Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fanampian’ Andriamanitra hiatrehana ny fiainana an-tany
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2025


14:41

Fanampian’ Andriamanitra hiatrehana ny fiainana an-tany

Ny drafitry ny Raintsika any An-danitra dia manolotra fanampiana mba hitarihana antsika mandritra ny fiainantsika eto an-tany.

I.

Nanambara zavatra vitsivitsy momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo. Nisy tamin’ny naha-fanahy zanak’ Andriamanitra antsika isika tany. Satria maniry ny hanampy ireo zanany hivoatra Andriamanitra, dia nanapa-kevitra Izy ny hahary tany iray ahafahantsika mahazo vatana, hianatra amin’ny alalan’ireo zavatra iainana, hanana toetra tahaka ny an’ Andriamanitra, ary hosedraina raha toa ka hitandrina ny didin’ Andriamanitra isika. Ireo izay mahafeno fepetra dia hanana “voninahitra anampy eo ambony lohany mandrakizay mandrakizay” (Abrahama 3:26).

Mba hametrahana ireo fepetra amin’io drafitra masina io dia nisafidy ny Zanany Lahitokana mba ho Mpamonjy antsika Andriamanitra. I Losifera, izay nanolotra zavatra hafa izay hanimba ny fahafahana misafidin’ny olombelona dia lasa Satana ka dia “nazera ety ambany” Taorian’ny nandroahana azy ho ety an-tany sy tsy nanomezana azy ireo tombontsoa manokana sitrahina amin’ny fiainana an-tany, dia nomena lalana i Satana ny haka fanahy “mba hamitaka sy hanajamba ny olona, mba hitarika azy ho babo araka ny sitrapony, dia izay rehetra tsy te hihaino ny feon’ [Andriamanitra]” (Mosesy 4:4).

Nilaina amin’ny drafitra lehiben’ Andriamanitra ho an’ny fivoaran’ireo zanany eto amin’ny fiainana an-tany ny hiainan’izy ireo “fifanoherana amin’ny zava-drehetra” (2 Nefia 2:11). Tahaka ny tsy ahafahan’ny hozatra amin’ny vatantsika mitombo na voatazona raha tsy manohitra ny lalàn’ny ivom-besatra, dia toy izany koa no itakian’ny fivoarana eto amin’ny fiainana an-tany antsika mba hanohitra ireo fakam-panahin’i Satana sy ireo fanoherana hafa misy eto amin’ny fiainana an-tany. Fa ny manan-danja indrindra ho an’ny fivoarana ara-panahy dia ny fitakiana mba hisafidy ny tsara na ny ratsy. Ireo izay misafidy ny tsara dia hivoatra mankany amin’ny anjaran’izy ireo mandrakizay. Ireo izay misafidy ny ratsy, araka izay hisafidianan’ny rehetra ny ratsy amin’ireo fakam-panahy isan-karazany eto amin’ny fiainana an-tany, dia hila fanampiana hahazoana famonjena, izay kasain’ Andriamanitra be fitiavana hatolotra.

II.

Tsy isalasalana fa ny fanampiana mahery vaika indrindra nomen’ Andriamanitra ho an’ny fiainana an-tany, dia ny fanomezana Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy, izay hijaly mba hanonitra sy hanome famelana ireo fahotana ibebahana. Izany Sorompanavotana feno indrafo sy be voninahitra izany dia manazava ny antony maha-fitsipika voalohan’ny filazantsara ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo. Ny Sorompanavotany dia “manatanteraka ny fitsanganan’ny nodimandry amin’ny maty” (Almà 42:23) ary “[m]anonitra ny fahotan’izao tontolo izao” (Almà 34:8) ka mamafa ny fahotana rehetra nibebahantsika ary manome hery ny Mpamonjintsika hanavotra antsika amin’ireo rofy mianjady amintsika eto amin’ny fiainana an-tany.

I  Jesoa Kristy Mpamonjy.

Ankoatra izany famafana amin’ny fomba feno voninahitra ny fahotana izany sy ny fahazoana famelan-keloka, dia manolotra fanomezam-pahasoavana maro hafa hiarovana antsika ny drafitry ny Ray any An-danitra be fitiavana, tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana antsika mba tsy hanota akory. Miantomboka amin’ny ray sy reny foana ny fiainantsika eto an-tany. Ny tsara indrindra dia samy eo izy ireo mba hitarika ny fivoarantsika amin’ny alalan’ireo fanomezam-pahasoavana samihafa ananan’izy ireo. Raha tsy izay no zava-misy, dia isan’ny fanoherana tsy maintsy resentsika ny tsy fisian’ny ray na reny na izy roa.

III.

Ny drafitry ny Raintsika any An-danitra dia manolotra fanampiana hafa mba hitarihana antsika mandritra ny fiainantsika eto an-tany. Hiresaka momba ny efatra amin’ireo aho. Aza tazonina amin’ilay isa efatra nolazaiko teo aho satria mety mifampidimpiditra ireo fanampiana ireo. Ankoatra izay dia misy fiarovana feno indrafo hafa mbamin’ireo fanampiana ireo.

Voalohany dia hiresaka momba ny Fahazavana na ny Fanahin’i Kristy aho. Ao amin’ilay fampianarany voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia dia mindrana ny fampianaran’ny rainy fa “ny Fanahy dia omena ny olona tsirairay … mba hahazoany manavaka ny tsara amin’ny ratsy” (Môrônia 7:16). Vakintsika ao amin’ireo fanambarana maoderina ihany koa io fampianarana io:

“Ary ny Fanahy dia manome fahazavana ho an’ny olona rehetra izay tonga eo amin’izao tontolo izao; ary ny Fanahy dia manazava ny olona rehetra manerana izao tontolo izao, izay mihaino ny feon’ny Fanahy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:46).

Miverina ihany, manao hoe: “Fa ny Fanahiko dia alefa any amin’izao tontolo izao hanazava ireo manetry tena sy manenina, ary ho fanamelohana ny tsy manana an’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:33).

Nanazava ireo soratra masina ireo ny Filoha Joseph Fielding Smith: “Tsy navelan’ny Tompo ho tsy afa-manoatra ny olona (rehefa teraka eto amin’ity tontolo ity), hitsapatsapa hikaroka ny fahazavana sy ny fahamarinana, fa ny olona rehetra kosa … dia teraka miaraka amin’ny zo hahazo ny fitarihana sy ny fampianarana ary ny torohevitra avy amin’ny Fanahin’i Kristy na ny Fahazavan’ny Fahamarinana.”

Ny fandalinana ny soratra masina.

Ny fanampiana lehibe faharoa izay omen’ny Tompo mba hanampiana antsika hisafidy ny tsara dia fitambarana torolalana mifandray ao amin’ny soratra masina ao anatin’ny drafitry ny famonjena (drafitry ny fahasambarana). Didy sy ôrdônansy ary fanekempihavanana izany.

Ny didy dia mamaritra ny lalana nosoritan’ny Ray any An-danitra mba handrosoantsika mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Ny olona izay mieritreritra ireo didy ho toy ny fomba entin’ Andriamanitra manapa-kevitra hoe iza no hofaizina dia tsy mahatakatra io tanjon’ny drafitry ny fahasambarana feno fitiavan’ Andriamanitra io. Eo amin’izany lalana izany isika dia afaka mamolavola tsikelikely ilay fifandraisana amin’ny Mpamonjy izay ilaina isika ary mendrika ny hahazo misimisy kokoa amin’ny heriny mba hanampiana antsika eo amin’ny lalana mitondra antsika any amin’ny toerana tiany hahatongavantsika rehetra. Irian’ny Raintsika any An-danitra ny hiverenan’ny zanany rehetra any amin’ny fanjakana selestialy, izay toerana fonenan’ Andriamanitra sy ilay Mpamonjy antsika, ka hanana ny karazana fiainana ananan’ireo izay mipetraka ao amin’izany voninahitra selestialy izany.

Ny ôrdônansy sy fanekempihavanana dia isan’ireo lalàna izay mamaritra ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Ireo ôrdônansy, ary ireo fanekempihavanana masina ataontsika amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo ôrdônansy, dia dingana takina sy aroloza tena ilaina eo amin’izany lalana izany. Tiako ny mieritreritra ny anjara asan’ireo fanekempihavanana ho toy ny fomba enti-maneho fa, ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra, ireo fitahiana lehibe indrindra avy Aminy dia omena ireo izay mampanantena mialoha ny hitandrina didy sasantsasany sy ireo izay mihazona ireo fampanantenana ireo.

Ny fiasan’ny herin’ny Fanahy Masina no fanampiana hafa omen’ Andriamanitra amin’ny fanaovana safidy marina. Mpikambana fahatelo ao amin’ Ny Andriamanitra ny Fanahy Masina. Ny asany, araka ny voafaritra ao amin’ny soratra masina, dia ny mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka, ny mampianatra antsika, ny mampahatsiahy antsika ny zava-drehetra ary ny mitarika antsika any amin’ny fahamarinana rehetra. Ahitana famariparitana maro momba ny “fiasan’ny herin’ny” Fanahy Masina ny soratra masina, toy ny fijoroana ho vavolombelona ara-panahy ho valin’ny fanontaniana iray momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Ny fiasan’ny herin’ny Fanahy Masina dia tsy tokony hafangaro amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina, izay omena aorian’ny batisa.

Isan’ireo fanampiana manan-danja indrindra avy amin’ Andriamanitra ho an’ireo zanany mahatoky ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ny lanjan’io fanomezana io dia hita mibaribary ao amin’ny hoe omena amin’ny fomba ôfisialy aorian’ny fibebahana sy ny batisan’ny rano ilay izy, “ary avy eo dia [manazava ny soratra masina fa] tonga ny famelana ny fahotanareo amin’ny alalan’ny afo sy ny Fanahy Masina” (2 Nefia 31:17). Ireo olona izay manana io famelana ny fahotana io—ary avy eo manavao tsy tapaka ny fanadiovana azy ireo isan’andro amin’ny alalan’ny fibebahana isan’andro sy ny fiainana mifanaraka amin’ny fanekempihavanana ataon’izy ireo amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo—dia mendrika ny hahazo ilay fampanantenana fa ny Fanahy Masina, ny Fanahin’ny Tompo, dia “[hiaraka aminy] … mandrakariva” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77).

Filoha Joseph F. Smith.

Nampianatra ny Filoha Joseph F. Smith fa “hanazava ny sain’ny olona mahakasika ireo zavatr’ Andriamanitra mba handresy lahatra azy ireo amin’ny fotoanan’ny fiovam-pony fa nahavita ny sitrapon’ny Ray izy ireo, ary ho fijoroana ho vavolombelona mitoetra ao anatin’izy ireo mba ho namany mandritra ny fiainana, izay miasa ho toy ny mpitari-dalana azo itokiana sy azo antoka hahafantarana ny fahamarinana rehetra sy hameno azy ireo amin’ny fifaliana sy haravoana isan’andro, miaraka amin’ny faniriana hanasoa ny olona rehetra, hiaritra izay ratsy atao aminy toy izay hanao ratsy, ho tsara fanahy sy be indrafo, mahari-po sy feno fiantrana. Ireo rehetra izay manana io fanomezana tsy hay sandaina io, io voahangy lafo vidy io, dia mangetaheta hatrany hatrany ny fahamarinana. Raha tsy misy ny fanampian’ny Fanahy Masina,” hoy ny tsoan-kevitry ny Filoha Smith, “dia tsy misy olombelona afaka mandeha eo amin’ilay lalana ety sy tery.”

IV.

Na dia efa misy ireo fanampiana mahery vaika hitarihana antsika eo amin’ny diantsika eto an-tany ireo aza, dia mandiso fanantenana fa maro tokoa ireo izay mbola tsy vonona ho amin’ilay fotoana voatendry hihaonany amin’ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, dia i Jesoa Kristy. Ilay fanoharana nataony momba ny virijina folo, izay voaresaka imbetsaka tokoa tamin’ny fomba kanto nandritra ity fihaonambe ity, dia milaza fa ny antsasak’ireo izay nasaina hihaona Aminy no tsy ho vonona.

Ireo virijina folo.

Samy mahafantatra ohatra amin’ireo izay tsy ho vonona isika rehetra: misiônera nahavita asa fitoriana izay nanatsahatra ny fivoarany ara-panahy noho ny fotoana nampalaindaina, zatovo izay nanimba ny fivoarany ara-panahy noho ny fisarahana tamin’ireo fampianarana sy fiaraha-mientan’ny Fiangonana, lehilahy mampihemotra ny fanendrena azy ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka, lehilahy sy vehivavy—izay indraindray dia taranaky ny mpamakilay mendri-piderana na ray aman-dreny mendrika—izay niala tamin’ny lalan’ny fanekempihavanana ka tsy nanao na nitandrina ireo fanekempihavanana tany amin’ny tempoly masina.

Vavaky ny tena manokana.

Maro amin’ny fivilian-dalana toy izany no mitranga rehefa tsy vitan’ireo mpikambana ny manaraka ny drafitra fototra fikarakarana ny aim-panahy, dia ny vavaky ny tena manokana, ny fandalinana soratra masina tsy tapaka, ary ny fibebahana matetika. Ny sasany kosa dia manao tsinontsinona ny fanavaozana isan-kerinandro ireo fanekempihavanana amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Ny sasany dia milaza fa tsy mahavita manome izay zavatra andrasan’izy ireo ny Fiangonana; ny zavatra heverin’izy ireo fa hilain’izy ireo any aoriana any no hapetrany ho lohalaharana mihoatra noho ny zavatra natolotry ny Tompo tao anatin’ireo fampianarany maro sy ireo fahafahana azo araraotina hanaovana ny asa fanompoana ny hafa izay tena ilaintsika atao.

Ny fanetrentena sy ny fatokiana ny Tompo no fanafodin’ny karazana fivilian-dalana toy izany. Mampianatra ny Bokin’i Môrmôna fa ny Tompo “dia mitahy sy mampiroborobo ireo izay mametraka ny fitokiany Aminy” (Helamàna 12:1). Ny fatokiana ny Tompo dia zavatra manokana tena ilain’ireo rehetra izay diso noho ny fampitahana ny didin’ Andriamanitra sy ny fampianaran’ireo mpaminaniny amin’ireo zava-baovao farany indrindra sy ny fahendren’olombelona.

Niresaka momba ireo fanampiana maro misy mandritra ny fiainana an-tany izay omen’ny Ray any An-danitra be fitiavana mba hanampiana ny zanany hiverina any Aminy aho. Ny anjarantsika ao amin’izany drafiny masina izany dia ny matoky an’ Andriamanitra ary mikatsaka sy mampiasa ireo fanampiana masina ireo, indrindra fa ny Sorompanavotan’ilay Zanany malala, dia i Jesoa Kristy Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Mivavaka aho ny mba hampianarantsika sy hiainantsika ireo fitsipika ireo, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.