Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fahatokian-tena eo anatrehan’ Andriamanitra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2025


11:59

Fahatokian-tena eo anatrehan’ Andriamanitra

Rehefa mikatsaka amim-pahazotoana ny hameno ny fiainantsika amin’ny fiantrana sy ny hatsaram-panahy isika dia hitombo ny fahatokian-tenantsika hanatona an’ Andriamanitra.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, fifaliana ho ahy ny miresaka aminareo androany, amin’ity fihaonambe maneran-tany manan-danja ity. Mihaantitra hatrany ny masoko. Misaotra anareo noho ny fahatakaranareo raha hizara ny hafatro aho.

Miaina amin’ny fotoana izay mampiroborobo be Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany isika izao. Feno hafaliana aho mahita fandrosoana amin’ny sehatra marobe.

Mampientam-panahy ahy manokana ny zatovontsika. Maro be izy ireo no manolotra fanompoana. Mikaroka ny razambeny izy ireo ary manatanteraka ôrdônansy any amin’ny tempoly. Betsaka tsy misy toa azy ireo zatovolahy sy zatovovavintsika mandefa fangatahana hanao asa fitoriana. Ny taranaka vao misondrotra dia mamaly ny antso ho mpanara-dia mahatoky an’i Jesoa Kristy.

Ny Filoha Nelson miaraka amin’ny zafin-dohalikany.

Vao tsy ela aho no nihaona tamina zafin-dohalika vao teraka iray. Rehefa mieritreritra ireo fanamby holalovany eo amin’ny fiainany aho dia manana faniriana lehibe hanampy azy hanorina finoana an’i Jesoa Kristy. Zava-dehibe ho an’ny fahasambarany amin’ny hoavy ny fiainana ny filazantsarany.

Hiatrika fanamby izy, tahaka antsika tsirairay avy. Samy handalo tsy fahasalamana sy fahadisoam-panantenana, fakam-panahy, ary famoizan-javatra na olona avokoa isika rehetra. Hisy fiantraikany amin’ny fahatokian-tenantsika ireo fanamby ireo. Fa ny mpianatr’i Jesoa Kristy anefa dia manana karazana fahatokian-tena hafa.

Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy mitandrina izany isika dia afaka manana fahatokiana fa ateraky ny Fanahy. Nilaza tamin’ny mpaminany Joseph Smith ny Tompo fa ny fahatokian-tenantsika dia afaka ny “hihamahery … eo anatrehan’ Andriamanitra.” Alaovy sary an-tsaina ange ny fampiononana entin’ny fahatokian-tena eo anatrehan’ Andriamanitra e!

Ny tiako holazaina amin’ny hoe fahatokian-tena eo anatrehan’ Andriamanitra dia ny fananana fahatokian-tena amin’ny fanatonana an’ Andriamanitra izao dia izao! Vavaka amim-pahatokiana ny mba handrenesan’ny Ray any An-danitra antsika no tiako holazaina, mba hahatakarany kokoa ny zavatra ilaintsika mihoatra ny fahatakarantsika izany. Ny fananana fahatokiana Azy ho tia antsika mihoatra an’izay mety ho fahatakarantsika azy no tiako holazaina, hoe mandefa anjely hiaraka amintsika sy ireo olona ankamamiantsika Izy. Ny fananana fahatokiana Azy ho maniry mafy ny hanampy antsika ho tonga amin’izay ambony indrindra tokony hahatongavantsika no tiako holazaina.

Ahoana ary no hahazoantsika fahatokiana toy izany? Valian’ny Tompo amin’ireto teny ireto izany fanontaniana izany: “Aoka ny kibonao … ho feno fiantrana ny olon-drehetra … ary aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy; dia hihamahery ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’ Andriamanitra.”

Izay no fanalahidiny! Amin’ny tenin’ny Tompo mihitsy dia ny fiantrana sy ny hatsaram-panahy no fomba hahazoana fahatokiana eo anatrehan’ Andriamanitra. Ry rahalahy sy anabavy, vitantsika izany! Afaka mihamahery izao dia izao tokoa ny fahatokian-tenantsika eo anatrehan’ Andriamanitra.

Andeha hojerentsika ny fiantrana sy ny hatsaram-panahy.

Voalohany, fiantrana. Roa taona lasa izay dia niantso antsika aho mba ho mpanara-dia an’i Jesoa Kristy mpanao sy mpitandrina fanekempihavanana, sy ho mpampihavana. Averiko indray ny zavatra nolazaiko tamin’izany: “Tsy mitondra faharesen-dahatra velively ny hatezerana. Ny fankahalana dia tsy manatsara toetran’olona. Tsy mitondra velively any amin’ny vahaolana mahasoa ny fifandirana.

Ny fiantrana marina ny olon-drehetra no mariky ny mpampihavana! Tsy azo ihodivirana ny tokony hananantsika fiantrana rehefa miresaka, na ampahibemaso izany na manokana. Isaorako ianareo izay nandray am-po ny torohevitro teo aloha. Saingy afaka manao tsaratsara kokoa isika.

Mampatahotra ny fankahalana misy amin’izao fotoana izao ao amin’ny resaka ifanaovan’ny olona ampahibemaso sy eny amin’ny tambajotran-tserasera. Fitaovam-piadiana mahafaty ny teny feno fankahalana. Manakana ny Fanahy Masina tsy ho namantsika lalandava ny fifandirana.

Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy antsika dia tokony ho mpitari-dalana mpampihavana isika. Rehefa tafiditra ao amin’ny toetrantsika ny fiantrana dia tsy hanana faniriana hanambany ny hafa intsony isika. Tsy hitsaratsara ny hafa intsony isika. Hanana fiantrana ny olona avy amin’ny lafim-piainana rehetra isika. Zava-dehibe amin’ny fivoarantsika ny fiantrana ny olon-drehetra. Ny fiantrana no fototry ny toetra maha-andriamanitra.

Aoka isika hitalaho amin’ny Raintsika any An-danitra mba hameno ny fontsika amin’ny fiantrana lehibe kokoa—indrindra fa ho an’ireo izay sarotra ny hitia azy—satria fanomezana avy amin’ny Raintsika any An-danitra ho an’ireo mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy ny fiantrana. Ny Mpamonjy no Andrian’ny Fiadanana. Natao ho fitaovany isika hitondra fiadanana.

Andao ary isika izao hiresaka momba ny hatsaram-panahy. Miteny antsika ny Tompo mba handravaka tsy an-kijanona ny eritreritsika amin’ny hatsaram-panahy. Alaovy sary an-tsaina ny fisondrotana ho azonao, amin’ny eritreritra tsara rehetra, rehefa fenoinao hatsaram-panahy izany. Mahatonga ny zavatra rehetra ho tsaratsara kokoa sy ho falifaly kokoa ny hatsaram-panahy! Etsy andanin’izany dia alaovy sary an-tsaina ny zavatra hitranga rehefa ampianao hatsaram-panahy ny eritreritra maloto, na ny eritreritra feno haratsiana, na ny eritreritra mahakivy. Hoesorin’ny hatsaram-panahy ireo eritreritra ireo. Hanafaka anao amin’ny eritreritra feno tahotra sy manahirana ny hatsaram-panahy.

Ry rahalahy sy ranabavy, satria mitombo faharatsiana izao tontolo izao dia mila mitombo fahadiovana hatrany isika. Tokony ho feno hatsaram-panahy tsy tapaka sy feno ny fitiavana madion’i Jesoa Kristy ho an’ny olon-drehetra ny eritreritsika sy ny tenintsika ary ny asantsika. Ny fahafahana lehibe eo anoloantsika dia ny ho lasa ireo olona ilain’ Andriamanitra hahatongavantsika.

Ny fitsaohana tsy tapaka any amin’ny tranon’ny Tompo dia mampitombo ny fahafahantsika manana ny hatsaram-panahy sy ny fiantrana. Noho izany, ny fotoana maha-ao amin’ny tempoly antsika dia mampitombo ny fahatokian-tenantsika eo anatrehan’ny Tompo. Ny fandaniana fotoana bebe kokoa ao amin’ny tempoly dia hanampy antsika hiomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika Fanindroany. Tsy fantatsika ny andro sy ny ora hahatongavany. Saingy fantatro fa mamporisika ahy ny Tompo mba hanentana antsika ho vonona amin’izany “andro lehibe sy mahatahotra” izany.”

Rehefa mikatsaka amim-pahazotoana ny hameno ny fiainantsika amin’ny fiantrana sy ny hatsaram-panahy isika dia hitombo ny fahatokian-tenantsika hanatona an’ Andriamanitra. Manasa anao aho hitozo hanao ireo dingana mba hitomboan’ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’ny Tompo. Ka rehefa mankany amin’ny Raintsika any An-danitra miaraka amin’ny fahatokiana bebe kokoa isika dia ho feno fifaliana bebe kokoa ary hitombo ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Hanomboka hiaina hery ara-panahy mihoatra lavitra ny fanantenantsika lehibe indrindra isika.

Feno fankasitrahana ny Tompo isika noho ny fanafainganana ny fanorenana tempoly tao anatin’ireo taona vitsivitsy. Eo ambany fitarihany, dia manambara ny drafitra hananganana tempoly amin’ny tsirairay amin’ireto toerana 15 ireto izahay anio:

  • Reynosa, Mexique

  • Chorrillos, Pérou

  • Rivera, Uruguay

  • Campo Grande, Brésil

  • Porto, Portugal

  • Uyo, Nigéria

  • San Jose del Monte, Philippines

  • Nouméa, Nouvelle Calédonie

  • Liverpool, Australie

  • Caldwell, Idaho

  • Flagstaff, Arizona

  • Rapid City, Dakota du Sud

  • Greenville, Caroline du Sud

  • Norfolk, Virginie

  • Spanish Fork, Utah

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy, ilay Mpanavotra an’i Isiraely, no mitarika ity, dia ny Fiangonany izany. Miomana ny hiverina indray Izy. Enga anie isika mba hiomana toy izany koa handray Azy. Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Ilay vato kely izay hitan’ny mpaminany Daniela tao amin’ny nofiny dia “mikodiadia mameno ny tany” (jereo ny Daniela 2:31–45; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:2).

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45.

  3. “Fa Izaho handeha eo alohanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88).

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45, nampiana fanamafisana; jereo ihany koa ny andininy 46.

  5. Russell M. Nelson, “Ilaina ny Mpampihavana,” Liahona, mey 2023, 98.

  6. Ny fisafidianana ny hifanditra amin’ny hafa dia misafidy ny hiaina tsisy ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

  7. Natao hanana fiantrana “ny olon-drehetra sy ny mpianakavin’ny finoana” isika (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45).

  8. Midika hoe mivavaka “amin’ny herin’ny fo manontolo” izany (Môrônia 7:48).

  9. Jereo ny Môrônia 7:48.

  10. Jereo ny Isaia 9:6.

  11. Araka ny nampianarin’i Joseph Smith hoe: “Raha te handeha any amin’izay misy an’ Andriamanitra [isika] dia tsy maintsy mitovy amin’ Andriamanitra, na manana ireo fitsipika izay ananan’ Andriamanitra” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 72. Torak’izany koa ny Apôstôly Paoly dia nananatra fa isika dia tokony “hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory” (Hebreo 4:16).

  12. Jereo ny Matio 24:36–37.

  13. Malakia 4:5; jereo ihany koa ny Zefania 1:14–18.

  14. Nilaza tamintsika ny Tompo mba hahatsiaro ny “finoana, ny fahatsaran-toetra, ny fahalalana, ny fahononam-po, ny faharetana, ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, ny toetra araka an’ Andriamanitra, ny fiantrana, ny fanetren-tena ary ny zotom-po” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:6). Rehefa ataontsika izany dia hitombo ny fahatokian-tenantsika, ary avy eo hoy ny teniny hoe raha mangataka isika dia hahazo. Ary rehefa mandondòna isika dia hovohana. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:7.)

  15. Mety hiaina ny zavatra niainan’ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka isika: “Feno fifaliana izy rehefa nandray ny famelana ny fahotany sy nahazo fiadanan-tsaina noho ny finoana fatratra izay nananany tao amin’ i Jesoa Kristy” (Môzià 4:3).