiofana” izay manokana ny fiainany mba ho lasa toy ilay mpampianany. Noho izany, ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy dia mifono zavatra hafa ankoatra ny hoe mino ny fampianarany sy ny fotopampianarany. Mbola midika mihoatra noho ny hoe manaiky ny maha Andriamanitra Azy sy manaiky Azy ho ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika mihitsy aza izany, na dia zavatra tena manan-danja tokoa aza izany.
Nanazava ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Tsy zavatra ataotao fahatany na tsindraindray ny fanarahana an’i Kristy. Fanolorantena tsy tapaka sy fomba fiaina izay tokony hitarika antsika amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra izany.” Dia ataontsika am-piniavana izay hampiova antsika amin’ny alalan’ny sorona fanavotana nataon’ny Tompo sy ny heriny ahafahana mahavita zavatra ny maha mpianatra. Ny tena tanjon’ny maha mpianatra dia ny ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy ara-bakiteny, izay tonga hatramin’ny hoe “[m]isoritra eo amin’ny tarehin[tsika ny endriny].”
Mba ho lasa mpianatry ny Tompo dia tsy maintsy maka tahaka an-tsitrapo ny eritreriny sy ny zavatra ataony isan’andro isika, ohatra amin’izany ny fankatoavana, sy ny fanetrentena, ary ny faharetana. Rehefa mampiditra tsikelikely ireo toetra ireo ao amin’ny toetra mamaritra antsika isika dia lasa “mpiray amin’ny fomba[ny masina].” Izany fakana tahaka ny toetran’ny Mpamonjy izany no ivon’ny fitsaohana Azy. Araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson hoe: “Ny porofo tsara indrindran’ny fitsaohantsika an’i Jesoa dia ny fakantsika tahaka Azy.”
Ny famantarana ny maha tena mpianatry ny Tompo
Raha ny amin’ireo toetra masina rehetra ananan’i Jesoa Kristy izay tokony halaintsika tahaka, dia anankiray no miavaka indrindra ary mahafaoka ny hafa rehetra. Izany toetra izany dia ny fitiavany madio, na ny fiantrana. Na i Môrmôna mpaminany na i Paoly Apôstôly dia samy mampahatsiahy antsika fa raha tsy misy ny fiantrana dia “tsinontsinona [isika].” Na, araka ny nambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith hoe raha tsy manana ny “fiantrana ianareo dia tsy afaka manao na inona na inona.”
Ny Mpamonjy mihitsy no namaritra ny fitiavana ho marika na famantarana iray izay hahalalana ny tena mpianany raha nilaza Izy hoe:
“Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.
“Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.”
Ny fiantrana dia foto-kevitra midadasika izay mety ho sarotra faritana kanefa mora tsapan’ireo izay voakasik’izany. Ny Torio ny Filazantsarako dia mampianatra fa ny “fiantrana, tahaka ny finoana, dia mitarika any amin’ny fanaovana asa.” Eny tokoa, azo fariparitana ho “fanehoam-pitiavana amin’ny alalan’ny asa” ny fiantrana. Izany famariparitana izany dia manolotra fahatakarana lehibe an’ilay fehezanteny famintinana ny fiainan’ny Mpamonjy manao hoe: “Nandehandeha nanao soa” Izy.
Amin’ny maha mpanaradia an’i Jesoa Kristy antsika dia tokony hikatsaka isika ny haka tahaka ny fomba nanehoan’ilay Tompontsika ny fitiavany madio ho an’ny hafa. Na dia mampiseho ny fitiavany amin’ny fomba maro aza ny Mpamonjy, dia tiako ny hanamarika zavatra telo manokana izay nisehoan’ny fiantrany ka tokony ho hita avy hatrany ao amin’ireo tena mpianany.
Ny fiantrana dia fanehoana fangorahana
Voalohany, naneho fiantrana ny Mpamonjy rehefa nangoraka ny hafa. Nandritra ny asa fanompoany teo anivon’ny Nefita araka ny voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia nanasa ny olona mba hody any an-tranony sy hisaintsaina ireo zavatra nampianariny ny Tompo ary hiomana ho amin’ny fiverenany amin’ny andro manaraka. Milaza ilay rakitsoratra hoe:
“Nahatazana azy tao amin’ny ranomaso [izy ireo] ary ny fijeriny dia nifantoka Taminy miova tsy ny te hangataka Azy mba hijanona maharitraritra miaraka aminy.”
“Ary hoy Izy taminy: Indro, ny kiboko dia feno fangorahana aminareo.”
Ny fangorahana no ampahany ao amin’ny fiantrana izay mikatsaka ny hanamaivana ireo fijaliana. Heniky ny fangorahana ny Tompo ka nanasitrana ny marary sy ireo ory teo anivon’ny vahoaka. Taorian’izay dia nitsodrano ny zanak’izy ireo Izy ary nidina avy any an-danitra ny anjely nanodidina azy ireo. Nataony ireo asa feno hatsaram-panahy sy fitiavana ireo, ary ny maro hafa koa, satria “nahonena Azy” izy ireo.
Nandritra ny naha-misiônera tanora ahy tany Amerika Atsimo dia nahazo tombontsoa toy izany koa aho noho ny fangorahana nasehon’ny namana malala iray. Indray hariva raha nitondra fiara niaraka tamin’ny mpiara-manompo tamiko hankany amin’ny filohan’ny misiônanay aho dia nihodina tampoka teo anoloan’ny fiarako ny zazalahy nitaingina bisikileta iray. Haingana loatra no nitrangan’izany ka tsy afaka nisoroka ny fifandonanay aho. Nampalahelo fa matin’ilay fifandonana io zatovolahy io. Nalahelo izaitsizy aho noho ny namoizana ny ainy. Tao anatin’ny fihorohoroana sy fahatairana tanteraka noho ny zava-misy mahatsiravina izay nitontona teo amiko no nitondrana ahy tany am-ponja sy nanagadrana ahy. Tsy mbola nahatsapa ho natahotra sy irery nihoatra noho ny tamin’izay aho. Feno hakiviana sy tahotra tato amiko fa hogadraina mandrapahafatiko aho.
Nahare ilay loza ny misiônera namana iray, i Elder Brian Kochevar, ka onena ahy izy. Nankany amin’ilay fonja izy ary niangavy ny tompon’andraikitra ny hamelana azy hijanona hiaraka amiko ao amin’ilay fonja mba tsy ho irery aho. Tena mahagaga fa nanaiky izy ireo. Hatramin’izao dia fankasitrahana lalina no tsapako eo anatrehan’io fihetsiky ny mpianatry ny Tompo feno fitiavana tahaka ny an’i Kristy io, izay nampitony sy nankahery ary nampionona ahy nandritra ny fotoam-pahoriana goavana indrindra teo amin’ny fiainako. Famantarana manondro ny maha mpianatry ny Tompo azy izany fangorahana feno fiantrana izany. Araka ny voalazan’ny Filoha Nelson hoe: “Ny iray amin’ireo fomba mora indrindra hamantarana ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy dia ny fangorahana asehony eo amin’ny fitondrany ny olona hafa.”
Ny fiantrana dia fanompoana manoloana ireo filana tsy voambara mivantana
Ohatra iray hafa amin’ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy ny fitiavany dia tamin’ny alalan’ny fandinihana ny filan’ny hafa izay tsy nambara mivantana ary ny fanompoany eo anatrehan’izy ireny. Ho an’ilay lehilahy nalemy nandritra ny 38 taona izay tsy nanana na iza na iza nanampy azy, dia nositranin’ny Tompo izy ary namporisihany mba hiaina amim-pahamarinana . Ho an’ilay vehivavy tratra nijangajanga, dia nanolotra fanantenana sy fampiononana Izy fa tsy fanamelohana. Ho an’ilay lehilahy mararin’ny paralysisa izay nahidina avy tamin’ny tafo, dia nanolotra famelana ny fahotana ny Tompo fa tsy fanasitranana ny vatana fotsiny ihany.
Rehefa nantsoina ho eveka aho dia lasa nanahirana ho an’i Cristin vadiko ireo fivoriana fanasan’ny Tompo satria voatery niambina irery ny zanakay enina mbola kely izy noho izaho lasa mipetraka eny aloha. Mety ho azonareo an-tsaina fa matetika ireo zanakay no pelika sy mitabataba. Rehefa nahatsikaritra ny manjo azy ny mpikambana roa tao amin’ny paroasinay, i John sy i Debbie Benich, dia nanomboka nipetraka teo akaikiny mba hanampy isaky ny alahady. Nitohy nandritra ny taona maro ny hatsaram-panahin’izy ireo ary dia lasa ray aman-drenibe mpitaizan’ny fianakavianay izy ireo. Ireo mpianatry ny Tompo ireo, tahaka Azy, dia nahatsikaritra ilay filana tsy voambara mivantana ka dia naneho fihetsika feno fitiavana, famantarana iray ny maha mpianatra azy ireo.
Ny fiantrana dia ny fanampiana ny hafa eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana
Ary farany, ny fitiavana tonga lafatry ny Mpamonjy dia nifantoka tamin’ny fanomezana fahafahana antsika rehetra mba hahazo fahombiazana feno amin’ny maha zanak’ Andriamanitra antsika mba hahazoantsika “[mandray] anjara amin’ny famonjeny sy ny herin’ny fanavotany.” Rehefa lasa kokoa tahaka ny Tompontsika isika dia hitombo ho azy ny faniriantsika hanampy ny rahalahy sy anabavintsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.
Ohatra, afaka mankahery sy maka namana ireo izay mahatsapa ho tafintohina na nohadinoina isika, manampy ireo mpiangona izay vaovao mba hahatsiaro ho voaray tsara, na manasa namana hiara-hitsaoka amintsika mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo, mety hoe amin’ity Paska ho avy ity mihitsy. Tsy tambo isaina ireo fomba hankaherezana sy hanampiana ny hafa amin’ny fivoarany raha toa isika ka mikatsaka amin-kitsim-po ombam-bavaka ny fanampian’ny lanitra mba hanana maso hahita sy fo mahatsapa izay hitan’i Jesoa Kristy sy tsapany ho azy ireo.
Mety hiseho amin’ny endrika asa fanompoana tsy mahazatra ny fanampiana ny hafa eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanany. Ohatra iray amin’izany, nandritra ny andraikitra sahaniko ankehitriny ao Philippines dia henoko ny momba ny fianakaviana Agamata. Vita batisa tamin’ny 2023 izy ireo ary avy eo dia tamim-pahavitrihana tokoa izy ireo no nametraka daty mba hamehezana ny fianakaviany ao amin’ny tempolin’i Urdaneta Philippines izay tsy lavitra azy ireo. Talohan’ilay fotoana voafaritra ho an’ilay fianakaviana anefa dia nisy rivo-doza maro nisesy namely ilay faritra. Mpamboly vary Rahalahy Agamata, koa dia tsy afaka namboly ny masomboliny izy nandritra ireo rivo-mahery nahery vaika. Rehefa nijanona amin’izay ny rivo-doza, dia nila namboly haingana ny vary izy raha mbola lenan’ny rano ny tany, fepetra tena mety ho an’ny fambolena. Mampalahelo anefa fa tsy maintsy hahemotra ny dia mankany amin’ny tempoly.
Nahare ny fahasahiranan-dry Agamata ny mpianatry ny Tompo anankiroa, Elder sy Soeur Cauilan, ary koa ny tanora misiônera roa misahana asa fanompoana, ka dia nanolotra ny hanampy izy ireo na dia tsy nanana traikefa tamin’ny fambolena aza. Niasa teo ambanin’ny masoandro midanika izy ireo, nanampy hamboly ireo masomboly, ka namela an-dry Agamata hamita ny asan’izy ireo sy hamonjy ny famehezana any amin’ny tempoly araka ny voalahatra. Nanome fanamarihana i Elder Cauilan fa “nanjelatra ny tarehin-dry [Agamata] rehefa hitanay niakanjo fotsy tao amin’ny tranon’ny Tompo izy ireo. Fifaliana tsy hay ampitahaina no fifaliana tsapanay tamin’ny fanompoana azy ireo!”
Amin’izao ry Agamata dia mianoka ny fitahiana sesehen’ny hoe voafehy ho fianakaviana mandrakizay satria nisy mpianatry ny Tompo vitsivitsy tahaka azy ireo heniky ny fiantrana, izay famantarana iray ny maha mpianatra azy ireo, nanapa-kevitra ny hanampy ny rahalahiny sy ny anabaviny handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanany.
Ry rahalahy sy anabavy, ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy ihany no hany fomba hahazoana fahasambarana maharitra. Lalana iray feno fanehoam-pitiavana amin-kitsimpo sy amim-piniavana ny hafa izany. Na dia mety ho sarotra sy manahirana aza ny lalan’ny maha mpianatry ny Tompo, ary na dia mety hitolona aza isika indraindray ary tsy hahomby, dia afaka mahazo toky isika fa fantatr’ Andriamanitra ny momba antsika ary maniry mafy ny hanampy antsika Izy isaky ny miezaka isika. Nampahatsiahy antsika Isaia fa “[Andriamanitra] no mitantana ny tanan[tsika], dia ilay manao amin[tsika] hoe … , Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.”
Miaraka amin’izany fanomezan-toky avy amin’ny Raintsika any An-danitra izany ao an-tsaina, dia mivavaka amin’ny foko manontolo aho ny mba hanarahantsika ny fanasan’ny Filoha Nelson mba hanao ho laharam-pahamehana ny maha mpianatry ny Tompo antsika. Enga anie isika “hivava[ka] amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo” mba “hahazoana mameno an[tsika] amin’izany fitiavana izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy Zanany; … ka rehefa hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika” satria hitondra famantarana ny maha mpianatra marin’i Jesoa Kristy isika, dia ny “fiantrana … ny fitiavana madion’i Kristy.”
Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy, Mpanavotra, Ohatra, ary Namana ho antsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.