Eo ambany masontsika mihitsy
Mitombo isa ireo mpikambana sy fianakaviana, misiôna sy misiônera, trano fivavahana sy tempoly ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
Rahalahy sy ranabavy, tena feno fankasitrahana aho miaraka aminareo. Tianay ianareo, feno fankasitrahana izahay noho ianareo ary mahatsapa ho voatahy izahay noho ny vavaka ataonareo.
Hoy ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny fihaonambentsika farany teo hoe: “Hitanareo ve ny zavatra mitranga izay eo ambany masontsika mihitsy? Mivavaka aho mba ho tsikaritsika ny maha-be voninahitra izao fotoana izao! Tena manafaingana ny asany tokoa ny Tompo.”
Manafaingana ny asany. Teny iray manan-danja ilay hoe “manafaingana.” Midika fandehanana haingana izany, mampitombo ny hafainganam-pandeha ary amin’ny hamehana mihitsy aza. Amin’ny fitomboan’ny Fiangonana sy ny drafitr’i Kristy dia efa mitranga ny fanafainganana. Ary ao anatin’izany avokoa isika rehetra.
Tamin’ny aprily 1834, tao Kirtland, Ohio, dia nampivory ireo rehetra izay nihazona ny fisoronana tao amin’ny tranon-tsekoly kely iray tokony teo amin’ny 4,3 metatra tora-droa teo ny mpaminany Joseph Smith. Am-polony maro amin’izany tranon-tsekoly izany no tafiditra ato amin’ity Ivontoeran’ny Fihaonambe ity, ary mbola hisy toerana malalaka. Nilaza i Joseph Smith hoe: “Olona vitsy kely ao amin’ny fisoronana fotsiny no tazanareo eto anio hariva, kanefa ity Fiangonana ity dia hanenika an’i Amerika Avaratra sy Atsimo—hameno an’izao tontolo izao izy ity.”
Tanteraka “eo ambany masontsika mihitsy” izany faminaniana izany. Mitombo isa ireo mpikambana sy fianakaviana, misiôna sy misiônera, trano fivoriana sy tempoly, ny fisoratana anarana amin’ireo seminera sy institiota ary oniversite antsika manerana an’izao tontolo izao ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
Feno fankasitrahana isika miaina eto an-tany amin’izao fotoana itomboan’ny Fiangonana sy ananany hery mitaona bebe kokoa hatrany izao, indrindra fa eo amin’ny fo sy ny fiainan’ireo mpikambana ao anatiny. Mpianatr’i Jesoa Kristy no ahafantarana antsika. Mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba Azy, sy ny Fiangonany, sy ny fombany ary ny lalan’ny fanekempihavanany isika. Vahoakany isika ary Izy no Mpamonjy antsika.
Talanjona aho amin’ilay antsoin’ny Filoha Nelson hoe “ny maha-be voninahitra izao fotoana izao” ary maneho fankasitrahana lalina ny Tompo aho noho ny asany. Mamporisika antsika aho mba hijoro amin’ny maha-mpianany antsika, vavolombelona manatri-maso ny fahatanterahan’ny faminaniana, na ny fahiny na ny maoderina.
Misy ireo mpitsikera mihiaka hoe “Indro, aty sy Indro, ary!” tahaka ny nataon’izy ireo tamin’ny andron’ny mpaminany Joseph Smith. Fanamarihana ambany pejy fotsiny anefa izy ireo ato anatin’ity asa mendri-kaja ity ary ho izany hatrany. Tsarovy ny tenin’ny mpaminany Joseph Smith manao hoe: “Tsy hisy tanan’ny ratsy fanahy afaka hanakana ny fandrosoan’ity asa ity. Handrovitsihy ny fanenjehana … kanefa ny fahamarinan’ Andriamanitra dia handroso amim-pahasahiana, amim-boninahitra ary tsy hiankina amin-javatra hafa, mandra-panenik’izany ireo kaontinanta rehetra, hitsidihan’izany ny havoana rehetra, handalovany ny firenena rehetra ary hikasihan’izany ny sofina rehetra, ka ho tanteraka ny tanjon’ Andriamanitra ary hilaza ilay Jehovah Lehibe hoe vita ny asa.”
Tamin’ireo asa nanirahana ahy tamin’ity taona ity dia nahazo seza teo anoloana mihitsy aho nijery ny Tompo manafaingana ny asany. Manorina tempoly amin’ny hafainganam-pandeha tsy mbola nisy toy izany ny Fiangonana, ka manome fahafahana ho an’ny mpikambana bebe kokoa hitsaoka ao amin’ny tranon’ny Tompo. Faharoa, manangona olona maro tsy misy ohatr’izany ao amin’ny valan’i Jesoa Kristy, ilay Mpiandry tsara, ny asa fitoriana ny filazantsara. Ary fahatelo dia tafiakatra amin’ny ambaratonga avo dia avo ny fampianarana ao amin’ny Fiangonana amin’ny fampianarana ireo izay “mikatsaka ity Jesoa ity.”
Ankehitriny dia manana tempoly miisa 367 ny Fiangonana izay samy eo amin’ny ambaratongan’ny dingana famolavolana na fanorenana na fampandehanana azy avy. Ary inona no tanjon’izany? Ambara eo amin’ny tempoly tsirairay ny valiny: “Hamasinina ho an’i Jehovah.” Ny tempoly dia manokatra ny lalana hahazoana ny fitahiana ambony indrindra natokan’ny Ray any An-danitra ho antsika tsirairay. Rahalahy sy ranabavy, manafaingana ny fahamasinantsika isika rehefa miaina mendrika ny hiditra ny tempoly, sy rehefa mitsaoka ao amin’ny tranon’ny Tompo, ary rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ho an’ny tenantsika sy eo amin’ny toeran’ireo razambentsika any amin’ny lafy ilan’ny voaly.
Nilaza ny Filoha Nelson hoe: “Mitombo be hatrany hatrany ny fanafihan’ny fahavalo, na amin’ny heriny izany na amin’ny karazany. Tsy mbola lehibe toy izao ny filantsika mandeha matetika tsy tapaka any amin’ny tempoly. Miangavy anareo aho mba hijery ombam-bavaka ny fomba fandanianareo ny fotoananareo.” Any amin’ny tranony isika dia afaka mahatsapa ny fanatrehana masin’ny Tompo sy fiadanana mahatalanjona.
Tamin’ny taon-dasa dia nanana tombontsoa manokana aho niahy ny fanokanana ny Tempolin’i Mendoza Argentine. Tao anatin’ny hafatro aho dia niresaka ny faminanian’ny Loholona Melvin J. Ballard tamin’ny 1926 hoe hiadam-pitombo mandritra ny fotoana kely ny asan’ny Tompo any Amerika Atsimo, “tahaka ny oaka maniry miadana avy amin’ny voa kely iray. Tsy hitsimoka ao anatin’ny iray andro izany,” saingy an’arivony no hikambana amin’ny Fiangonana, ary ireo firenena ao Amerika Atsimo dia ho lasa “hery ato am-piangonana.” Hitako tanteraka teo ambany masoko mihitsy izany faminaniana izany.
I Mendoza, izay voa kely iray taloha, dia lasa oaka mijoalajoala. Miverina mitranga manerana ireo kaontinanta sy nosin-dranomasina izany fitomboana izany.
Hitantsika ny Tompo manafaingana ny asany ao amin’ireo misiôna. Tamin’ny 2024 dia misiônera miisa 80.000 (valo alina) no nanompo tao amina misiôna miisa 450. Misiôna vaovao ny enina amby telopolo amin’ireo. Tamin’ny taon-dasa dia nitondra mpikambana vaovao mihoatra ny 308.000 tato amin’ny Fiangonana ny asa fitoriana ny filazantsara. Mihoatra noho ireo isa dia mitondra fanahy mankany amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany no tanjon’ny fanangonana.
Mieritreritra an’ireo Apôstôly Brigham Young sy Heber C. Kimball izay nandeha nanao asa fitoriana nanomboka tany amin’ireo nosy britanika tamin’ny 1839 aho. Narary izy ireo. Namela ny fianakaviany narary sy nahantra izy ireo. Na dia teo aza izany dia niondrana an-tsarety izy roa, ary raha mbola tazan’ireo olon-tiany izy ireo dia hoy i Heber hoe: “Andeha hitsangana dia hihiaka am-pifaliana.” Tamin-kasarotana izy roa lahy no nitsangana ary nihiaka hoe: “Hora, hora ho an’i Isiraely.”
Nahita hafanam-po toy izany ho amin’ny asan’ny Tompo koa aho tany Lima, Pérou, rehefa nihaona tamin’ireo misiônera tao amin’ny ivon-toerana fanofanana misiônera sy ireo misiôna ao Lima. Tena nahavariana. Hitako teo ambany masoko mihitsy ilay fanafainganana. Amin’izao fotoana izao dia misy misiôna fito ao amin’ny tanànan’i Lima fotsiny.
Nanao zavatra tsy nampoizina manokana ho ahy ireo misiônera, tamin’ny faran’ny fivorianay. Nitsangana izy ireo ary nihiaka hoe: “Hora ho an’i Isiraely.” Tsy ho hadinoko mihitsy izany fotoana izany, tena tiako raha mba tany koa ianareo. Teo ambany masoko mihitsy ireo misiônera izay nahafoy ny “zavatr’izao tontolo izao” mba hanompoana ny Tompo sy hanampiana amin’ny fanafainganana ny fiaviany.
Hitantsika ny Tompo manafaingana ny fahafahan’ireo mpikambana ato amintsika mahazo fianarana, ary eny hatramin’ny tsy mpikambana mihitsy aza, manerana izao tontolo izao. Anisan’ireo zavatra mampiavaka ny fiangonantsika ny fanamafisantsika ny fianarana. Nandidy ny Tompo tany am-piandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny mba “hikatsaka fianarana, amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana.” Mitranga izany ankehitriny ary mendrika ny homena “hora” manakoako.
Amin’izao fotoana izao dia mpianatra maneran-tany mihoatra ny 800.000 no voasoratra anarana ao amin’ny seminera sy institiota, fisoratana anarana betsaka indrindra teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Mivory amin’ny fomba maro isan-karazany ireo tanorantsika manomboka amin’ireo kilasy vao maraina, ny antoandro, ary ny hariva hatramin’ny fianarana anjotra sy any an-tokantrano. Tafika mahery sy marin-toetra izy ireo, izay mifanome hery rehefa ampianarin’i Jesoa Kristy sy manaraka ary mijoro ho vavolombelona momba Azy ho zanak’ Andriamanitra.
Tamin’ny fararano lasa teo aho dia nanao lahateny nandritra ny fampaherezam-panahy tao amin’ny kianja iray feno mpianatra seminera sy institiota ary ny ray aman-drenin’izy ireo tao amin’ny Oniversiten’i Utah. Maneho betsaka ny fanirian’izy ireo hahafantatra sy hanaraka an’i Jesoa Kristy ny fanatrehan’izy ireo. Nazava ny hafatra nomeko ireo mpianatra ireo: Omeo fehim-potoana mitovy ny Tompo. Nomeko torohevitra izy ireo mba hampifandanja ny fianaran’izy ireo amin’ilay fianarana avo kokoa, dia ny fandalinana momba ilay Zanak’ Andriamanitra velona.
Angatahiko aminareo tsirairay koa izany anio: Na inona na inona eo amin’ny lisitry ny zavatra hataonao, dia omeo fotoana mitovy ny Tompo, fa tsy fotoana malalaka, handalinana manokana, handalinana miaraka amin’ny fianakaviana ny Avia, hanaraka Ahy, hivavahana, hanatanterahana ireo antso ato am-piangonana, hanompoana, handraisana ny fanasan’ny Tompo, hitsaohana any amin’ny tempoly, ary hisaintsainana ireo zavatr’ Andriamanitra. Efa nilaza ny Tompo sy Mpamonjy antsika hoe: “Mianara amiko … dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.” Raiso amin’ny teniny Izy. Ary omeo fehim-potoana mitovy Izy.
Nilaza ny Filoha Nelson hoe: “Miangavy anareo aho mba hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanareo. Omeo ampahany araka ny tokony ho izy amin’ny fotoananao Izy. Rehefa manao izany ianao dia jereo ny zavatra mitranga amin’ilay fahavitrihana ara-panahy amin’ny tsara ao aminao.”
Hitantsika miorina izany fahavitrihana izany any amin’ireo seminera sy Institiota ary oniversiten’ny Fiangonana. Any amin’ireo tontolo ireo dia ny Tompo no laharam-pahamehana. Dia tokony ho izany koa Izy ao amin’ny fiainantsika tsirairay.
Sehatra iray hafa izay mampiseho ny fiantrakany lehiben’ny fampianarana ato amin’ny Fiangonana ny BYU–Pathway Worldwide. Efa ho nahatratra teo amin’ny 75.000 teo ny fisoratana anarana maneran-tany ary mbola tsy mitsaha-mitombo haingana hatrany. Mpikambana ny ankamaroan’izy ireo, ary mihoatra ny ampahatelony no any Afrika. Ny tanjon’ny Pathway dia ny hahazoan’ny olona maro fianarana. Ny fahavitana ireo taranja dia midika fahafahana mahazo asa, ary ny fahazoana asa dia midika fiainana tsara kokoa ho an’ireo fianakaviana sy fahafahana bebe kokoa hanompo ny Tompo.
Rehefa nihaona tamin’ireo mpitarika tao amin’ny tsatòka tao Ouganda aho dia nahafantara fa nisoratra anarana tamin’ny BYU–Pathway avokoa ireo mpikambana tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka. Arakaraka ny mahavonona antsika ara-batana sy ara-panahy no ahafahantsika manohitra ireo fanafihana feno hafetsena ataon’ny fahavalo. Tsarovy ny tenin’i Petera manao hoe: “Ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.”
Fantatro fa eo anivon’ny vaovao tsaran’ny filazantsara dia misy ireo izay miady mafy, manana olana ara-pinoana, fisalasalana, ary fanontaniana izay toa tsy ahitam-baliny. Rahalahy sy ranabavy, i Jesoa Kristy no valiny. Atombohy Aminy. Katsaho ny fitarihan’ny tanany eo amin’ny fiainanao. Henoy Izy. “Aza malahelo ny fonareo,” hoy Izy tamin’ireo mpianany nandritra ireo ora farany niainany talohan’ny Getsemane, mialoha ny nitondrany ny hazofijaliany namakivaky ireo lalan’i Jerosalema, talohan’ny Golgota, izay nanatanterahany ny sorompanavotany, izay Izy irery ihany, ilay Zanakalahin’ Andriamanitra, no afaka nanatanteraka azy.
Aoka ho fantatrao fa mahatakatra Izy. Nitondra teo Aminy ny fahotantsika Izy, ny fahadisoantsika, ny fahoriantsika, ary ireo andro tena sarotra amintsika mba hahafahantsika miaina indray miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra any amin’ny mandrakizay. Hoy Izy hoe: “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.” Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia afaka hanandratra anao sy hanasitrana ny fanahinao maratra. Matokia Azy dia hanafaingana ny fiverenanao ho eo “amin’ireo sandrim-pitiavany” ianao.
Hamafisiko indray ireo tenin’ny mpaminanintsika velona manao hoe: “Hitanareo ve ny zavatra mitranga izay eo ambany masontsika mihitsy? Mivavaka aho mba ho tsikaritsika ny maha-be voninahitra izao fotoana izao! Manafaingana ny asany ny Tompo.” Enga anie isika mpianatra amin’izao androntsika izao hihoraka hoe “Hora ho an’i Isiraely” eo am-piomanantsika amin’ny fiverenan’ny Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.