Ny fitiavako ny Mpamonjy no ilay “Antony” ho ahy
Tiako ny Mpamonjintsika. Izany no tena antony mahery vaika indrindra anaovako izay zavatra ataoko.
Efa nahatsikaritra ve ianareo fa ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson, dia manolotra fanasana tsy tapaka ho antsika? Tsy mahagaga raha nanasa antsika izy handalina sy hisaintsaina ireo hafatra nozaraina, tamin’ireo fihaonambe roa farany. Nilaza toy izao izy tamin’ny aprily 2024: “Manantena aho fa handalina hatrany hatrany ireo hafatra tamin’ity fihaonambe ity ianareo mandritra ireo volana ho avy.” Avy eo dia nilaza izy tamin’ny ôktôbra 2024 hoe: “Mamporisika anareo aho handalina ny hafatr’[ireo mpandahateny]. Ampiasao ho toy ny andrana hamantarana amin’ny fomba tsy azo iadian-kevitra izay marina sy izay tsy marina izany mandritra ireo enim-bolana manaraka.”
Azo ampiana amin’ireo fanasana ara-paminaniana izay noraisintsika nandritra ny androm-piainantsika ireo fanasana ireo, anisan’izany ary indrindra ireo izay noraisintsika tato anatin’ny taona vitsivitsy izay. Mety hahatsapa na hieritreritra isika fa zavatra iray hafa ilaintsika ampiana ao amin’ny lisitry ny zavatra tokony hataontsika fotsiny ireo fanasana ireo satria hoe nasaina na nangatahina hanao izany isika. Saingy mety hisy ve zavatra manan-danja noho izay?
Rehefa nisaintsaina lalina izany sy ireo fanasana rehetra efa azontsika aho, dia nahatsiaro ny zavatra nianarako sy nanapahako hevitra efa ela. Miezaka manao ireo zavatra ireo aho, izay amiko dia ilaina tokoa satria tiako Izy. Tiako ny Mpamonjintsika. Izany no tena antony mahery vaika indrindra anaovako izay zavatra ataoko, ary mifandray amin’izany ny fitiavako anareo ry rahalahy sy anabavy namako.
Amin’ny maha-rahalahinareo ahy dia manantena aho fa horaisinareo ho toy ny fanasana amin-kitsimpo mba hikatsaka ny hahatakatra ny fahafahana hampifandray ny zavatra rehetra ataontsika amin’ny fitiavantsika ny Mpamonjy ny teniko.
Ny fanaovana izany dia hanampy antsika hahatakatra ny tena “antony” ao ambadiky ny zavatra rehetra ataontsika amin’ny maha-mpianatry ny Mpamonjy antsika. Izany dia hanampy antsika hanamafy orina ny fifandraisantsika ara-panekempihavanana amin’ Andriamanitra, hahatakatra ireo fahamarinany masina sy mandrakizay—ireo fahamarinany mandrakizay sy tanteraka izay tsy mba hiova na oviana na oviana. Fahamarinana mandrakizay toy ilay hoe: “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zananilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”
Mahaliana fa indraindray noho isika nanao zavatra tsy tapaka izay zary nivadika ho fombafomba fanao, dia avelantsika hibaiko ny ezaka ataontsika mba hanorina finoana an’i Jesoa Kristy ireo fombafomba na asa ireo. Toa manao ireo zavatra ireo isika satria efa nanao izany nandritra ny taona maro, tsy nisy fandinihana ny fiantraikan’izany eo amin’ny fifandraisantsika ara-panekempihavanana amin’ny Mpamonjy.
Eo amin’ny tontolo misy antsika dia mazàna isika no mifantoka amin’ny zavatra ataontsika sy amin’ny fanatontosana asa sy tanjona tsy tapaka. Eo amin’ny sehatra ara-panahy isika dia manana fahafahana handeha mihoatra ny fanaovana zavatra na hanatratra tanjona fotsiny amin’ny alalan’ny fahatakarana ny antony anaovantsika izany. Raha afaka mahatakatra sy mampifandray isika fa ny antony ao ambadiky ny asa ataontsika dia mifandray amin’ny fitiavantsika ny Mpamonjy sy ny Raintsika any An-danitra, amin’ny alalan’ny fanararaotana ireo fahafahana ireo, dia ho takatsika fa na dia zavatra tsara aza ny manao ireo zavatra marina, toy ny fanaovana asa na fombafomba fanao ao amin’ny Fiangonana ary manao izany araka ny tokony ho izy, rehefa mampifandray izany amin’ny “antony” isika, dia ho voatahy kokoa amin’ny fahatakarana ny antony. Tsy manao zavatra tsara fotsiny na manao izany araka ny tokony ho izy, fa manao izany araka ny antony marina isika.
Ohatra, rehefa mametraka tanjona hamaky ny soratra masina ianao, na hanao vavaka amin-kitsim-po, na manomana fiaraha-mientana ho an’ny fianakavianao na ny paroasy, moa ve ny fanatanterahana ireo asa ireo tsotra fotsiny no tena tanjona? Sa ireo asa ireo no fitaovana sy fiasana eo am-pelatananao, hanatrarana ilay tena tanjona? Ny hanatanteraka fiaraha-mientana fotsiny ve no tanjona satria efa an-taonany maro no nanaovantsika izany, ary avy eo dia manisy marika ilay efajoro eo amin’ny taratasy fa hoe vitantsika izany? Sa kosa indray, ireo ve no fitaovana ampiasaintsika hianarana sy hahatsapana ary hifandraisana amin’ny Mpamonjy?
Azafady, aza diso fandray ny hevitro momba ny fanaovana fiaraha-mientana sy fombafomba na fametrahana tanjona ary miasa mafy mba hahatratrarana izany. Tsy misy maharatsy izany velively. Nefa kosa, manasa anareo aho mba hanokatra ny fonareo sy ny sainareo amin’ny fahafahana sy ny fitahian’ny fahatakarana ny antony anaovantsika ireo zavatra ireo, sy ny fomba fiainana ny fivavahantsika.
Ohatra iray lehibe amin’ny fombafomba fanao mifantoka amin’i Kristy ny fanamby napetraky ny Filoha Dallin H. Oaks ho antsika rehetra tamin’ny anaran’ny Fiadidiana Voalohany. Nilaza izao ny Filoha Oaks: “Rehefa miditra amin’ity taona vaovao ity isika dia aoka isika hiomana amin’ny fankalazana ny Paska nanaovan’i Jesoa Kristy sorona fanavotana. … Na inona na inona inoan’ny hafa na ataony dia tokony hankalaza ny Fitsanganan’ilay Mpamonjy velona amin’ny maty isika amin’ny alalan’ny fandalinana ny fampianarany sy ny fanampiana amin’ny fametrahana ireo fombafomba fanao rehefa Paska eo amin’ny fiarahamonina misy antsika, indrindra fa ao anatin’ny fianakaviantsika.” Araka ny hitanareo dia tsy fanasana hanana fombafomba fanao fotsiny izany. Fa mampiasa ireo fombafomba ireo kosa isika mba ho fomba hianarana misimisy kokoa momba ny Mpamonjy sy hahatsiarovana ny Fitsanganany tamin’ny maty.
Arakaraka ny ahafahantsika mampifandray ny antony amin’ny fitiavantsika ny Mpamonjy no hahafahantsika hahazo kokoa izay ilaintsika na tadiavintsika. Nilaza toy izao ny Filoha Russell M. Nelson: “Na inona na inona fanontaniana na olana anananareo, ny valiny dia hita mandrakariva ao amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany.” Ary avy eo dia nanolotra ity fanasana ity izy: “Mianara misimisy kokoa momba ny Sorompanavotany, ny fitiavany, ny famindram-pony sy ny fotopampianarany ary ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny izay mitory fanasitranana sy fivoarana. Mitodiha any Aminy! Manaraha Azy!”
Saintsaino ao am-ponareo sy ao an-tsainareo izao: Mino ve ianareo fa ny fanasan’ny Filoha Nelson dia nanana fikasana hanampy antsika hanomana lisitra iray izay hanangonantsika fahalalana bebe kokoa sy hamita asa mba hahafahantsika manisy marika ny fanasany ho toy ny zavatra efa vita ao anatin’ny lisitra nataontsika? Sa manasa antsika izy mba handinika ny lafin’ireo fahamarinana sy fitsipika mandrakizay ireo ho toy ny fahafahana hahatakatra ny “antony” sy hampifandray ny fitiavana ao amin’ny izay tsapan’ny Mpamonjy ho antsika amin’ny diantsika amin’ny maha-mpianatra mandritra ny androm-piainantsika?
Mamelà ahy haneho an-tsary ny fitsipika izay ezahiko ampitaina. Zavatra iray mety hitranga, izay mety ho tafahoatra, ny famakiana indray miaraka ireo hafatra rehetra avy amin’ny fihaonambe, ary avy eo, rehefa vitako izany, dia hanisy marika ity fanasana ity aho hoe vita ao amin’ny lisitry ny zavatra tokony hataoko, fa tsy manao zavatra hafa amin’ny zavatra novakiko. Takatro fa tranga tafahoatra izany, saingy tsy hoe zavatra tsy misy. Angamba, maro no tafiditra eo anelanelan’izany sy ny idealy.
Ny fanasana dia ny handalina sy hisaintsaina ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ary hampiasa izany mba hamaritana sy hahatakarana ny zavatra azontsika tsirairay atao mba hihatsara.
Rehafa manaiky ilay fanasana isika, ary mahatakatra ny “antony” ao ambadik’izany, dia hanana fahafahana kokoa isika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Hanomboka hahatakatra isika hoe satria tiako ny Mpamonjy, dia te hianatra misimisy kokoa momba azy amin’ny alalan’ny fandalinana ny tenin’ireo mpaminany velona aho. Ary satria tiako ny mpiara-belona amiko, dia hizara ny fampianaran’ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara amin’ny hafa aho, manomboka amin’ireo olon-tiako.
Amin’ireo ohatra roa ireo dia manao zavatra marina ianao. Ao amin’ny iray, ilay tanjona dia toa mampiasa ny fomba izay nomen’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika, dia ireo hafatra nozaraina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ny dikan-teny faharoa dia mirakitra fitahiana lalina amin’ny fahazoana hevi-baovao momba ireo antony fototra, manolotra lalana iray hahatakarana ny fahamarinana mandrakizay sy ireo fitahiana nampanantenaina ho an’ireo rehetra izay manao ny fampianarana sy ny fiainan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika ho ivon’ny fiainan’izy ireo.
Ry rahalahy sy anabavy malala, manantena aho fa afaka mahatsapa sy mahita ny maha-zava-dehibe ny fampifandraisana ny zavatra ataontsika amin’ny fitiavantsika ny Mpamonjy ianareo. Ao anatina tontolo iray misy fanatontoloana dia feo maro no hiezaka hitaona anareo, ary raha azo atao dia hitarika anareo hino fa tsy ilaina ny fahamarinana fototra sasany ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Manomboka amin’ny fahamarinana manan-danja amin’ny filana famerenana amin’ny laoniny amin’izao andro farany izao ireo feo ireo, anisan’izany ny ilana ny fananana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany, izay isoloan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany naverina tamin’ny laoniny tena.
Mety handre feo manizingizina ianareo fa ny fifandraisana manokana amin’ny Mpamonjy na ny fahatakarana manokana miaraka Aminy ihany dia ampy, ary ny fivavahana na ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny dia tsy ilaina. Manasa anareo aho mba tsy hamela ny tenanareo ho voataonan’ireo hevitra mamitaka ireo, na hanafaka ny tenanareo amin’izany mihitsy aza, ary ho haingana kokoa amin’ny fahatsiarovana ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy sy nampianariny antsika hatramin’ny andro fahiny—manomboka amin’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika ary mampifandray ny fitiavantsika Azy ireo ho antony hanarahana Azy ireo.
Andriamanitra Ray sy ny Zananilahy dia tonga ary niresaka tamin’i Joseph Smith mba hamerina amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy hanomboka ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana, dia ny Fanjakany eto an-tany. Noho izany, Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fomba naorin’ny Ray any An-danitra hahazoana ireo fanekempihavanana izay mamela antsika hody any Aminy. Dia toy izany no hilantsika zavatra mihoatra noho ny fifandraisana manokana amin’ny Ray any An-danitra sy ny Zanany ihany. Mila ny ôrdônansin’ny fisoronana izay tena ilaina isika, izay amin’ny alalan’izany no hanaovantsika ireo fanekempihavanana amin’ Izy ireo. Izany dia manolotra fifandraisana ara-panekempihavanana amin’ Izy ireo ary manome antsika fahafahana hahazo ny fitiavan’ Izy ireo ao amin’ny fanekempihavanana, izay ahafahana mahazo ny fanjakam-boninahitra ambony indrindra voaomana ho an’ireo rehetra izay marina sy mahatoky amin’ny fanekempihavanan’izy ireo.
Amin’ny herin’ny fanahiko rehetra no ijoroako ho vavolombelona ny amin’ny maha-misy sy ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy antsika, dia Jesoa Kristy. Tiany ianareo. Fantany izay mitranga eo amin’ny fiainanareo. Misokatra malalaka ny sandriny manolotra ilay fanasana hoe: “Mankanesa aty Amiko, … fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”
Tiako ny Mpamonjy, ary ny fitiavako Azy no ilay “antony” ho ahy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.