Ny andro fampodiana ny zavatra rehetra
(Asan’ny Apostoly 3:21)
Ny “vaovao mahafaly” manan-danja indrindra sy be voninahitra dia ilay hafatra fa naverin’i Jesoa Kristy Tompo tamin’ny laoniny ny filazantsarany sy ny Fiangonany amin’ny andro farany.
Feno 195 taona anio ny nanorenana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, tamin’ny 6 Aprily 1830.
Nisy mpiangona vitsivitsy mpino sy namana nivory ho an’io fotoana manan-danja sy mahafaly io. Nitahy ny rehetra nanatrika ny fitosahan’ny Fanahy rehefa notanterahina ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo, nomena ny fanomezana ny Fanahy Masina, natao ny fanendrena ho amin’ny fisoronana, ary notoriana ireo fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Teo amin’ny fanorenana indray ny Fiangonany, dia notendren’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanambarana i Joseph Smith, izay 24 taona, ho mpitarik’izany ety an-tany: ‘‘ho mpahita, ho mpandika teny, ho mpaminany, ho apostolin’i Jesoa Kristy, ho loholon’ny fiangonana, noho ny sitrapon’ Andriamanitra Ray sy ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tomponao.”
Mivavaka amin-kitsimpo aho mba hahazo ny fanampian’ny Fanahy Masina eto amim-pandinihantsika ny maha-zava-dehibe sy ny fitohizan’ny fiantraikan’ity tranga tokana ity eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao.
Ny Fahitana Voalohany
Ny fanorenana tamin’ny fomba ara-dalàna Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia vokatra faratampon’ny fifampitohizan’ireo zavatra niainana feno fahagagana. Ny voalohany tamin’ireo zavatra niainana ireo dia nitranga 10 taona talohan’izany tao amin’ny faritra avaratr’i New York.
Tamin’ny lohataonan’ny 1820, dia nisy ankizilahy iray nantsoina hoe Joseph Smith nandeha tany an’ala teo akaikin’ny tranony mba hivavaka. Nanana fanontaniana izy mikasika ny famonjena ny fanahiny, ary naniry mafy ny hahafantatra hoe “iza amin’ireo [fiangonana] rehetra no marina, mba hahafantarany izay tokony hilatsaha[ny] ho mpikambana.” Natoky i Joseph fa hamaly ny vavaka nataony Andriamanitra ary hitarika azy.
Mariho tsara fa tsy nivavaka fotsiny i Joseph mba hahafantarana ny marina. Fa nivavaka kosa izy mba hahafantarana ny marina mba hahafahany manao ny marina. Nangataka tamim-pinoana i Joseph ary vonona ny hanao asa mifanaraka amin’ireo valinteny noraisiny.
“Ho valin’ny vavaka [tamin-kitsimpo] nataony, dia niseho tamin’i Joseph Andriamanitra Ray sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy, ka nanokatra ny -fampodiana ny zava-drehetra- (Asan’ny Apostoly 3:21) araka ny voambara mialoha tao amin’ny Baiboly. Nianatra izy tao amin’io fahitana io fa taorian’ny fahafatesan’ireo Apôstôly voalohany dia tsy hita teto an-tany intsony ny Fiangonan’i Kristy tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao.” Ho fitaovana lehibe tamin’ny famerenana indray ny fotopampianarana sy ny fahefana ary ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy fahiny i Joseph Smith.
Nilaza i Joseph hoe: “Nahita Olona roa aho, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny, nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!”
Tamin’ny alalan’io fahitana io sy ireo zavatra ara-panahy niainana, dia lasa nahatakatra i Joseph Smith fa Andriamanitra sy i Jesoa Kristy dia nahafantatra azy manokana, niraharaha ny amin’ny famonjena azy mandrakizay, ary nanana asa hanirahana azy. Nianatra lesona manan-danja ihany koa izy mikasika ireo toetra sy fahalavorarian’ny Andriamanitra—fa ny Ray sy ny Zanaka dia Olona samihafa sy miavaka tsara. Zanakalahin’ Andriamanitra ara-bakiteny ara-panahy sy araka ny nofo i Jesoa Kristy.
Nanambara i Joseph Smith fa olona manana vatana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Nilaza izy hoe: “Ny Ray dia manana vatana nofo sy taolana azo tsapaina toy ny an’ny olona; ny Zanaka koa; fa ny Fanahy Masina dia tsy manana vatana nofo sy taolana fa vatana Fanahy.”
Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fitsidihan’ny Ray sy ny Zanaka an’i Joseph Smith no tranga nanomboka ilay “famerenana amin’ny laoniny ny zava-drehetra nolazain’ny vavan’ny mpaminany masina rehetra, hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao.”
Ny Bokin’i Môrmôna
Ny faharoa amin’ireo fifampitohizan’ireo zavatra niainana feno fahagagana izay nitarika tamin’ny fanorenana tamin’ny fomba ara-dalàna ny Fiangonan’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny dia ny fandikana sy ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna.
“Mbola hijoroanay ho vavolombelona ihany koa fa nomena an’i Joseph Smith ny fanomezam-pahasoavana sy herin’ Andriamanitra handikana rakitsoratra fahiny: ny Bokin’i Môrmôna—Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy. Io lahatsoratra masina io dia ahitana tantaran’ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy teo anivon’ireo vahoaka tao amin’ny Ilabolantany Andrefana tsy ela akory taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty. [Ny Bokin’i Môrmôna] dia mampianatra ny tanjon’ny fiainana sy manazava ny fotopampianaran’i Kristy, izay ivon’io tanjona io. Amin’ny maha-soratra masina mpiara-dia amin’ny Baiboly azy, ny Bokin’i Môrmôna dia mijoro ho vavolombelona fa ny olombelona rehetra dia zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra be fitiavana, fa manana drafitra masina Izy ho an’ny fiainantsika, ary ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy, dia miteny ankehitriny tsy misy hafa toy ny tamin’ny andro fahiny.”
Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny antsika dia “Mino ny Baiboly ho tenin’ Andriamanitra isika araka ny maha-marina ny dikanteny; mino koa isika fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmona.” Ny Bokin’i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy, manamafy ny fahamarinan’ny Baiboly, ary mamerina amin’ny laoniny fahamarinana mazava sy sarobidy izay very tao amin’ny Baiboly.
Naverina tamin’ny laoniny ny fisoronana
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mampianatra fa ny Fiangonana izay naorin’ny Mpamonjy tany am-boalohany, niaraka tamin’ny fahefany avy any an-danitra sy ny fotopampianarany ary ny ôrdônansiny dia tsy hita teto an-tany. Ho ampahany amin’ny fampodiana ny zavatra rehetra amin’ny andro farany efa naminaniana, dia ireo mpaminany sy apôstôly fahiny mihitsy no nanome ny fahefan’ny fisoronana an’i Joseph Smith ary nanankina ireo fanalahidin’ny fisoronana taminy. Fahatelo tamin’ny fifampitohizan’ireo zavatra niainana feno fahagagana izany, izay nitarika tamin’ny fanorenana tamin’ny fomba ara-dalàna ny Fiangonan’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny.
Ny fahefan’ny fisoronana dia mamela ireo mpanompon’ Andriamanitra “hisolo tena [Azy] sy hanao zavatra amin’ny anarany.” “Ny fanalahidin’ny fisoronana dia ilay fahefana izay hitarihana ny fampiasana ny fisoronana ho an’ireo zanak’ Andriamanitra.
Namerina tamin’ny laoniny ny fahefana hanaovana batisa asitrika ho famelana ny fahotana i Jaona Mpanao Batisa izay efa nitsangana tamin’ny maty, ny taona 1829, teo ambany fitarihan’ny Ray sy ny Zanakalahiny. Tamin’io taona io ihany, ireo Apôstoly Roambinifolo telo tany am-piandohana—Petera, Jakoba, ary Jaona—dia namerina ny andraikitr’ireo apôstôly sy ireo fahefan’ny fisoronana ary fanalahidy fanampiny.
Enin-taona taorian’ny fanorenana ny Fiangonana tamin’ny fomba ara-dalàna dia nanankina tamin’i Joseph Smith ny fahefana fanampiny ilaina mba hanatanterahana ny asan’ Andriamanitra amin’ny andro farany tao amin’ny Tempolin’ny Kirtland i Mosesy sy Elià ary Elia.
Nanankina ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely i Mosesy.
Nanankina ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama i Elià, anisan’izany ny famerenana amin’ny laoniny ny fanekempihavanan’i Abrahama.
Nanankina ireo fanalahidin’ny herin’ny famehezana i Elia, izay manome ilay fahefana hahatonga ireo ôrdônansy tanterahina eto an-tany ho fehezina any amin’ny mandrakizay, toy ny fanakambanana ny fianakaviana amin’ny fifandraisana mandrakizay izay mihoatra ny fahafatesana.
Naorina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy
Rehefa nandika ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith dia nandray fanambarana maro izay maneho fa haorina indray ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Saingy nanome torolalana an’i Joseph ny Tompo mba tsy hanorina avy hatrany ny Fiangonany. Fa “tamin’ny alalan’ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanambarana” no nanambaran’ny Tompo tamin’i Joseph “ny andro voafaritra izay tokony hirosoa[ny] amin’ny fananganana [indray] ny Fiangonany eto an-tany.”
Taorian’ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana sy ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna vao naorina araka ny fifampitohizany tokony ho izy ny Fiangonana. Tamin’ny 26 marsa 1830 no nivoaka ny tahadika voalohan’ny Bokin’i Môrmôna, ary tamin’ny 6 aprily ny Fiangonana no naorina tamin’ny fomba ara-dalàna.
“Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fiangonan’i Kristy tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao, izay naverina tamin’ny laoniny. Ity Fiangonana ity dia mifototra lalina amin’ny fiainana tonga lafatr’ilay vato fehizorony indrindra, dia i Jesoa Kristy, sy ny Sorompanavotany tsy manam-petra ary ny Fitsanganany tamin’ny maty ara-bakiteny. Niantso Apôstôly indray i Jesoa Kristy ary nanome azy ireo ny fahefan’ny fisoronana. Manasa antsika rehetra Izy hanatona Azy sy ny Fiangonany, handray ny Fanahy Masina, sy ireo ôrdônansin’ny famonjena, ary mba hahazo fifaliana maharitra.”
Ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana
Ny fisehoan’ny Ray sy ny Zanaka tamin’i Joseph Smith, ny fandikana sy ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna, ary ny famerenana amin’ny laoniny ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana dia zavatra notakina mialoha ny fanorenana ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny 195 taona lasa izay.
Ao amin’ny Testamenta Taloha ny mpaminany Daniela dia nilaza ny hevitry ny nofy iray momba ny vato iray izay hendahina eny an-tendrombohitra nefa tsy hendahan-tanana ary hameno ny tany rehetra. Herintaona taorian’ny nanorenana ny Fiangonana, dia nampianatra an’i Joseph Smith ny Tompo fa ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia “[n]ankinina amin’ny olona eto an-tany” indray ary “hikodiadia hatrany am-paran’ny tany ny filazantsara[n’i Jesoa Kristy], toy ny vato izay nendahina hiala tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana.”
Manatanteraka ny fampanantenany ny Tompo. Aorina manerana an’izao tontolo izao Ny Fiangonan’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny ary mitoetra ho fitaovana izay amin’ny alalany Andriamanitra no “[hanangona] ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na izay any an-danitra, na izay ety an-tany; dia ho ao aminy.”
Ny asan’ny Tompo amin’ny andro farany dia “antony iray izay mahaliana ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ny taona rehetra; lohahevitra iray izay nandrasan’ny mpaminany, mpisorona ary mpanjaka tamim-pifaliana miavaka mihitsy, efa nandrandrain’izy ireo tamim-pifaliana tokoa ny vaninandro iainantsika izao; ary niredareda ny fanantenan’ny lanitra sady faly, nihira izy ireo ary nanoratra sy naminany ity androntsika ity.”
Amin’ity fotoampitantanan’ny filazantsara lehibe sady farany amin’izy rehetra ity, dia “ilaina … ny hisian’ny fikambanana sy ny firaisana feno, tanteraka ary tonga lafatra ny fotoampitantanana sy ny fanalahidy ary ny hery sy ny voninahitra, ary hambara hatramin’ny andron’i Adama ka hatramin’izao fotoana izao izany. Ary tsy izany ihany, fa ireo zavatra izay tsy mbola nambara na oviana na oviana hatry ny fanorenana izao tontolo izao ireo … dia hambara … amin’ity fitantanan’ny fotoam-pahafenoana ity.”
Nanazava misimisy kokoa ny Mpaminany Joseph hoe: “Ireo ôrdônansy sy andraikitra rehetra izay notakian’ny Fisoronana hatrizay, eo ambany fitarihana sy didin’ilay Tsitoha amin’ny fotoampitantanana rehetra, dia ho hisy ao amin’ny fotoampitantanana farany … ka manatanteraka ny famerenana amin’ny laoniny izay voalazan’ny vavan’ny Mpaminany Masina rehetra.”
Fampanantenana sy fijoroana ho vavolombelona
Nikasa ny hamintina ireo singa fototra amin’ireo “vaovao mahafaly” manan-danja sy be voninahitra indrindra aho, izay afaka ny ho azon’ny olona na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao—ilay hafatra fa naverin’i Jesoa Kristy Tompo tamin’ny laoniny ny filazantsarany sy ny Fiangonany amin’ny andro farany.
Manasa ny rehetra aho mba hianatra sy hizaha izany hafatra izany. Mampanantena aho fa “ireo izay mandalina ombam-bavaka ny hafatry ny famerenana amin’ny laoniny ka manao asa amim-pinoana dia ho voatahy hahazo fijoroana ho vavolombelona [amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina] ho an’ny tenan’izy ireo manokana momba ny maha-avy amin’ Andriamanitra azy io sy ny tanjon’izy io, dia ny manomana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjintsika fanindroany izay efa nampanantenaina.” Rehefa mivavaka amim-kafanam-po ianao miaraka amin’ny fanantenana fa sady handray valinteny avy amin’ Andriamanitra no hanao asa mifanaraka amin’izany, tahaka ny nataon’i Joseph Smith, dia hitombo ny fahaizanao mamantatra sy mamaly izany fijoroana ho vavolombelona avy amin’ Andriamanitra izany.
Mijoro ho vavolombelona aho fa Andriamanitra Ilay Ray Mandrakizay no Raintsika. Mijoro ho vavolombelona aho ary vavolombelona fa i Jesoa Kristy no Zanaka Malalan’ny Ray ary Lahitokany tao amin’ny nofo. Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika.
Mijoro ho vavolombelona amim-pifaliana aho fa niseho tamin’i Joseph Smith zazalahy ny Ray sy ny Zanaka, ka nanomboka arak’izany ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany. Ny Bokin’i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy ary mirakitra ny tenin’ Andriamanitra. Hita eto an-tany ny fahefan’ny fisoronana mba hisolo tena ny Mpamonjy sy hanao asa amin’ny anarany indray. Ary Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fiangonan’i Kristy tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao, izay naverina tamin’ny laoniny. Ambarako ny tenivavolombeloko azo antoka fa marina ireo zavatra ireo amin’ny anarana masin’ny Tompo Jesoa Kristy, amena.