Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Raiso ny fanomezana atolony
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2025


14:5

Raiso ny fanomezana atolony

Zanakavavy malalan’ Andriamanitra ianareo, zanakalahy lalain’ Andriamanitra ianareo, ary nomeny anareo ny Zanany lahy tonga lafatra sy masina.

Fanolorana fanomezana

Ny fanolorana fanomezana dia fomba fanaon’ny fiarahamonina manerana ny kolontsaina sy ny sivilizasiôna ary ny arivo taona rehetra. Tao anatin’ny fotoana rehetra dia nifanome fanomezana ny olona mba hanamafisana ny fihavanana, hanehoana fitiavana sy fankasitrahana, ary hanamarihana fotoan-dehibe toy ny fanambadiana, ny tsingerin-taona nahaterahana ary ireo fotoam-pankalazana samihafa. Ary tsy ny olombelona irery no zavaboarin’ Andriamanitra mifanolotra fanomezana! Amin’ireo ohatra maro hafa azontsika resahina, ny pingouin dia malaza ho manolotra vatokely mamiratra an’ireo izay mety ho vadiny, ary ny bonobo (izay karazana rajako) dia manolotra voankazo mba hampitomboana ny vondron’ny namany.

Pingouin manolotra vatokely mamiratra.
Bonobo mizara voankazo.

Inona no fanomezana efa nomenao? Eritrereto ny fotoana iray izay nahitanao, na nanamboaranao, ilay fanomezana tena sahaza ny olona iray tianao. Tena fantatrao tsotra izao fa io fanomezana io mihitsy no tian’io olona akaikin’ny fo io ho azo ary zavatra ho ankamamiany izany. Inona ilay fanomezana? Ho an’ny reninao ve ilay izy? Ho an’ny namana iray? Ho an’ny zanakao? Ho an’ny mpampianatra iray? Ho an’ny raibenao? Inona no tsapanao rehefa nahita io fanomezana io? Inona no tsapanao rehefa nieritreritra io olona akaikin’ny fonao io manokatra ilay fanomezana ianao? Mitovy amin’izany ihany, oviana no nisy olona iray nanolotra anao ilay fanomezana sahaza, ary toy ny ahoana ny nandraisanao izany?

Ny fanomezana nomen’ny Raiko ahy

Teo amin’ny fahafito taonako teo, raha niara-nipetraka tamin’ireo ray aman-dreniko tany Arabie aho, dia nivoaka ny horonan-tsary iray ho an’ny ankizy mitondra ny lohateny hoe Chitty Chitty Bang Bang . Momba ny fiara mahagaga iray izay afaka mandeha tsy misy mpitondra, sy afaka mitsingevana eny ambony rano, ary manidina ilay izy! Fantatro tamin’izany fa nisy nanamboatra fiara kely kilalao mitovy amin’i Chitty Chitty Bang Bang tany Angletera, izay tany niaviako, ary tena naniry mafy ny hahazo iray aho! Misy zavatra azonao sintonina izay dia mipoitra tampoka avy any ireo elatr’ilay fiara kilalao! Nandeha nanatanteraka asa tany Angletera ny raiko dia nanontany ahy raha toa ka misy zavatra tiako hoentiny ho ahy, dia nolazaiko azy fa tena iriako fatratra ny hahazo iray tamin’ireo fiara Chitty Chitty Bang Bang ireo.

Niverina avy any amin’ny dia nataony izy, kanefa tsy nisy fiara nipoitra. Nalahelo mafy aho ary nieritreritra hoe tsy maintsy hoe adinony izay ilay izy. Kanefa teo ho eo amin’ny 10 andro taorian’izay ny tsingerin-taona nahaterahako, ary nisy fonosan-javatra kely, nisy fonony tsara tarehy niandry ahy. Tamim-piandrasana fatratra, kanefa tsy dia sahy nanantena zavatra lehibe firy no nanokafako ilay fanomezana, dia hitako tao ilay fiarako. Faly loatra aho ka dia nitomany. Nosintoniko ilay fanaingàna dia nipoitra tampoka avy any ireo elatra, tahaka ilay fiara ao amin’ilay horonan-tsary mihitsy! Tena velom-pankasitrahana ny raiko aho noho io fanomezana nolalaiko indrindra io. Nilalao io fiara io nandritra ny taona maro aho ary nitahiry izany tao anatin’ny taona maro fanampiny. Raha ny fahitako azy dia tahaka ny nitiavako nandray ilay fiara farafahakeliny no nitiavan’ny dadako nanome ahy ilay izy ihany koa.

Manome, manaiky, manokatra ary mandray

Azontsika eritreretina ho mizara ho ampahany anankitelo ny fanolorana fanomezana.

  1. Ny fanolorana ilay fanomezana, izay hisafidianan’ilay mpanome, na hanamboarany, na hanomanany ilay fanomezana ary manolotra izany amin’ilay olona tiana. Mifono fikasana sy ny ezaka voahevitra tsara izany avy amin’ilay mpanome mba hanome zavatra manan-danja.

  2. Ny fanekena sy ny fanokafana ilay fanomezana, rehefa manaiky ilay fanomezana avy amin’ilay mpanome ilay mpandray; izay matetika arahana fanehoana hatairana, fanehoana fankasitrahana ary hafaliana;alohan’ny hanokafana ilay izy, misy famahana fatorana sy fanokafana ny fonosana indraindray mba hahafantarana hoe inona ilay fanomezana.

  3. Ary aorian’izay angamba ilay ampahany manan-danja indrindra ao anatin’ilay izy, dia ny fandraisana ilay fanomezana. Ny mandray fanomezana nomena tamin-kitsim-po dia mihoatra lavitra ny manaiky ary avy eo dia manokatra izany. Mbola mihoatra noho ny fanekena ny hasarobidin’ilay fanomezana sy ny fanehoana fankasitrahana an’ilay mpanome aza izany. Mba handraisana marina tokoa fanomezana iray, dia mametraka ny lanjan’izany ho antsika isika, mampiasa izany feno eo amin’ny fiainantsika, ary avy eo dia mahatsiaro amim-pankasitrahana ilay mpanome.

Tsy zavatra mandeha ho azy ny fandraisana fanomezana fa dingana atao avy amin’ny nahim-po sy manan-danja, izay mihoatra lavitra ny fanokafana fonosana iray fotsiny. Ny hoe mandray dia mankamamy sy mifandray amin’ilay fanomezana sy ny fon’ilay mpanome amin’ny fomba izay manamafy ny fifamatorana misy eo amin’ny mpanome sy ny mpandray. Mampitamberina fahatsiarovana sarobidy maro ny fieritreretana izany fiara kilalao izany, satria tsapako indray ny fitiavana lalina tsapany sy ny fiahian ’ny raiko ahy, izay nasehon’ilay fanomezana sy ireo fihetsika feno fahalalahan-tanana hafa tsy voatanisa.

Ireo fanomezana avy amin’ny Raintsika any An-danitra

Ny Raintsika any An-danitra dia manana fanomezan’ny fahazavana sy fahamarinana tsy tambo isaina izay nomanina mba hatobaka eo amintsika tsirairay avy, zanany tena lalainy. Mitosaka avy amin’Ilay Mpanome antsika Malala-tanana izy ireny, tahaka ny loharano miboiboika any an’efitra avy amin’ny fony feno fiantrana. “Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin’ny Rain’ny fanazavana.” Ao amin’ny fifamatorantsika ara-panekempihavanana amin’ny Ray dia Izy foana no Ilay Mpanome, ary isika no ilay mpandray manetry tena.

Ny lehibe indrindra amin’ireo fanomezan’ny Ray rehetra, ary avy amin’izany no hitosahan’ireo hafa rehetra

Kanefa tsy afaka mahazo na inona na inona isika raha tsy misy ilay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ny Ray rehetra, dia i Jesoa Kristy izay Zanakondry sy Zanaka malalany. Ny fanomezana rehetra avy amin’ny Raintsika dia mitosaka sy afaka miasa, amin’ny alalan’ny fanoloran’ny Mpamonjy ny tenany an-tsitrapo tao Getsemane, sy teo amin’ny hazofijaliana ary ny Fitsanganany tamin’ny maty tamim-pandresena. I Jesoa Kristy, ilay Mpanavotra antsika be indrafo, no fanomezana lehibe indrindra avy amin’ny Raintsika ilay tompon’ny fahazavana. “Tao amin’ny fanomezana ny Zanany no efa nomanin’ Andriamanitra [ho antsika] ny lalana tena tsara indrindra.”

Fanomezan’ny Fahamarinana mandrakizay izay mahafaoka ny zavatra rehetra

Te hiresaka momba ny fanomezan’ny fahamarinana mandrakizay mahafaoka ny zavatra rehetra aho, izay mampitombo ny fahaizantsika mandray ny zavatra hafa rehetra irian’ny Ray omena antsika—fanomezana tena manan-danja, izay rehefa ekena tanteraka sy raisina lalina ao anaty dia manazava ny sahan-kevitry ny fifaliana sy ny zava-tsarotra eo amin’ny fiainana, ary ireo fanontaniantsika tsy voavaly: dia ny hoe tena zanak’ Andriamanitra marina tokoa isika. Tsara ery izany fahamarinana izany! Mampitolagaga! Ary tsy sarin-teny izany.

Alaivo sary an-tsaina hoe sambany ianao no mahare izany! Tena zanakavaviny lalainy ianareo. Tena zanakalahiny sarobidy ianareo. Ary ny drafiny ho an’ny fahasambarana no lalana andehananareo. Fantany tsara amin’ny alalan’ny fitiavany izay mahalala ny zavatra rehetra hoe iza ianao talohan’ny nandefasana anao teto an-tany, sy ny hoe inona ny zavatra niainanao hatreto nandritra ny fiainanao teto an-tany, ary tamin’ny famindram-po no nanaovany drafitra ho an’ny ampitsonao tsirairay avy. Ary endrey izany faniriany fatratra ny mba hiverenanao any Aminy indray andro any, mba handray ireo antony mahatalanjona anomezana ireo fanomezana kanto rehetra avy Aminy dia ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy izany.

Tsy hoe, tena misy ve io fanomezana ny fahamarinana io sa tsia ny fanontaniana mipetraka, fa hoe hamantatra sy handray ilay izy ve isika sa tsia. Efa nomen’ny Ray antsika ilay fanomezana. Efa nefain’ny Mpamonjy ny saran’ny antony faratampony nanolorana io fanomezana io. Fa raha efa nampianarina izany ianao, efa niteny izany, nihira izany fahamarinana izany nandritra ny taona maro, dia mety lefy efa hatry ny ela ny zavatra nampitolagaga tao amin’ilay izy, ary tsy mahatsapa ny heriny sy ny fiadanana entiny intsony ianao.

Raha toa ka tsy ekena io fanomezam-pahasoavan’ny fahatakarana tsy hay sandaina io, sy ireo hatsarana sy fiadanana ary fanantenana rehetra izay mitosaka avy amin’izany , sy tsy sokafana, ary tsy raisina, dia tena fahavoazana mampivarahontsana ho antsika izany! Ary miteraka alahelo lehibe tokoa izany ho an’ilay Mpanome! “Fa inona no soa azon’ny olona raha atolotra azy ny fanomezana kanefa tsy mandray izy? Indro tsy mankasitraka izay omena azy izy sady tsy mankasitraka an’ilay mpanome fanomezana.”

Manasa anao aho handray, na vao voalohany izany na mba handraisanao misimisy kokoa noho ny teo aloha, ny fahafantarana amin’ny fomba tena tsara fa tena zanak’ Andriamanitra malalany ianao. Tsy maintsy mamaha ilay fatorana ianao, mandrovitra ilay taratasy famonosana, manokatra ilay boaty, ary mandray amim-pahavitrihana amim-panetren-tena ombam-pankasitrahana ny fahatakarana marina sy madio momba io fahamarinana fototra io. Afaka mijoro ho vavolombelona ao am-ponao ny Fanahy Masina fa tena zanaky ny Avo Indrindra tokoa ianao.

Rehefa mandray an-tanan-droa io zava-misy be voninahitra io ao amin’ny ati-fanahinao ianao ary mahatsapa ny fiadanana sy ny fientanentanana avy amin’izany, dia hiova tanteraka ny fomba fahitanao ny tenanao sy izao tontolo izao. Afaka mahatsapa ny fitiavany ianao, mandre ny feony, ary mahafantatra ny tanany, na inona na inona mitranga, na tsy mitranga eo amin’ny fiainanao. Azonao ovaina ny fomba fahitanao ny tenanao sy ny hafa. Lasa mihamafy kokoa aza ny fifamatoranao ara-panekempihavanana amin’ny Mpamonjy, ary rehefa jerena avy amin’ny fahatakarana io fanomezana mamy io, dia lasa manomboka mahazo famirapiratana sy hatsarana ary fanantenana vaovao ny fiainana.

Miangavy aho hoe, hivavaka ve ianao mba hahatakatra fa tena mandray tokoa io fahalalana manova io ao amin’ny ati-fanahinao? Hanaiky ilay fanomezana ve ianao? Hanao izany amin’ny fomba lalina kokoa sy amim-pahalalahana kokoa, ary amin’ny fomba feno kokoa mihoatra noho izay nataonao hatramin’izay ve ianao; ka rehefa manao izany ianao dia hitobahan’ireo fanomezana hafa rehetra izay miaraka amin’izany?

Fandraisana io fanomezana ny fahamarinana mandrakizay io

Mety hanontany tena ianao hoe: “Inona no tokony hataoko mba handraisako io fanomezana io avy amin’ Andriamanitra? Raha ny marina dia tsy misy. Fanomezana avy amin’ilay Mpanome izany. Tena zava-misy marina izany. Ekeo fotsiny ilay izy. Zanany ianao. Malalany ianao. Aza hasarotina ilay izy. Aza sakanana ny fandraisana io fanomezana io amin’ny fieritreretana fa mety tsy mendrika izany ianao. Ny zava-misy marina dia tsy misy “mendrika” izany amintsika—ny fanomezana rehetra avy amin’ny Ray dia raisina amin’ny alalan’ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina ihany, kanefa ny fony tena tia mizara dia maniry fatratra ny handraisan’ny zanany tsirairay avy azy ireny! Noho izany, rehefa tonga eo aminao ny fahatakaranao vaovao na nohavaozina, dia mifalia amin’ny fisaorana ny Mpanome noho io fanomezana io.

Hatramin’ny nanombohako nanam-pinoana teo amin’ny manodidina ny faha-25 taonako teo, dia nanomboka nitombo ny fahatakarako fa tena zanakalahin’ Andriamanitra aho. Arakaraka ny nahatakarako lalina kokoa io fanomezana io no nahafantarako marina kokoa hoe iza aho ary tena tiana toy ny ahoana aho. Ireo zavatra vitsivitsy izay nanampy ahy hitombo fahatakarana dia ny tenin’ny soratra masina, ny tsodranon’ny patriarika noraisiko, ny fitsaohana any amin’ny tempoly, ny fanompoana ny hafa, ny fanehoako fankasitrahana, ary ny vavaka masina nataoko tamin’ny Raiko. Talanjona aho ny amin’ny mety ho nijerena tamin’ny fomba hafa ny ankamaroan’ireo alahelo sy fanaintainana tany aloha teo amin’ny fiainako, sy nahamaivana izany, ary ny mety ho nandresena izany tamin’ny fomba hafa raha nahalala io fahamarinana kanto io aho.

Manatòna an’i Kristy dia mandraisa

Mamporisika antsika i Môrônia mba “tsy [handa] ireo fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra” fa “[hanatona] an’i Kristy sy [hihazona] ny fanomezam-pahasoavana tsara rehetra.” Afaka manatona an’i Kristy amin’ny fahatokiana ny halemem-panahiny feno fitiavana ianareo ary mandray ireo fanomezany rehetra dia ny fifaliana,ny filaminana, ny fanantenana, ny fahazavana, ny fahamarinana, ny fanambarana, ny fahalalana ary ny fahendrena, hampitraka ny lohanareo, sy hanatsotra ny sandrinareo, ary hanokatra ny tananareo, ka vonona handray. Ary afaka mandray ireo fanomezana ireo ianareo satria efa amin’ny toerana azo antoka sy mifototra amin’ny fahalalana fa zanakavavy malalan’ Andriamanitra ianareo, zanakalahy lalain’ Andriamanitra ianareo, ary efa nomeny anareo ny Zanany lahy tonga lafatra sy masina mba hanavotra anareo, hanamarina anareo, ary hanamasina anareo.

Ianareo dia Zanak’ Andriamanitra. Tsy hira mahafinaritra hiraintsika fotsiny izany. Moa hanaiky sy hanokatra ary handray io fanomezana fahalalana sy fahatakarana avy Aminy io ve ianareo, azafady? Hanome lanja izany amin’ny maha-harena sarobidy azy ve ianareo? Avereno raisina io fanomezana io, na angamba hoe tena raiso marina amin’izay ilay izy, dia avelao izany hanova ny lafin-javatra rehetra eo amin’ny fiainanareo. Io no fomba mendrika kokoa nomanin’ Andriamanitra ho anareo tamin’ny alalan’ny fanomezany ny Zanany lahy. Misy tokoa ianareo mba hahazo fifaliana! Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.