Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ireo fanomezana lehibe indrindra maharitra mandrakizay: Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny Fitsanganana amin’ny maty, ny Famerenana amin’ny laoniny
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2025


13:57

Ireo fanomezana lehibe indrindra maharitra mandrakizay: Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny Fitsanganana amin’ny maty, ny Famerenana amin’ny laoniny

Hitantsika ao amin’ny Paska ao amin’i Jesoa Kristy ny fiadanana, ny fahatongavana ary ny fananana toerana, izay tena misy sy mitondra haravoana maharitra, mahafaly ary mandrakizay.

Taona maro lasa izay dia nianatra tsianjery andininy avy ao amin’ny Baiboly ny kilasy fianaranay ny filazantsara isa-maraina. Mazava ho azy fa naleoko kokoa nisafidy ireo andalana fohy. Anisan’izany ny Jaona 11:35— izay andininy fohy indrindra ao amin’ny soratra masina, teny roa monja: “Jesoa nitomany.”

Ho ahy manokana, ny hoe Jesoa nitomany tamin’ny alahelo sy ny hafaliana dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ilay fahamarinana mahatalanjona hoe: Ilay Zanaka lahin’ Andriamanitra dia tonga ara-batana tetỳ an-tany ary nianatra araka ny nofo ny fomba hiarahana amintsika sy hitahiana antsika mandrakariva.

Rehefa mitomany noho ny alahelo na ny fifaliana isika dia mahatakatra tanteraka ny fahatsapantsika i Jesoa Kristy. Afaka ny ho eo Izy amin’ireo fotoana izay ilantsika indrindra ireo fanomezana lehibe maharitra mandrakizay: dia ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny Fitsanganana amin’ny maty, ary ny famerenana amin’ny laoniny.

Mitomany Izy.

Nitomany noho i Lazarosy anadahin’izy ireo nodimandry i Maria sy i Marta. Niontam-po sy feno fangorahana i Jesoa ka nitomany. Natsangany tamin’ny maty i Lazarosy.

Nitazana an’i Jerosalema i Jesoa tamin’ny andro nialoha ny Paska. Nitomany Izy, tsy mba afaka nanangona ny olony tahaka ny hanangonan’ny reniakoho ireo zanany. Manome fanantenana antsika ny Sorompanavotany ankehitriny rehefa malahelo izay mety ho nisy isika .

Nitomany ilay tompon’ny tanimboloboka raha nanontany ireo mpanompony, ary mety ho anisan’ny mpanompony isika amin’ny maha rahalahy sy rahavavy mpanompo antsika: “Inona no mbola tokony ho azoko natao bebe kokoa ho an’ny tanimboliko?”

Nijoro tamin’alahelo lehibe teo akaikin’ny fasana i Maria. Nanontany tamim-pitiavana i Jesoa nanao hoe: “Nahoana ianao no mitomany?” Fantany fa “amin’ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.” Mitondra maraim-baovao ho an’ny rehetra ny Fitsanganana amin’ny maty.

Tany amin’ireo tany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, rehefa tonga niseho teo Aminy ny valalabemandry nahatoky, dia feno ny fifalian’i Jesoa. Nitomany Izy.

“Ary nalainy tsirairay ny ankizy madininy ary notsofiny rano izy ireo, nivavahany ny Ray ho azy ireo.

“Ary nony nanao izany Izy dia nitomany indray.”

Izao no Paska ao amin’i Jesoa Kristy: Mamaly ireo fanirian’ny fontsika sy ireo fanontanian’ny fanahintsika Izy. Fafany ireo ranomasontsika, afa-tsy ireo ranomasom-pifaliantsika.

Rehefa mipatrapatraka ny ranomasontsika, dia miala tsiny isika indraindray, menatra. Saingy ny fahafantarana fa i Jesoa Kristy dia mahatakatra ireo fahoriana sy fifalian’ny fiainana dia afaka manome antsika hery mihoatra noho izay ananantsika rehefa mandalo ny mangidy sy ny mamy isika.

Tany Amerika Atsimo dia nisy raim-pianakaviana iray nifokofoko nitomany. Nodimandry ilay zananivavy vao herotrerony izay fahazavana teo amin’ny fiainany. “Hafoiko na inona na inona mba hahitana azy indray,” hoy izy nitomany teo an-tsandriko. Nitomany koa aho.

Ny Loholona Gong nandritra ny fanokanana ny Tempolin’i Puebla Mexique.

Tamin’ny fanokanana ny Tempolin’i Puebla Mexique, dia kotsan-dranomasom-pifaliana ny tavan’ny rahavavy malala anankiray. Hita taratra teny aminy ny finoany sy ny fahafoizan-tenany. Hoy izy, “Todos mis hijos estan aqui en el templo hoy”, “Ato amin’ny tempoly ato avokoa ireo zanako androany.” Mitondra ranomasom-pifaliana sy fankasitrahana ireo taranaka tafavory ao amin’ny tranon’ny Tompo.

Nandritra ny ady an-trano feno habibiana, dia nifanao zavatra tsy takatry ny saina ny mpihavana sy ny mpifanolobodirindrina. Tsikelikely dia nanokatra lalana ho an’ny fanantenana ny ranomaso feno nenina. Niteny tamin’ny feo mangovitra ny vehivavy iray tao amin’ny tanàna kely iray hoe: “Ry mpiray vodirindrina, alohan’ny handehanako ao ambany rangolahy dia mila miteny aminao aho hoe aiza no misy ireo havanao izay tsy hita.”

Fehezina ao amin’ny tranon’ny Tompo ny vehivavy mamiratra iray izay ampakarina sy ny lehilahy tsara tarehy iray izay mpampakatra. Fitompolo taona ravehivavy, tahaka an-dralehilahy. Tsara tarehy ravehivavy ary efa miandry amim-pahamendrehana an’ity andro ity izy. Mampitopatopa ny akanjo mariaziny izy na dia menamenatra aza. Latsa-dranomasom-pifaliana izahay. Tanteraka ireo fampanantenan’ Andriamanitra. Mitondra fitahiana ireo fanekempihavanany.

Nandritra ny fampianarana isan-tokantrano nataony ho an’ny rahavavy mananotena iray dia nianatra lesona nampihetsi-po i Boyd K. Packer fony izy zatovolahy. Taorian’ny fifandirany tamin’ny vadiny, io rahavavy io dia niteny zavatra nandratra iray. Nisy loza tsy nampoizina nitranga ka nahafaty ny vadiny tamin’io andro io. “Nandritra ny dimampolo taona,” dia nitomany ilay vehivavy mananotena, “fahoriana no niainako noho ny fahafantarako fa ny teny farany henony avy amin’ny molotro dia ilay hafatra manindrona sy mandratra.”

Ny Paska ao amin’i Jesoa Kristy dia manampy antsika hanamboatra, hampifanatona, hanarina ny fifandraisantsika, amin’ny lafiny roa an’ny voaly. Afaka manasitrana ny alahelo i Jesoa, afaka mitondra famelana Izy. Afaka manafaka antsika sy ny hafa Izy amin’ireo teny na zavatra nataontsika na nataon’izy ireo, izay mangeja antsika ho toy ny babo.

Ny Paska ao amin’i Jesoa Kristy dia mamela antsika hahatsapa ny fankatoavan’ Andriamanitra. Izao tontolo izao dia milaza antsika lava loatra, fohy loatra, lehibe loatra, kely loatra, tsy ampy faharanitan-tsaina na hatsaran-tarehy na toetra ara-panahy. Amin’ny alalan’ny fiovana ara-panahy ao amin’i Jesoa Kristy kosa isika dia afaka miala amin’ny fikatsahana fahalavorariana izay manakivy.

Amin’ny fifalian’ny Paska no hihirantsika hoe: “Fitiavan-dehibe, Natolony anao re.” Ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty dia manafaka antsika amin’ny fahafatesana, sy amin’ny fahatrotrahana entin’ny taona efa mandroso, ary amin’ireo tsy fahatomombanana ara-batana. Ny Sorompanavotan’i Kristy ihany koa dia mamerina antsika amin’ny laoniny ara-panahy. Nivoa-dra isaky ny mason-kodiny, toy ny hoe nitomany ra, mba hanafahana antsika amin’ny fahotana sy ny fisarahana Izy. Ampifandraisiny isika, sitrana sy masina, amintsika samy isika sy amin’ Andriamanitra. Amin’ny zavatra tsara rehetra, dia mipololotra ny famerenanana amin’ny laoniny ataon’i Jesoa Kristy, tsy ho an’izay efa nisy ihany fa ho an’izay mety hisy ihany koa.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany rehetra ny fiainana sy ny fahazavan’i Jesoa. Satria Andriamanitra Raintsika dia tia ireo zanany rehetra na oviana niainany na aiza misy azy, dia hitantsika ao amin’ny fomba sy kolontsaina maro ny fanasany am-pitiavana mba hanatona ka hahita fiadanana sy fifaliana ao Aminy. Na aiza misy antsika, na oviana nianantsika, na iza isika na iza, dia mitovy ny maha-isika antsika araka an’ Andriamanitra amin’ny maha zanak’ Ilay Mpahary antsika. Mitovitovy amin’izay ihany koa, ireo mpino Silamo, Jodaisma, ary Kristiana dia samy manana lova ara-pivavahana avy amin’i Abrahana sy fifandraisana ara-panekempihavanana amin’ireo zava-nitranga tany Egypta fahiny.

Abrahama raintsika dia nankany Egypta ary notahiana.

I Josefa izay namidy ho andevo tany Egypta, dia nahafantatra fa ny nofin’i Farao dia fambara an’ireo fito taona zina arahin’ny fito taona mosarena. Namonjy ny fianakaviany sy ny vahoakany i Josefa. Nitomany i Josefa rehefa nahita ny drafitra lehibe kokoa nataon’ Andriamanitra, izay niarahan’ny zava-drehetra niasa mba hahasoa ireo izay mitandrina ny fanekempihavanany.

Mosesy, izay lehibe teo anivon’ny ankohonan’i Farao tany Egypta, dia nandray, ary namerina tamin’ny laoniny taty aoriana, ireo falanahidin’ny fanangonana ny zanak’ Andriamanitra.

Nitsoaka tany Egypta i Josefa sy i Maria ary i Jesoa.

Ho fanatanterahana ny faminaniana, dia nitady fialofana tany Egypta i Josefa sy Maria ary i Kristy zazakely. Tao Le Caire, dia nisy mpino Silamo mahafatrapo nilaza tamim-panajana hoe: “Ny Coran dia mampianatra fa i Josefa sy i Maria ary i Jesoa zazakely dia nahita fiarovana sy fialofana tatỳ amin’ny fireneko. Tatỳ amin’ny fireneko i Jesoa izay mbola zaza niana-nandeha no nihinana ny sakafonay sy nahavita namindra samirery voalohany ary nanonona ny teniny voalohany. Atỳ amin’ny fireneko dia mino izahay fa nilofika ireo hazo fihinam-boa mba hanome voankazo ho Azy sy ny fianakaviany. Nitahy ny vahoakanay sy ny taninay ny nitoerany tatỳ amin’ny taniko.”

Ny drafitr’ Andriamanitra amin’ny fahafahana misafidy araka ny tokony ho izy etỳ an-tany dia mamela antsika hianatra avy amin’ny zavatra iainantsika manokana. Ny sasany amin’ireo lesona lehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika dia azo avy amin’ny zavatra izay tsy ho nosafidiantsika mihitsy. Tamim-pitiavana no nidinan’i Jesoa Kristy ho ambanin’ny zava-drehetra ary niakarany ho ambonin’ny zavatra rehetra. Mahafaly Azy ny fahalalana araka an’ Andriamanitra ananantsika hahay hamorona sy hifaly, haneho fahatsaram-panahy tsy manantena valiny, hanam-pinoana ho amin’ny fibebahana sy famelan-keloka. Ary nitomany tamin’alahelo Izy noho ny halehiben’ny fijalian’ny olona sy ny faharatsiany ary ny tsy rariny—izay indraindray tonga noho ny safidin’ny olona—tahaka izany koa ny lanitra sy ny Andriamanitry ny lanitra miaraka amin’izy ireo.

Mijoro ho vavolombelona ny vanim-potoanan’ny lohataona amin’ny Paska fa ny fifanojoan’ireo tranga ara-panahy dia tafiditra ao amin’ny lamina masin’ny sorompanavotana, ny fitsanganana amin’ny maty ary ny famerenana amin’ny laoniny amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Tsy kisendrasendra na hoe tsy nahy io fifanojoana masina sy mifono tandindona io. Ny Alahadin’ny Sampan-drofia, ny Herinandro Masina, ary ny Paska dia mankalaza ny Sorompanavotan’i Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Tahaka ny anio, isaky ny 6 aprily isika dia mankalaza ny nanorenana sy nananganana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Io Famerenana amin’ny laoniny io no antony hivondronantsika isaky ny alahady voalohany amin’ny volana aprily amin’ny fihaonambe maneran-tany.

Ny Famerenana amin’ny laoniny ihany koa dia nitranga rehefa namerina ireo fanalahidy sy fahefan’ny fisoronana i Jesoa Kristy efa nitsangana tamin’ny maty sy i Mosesy, i Elià ary i Elia tao amin’ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny alahadin’ny Paska tamin’ny 1836. Tao anatin’izany tamin’io andro io dia tonga tamin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ny fahefan’ Andriamanitra sy ny fitahiana mba hanangona ireo zanany, sy hanomana ireo zanany mba hiverina any Aminy, ary hampitambatra ny fianakaviana ho mandrakizay. Ny Famerenana amin’ny laoniny tamin’io andro io dia nanatanteraka faminaniana noho izy nitranga tamin’ny andro izay sady Paska Kristiana no Paska Jiosy.

Ny Loholona Gong tao amin’ny Tempolin’i Kirtland.

Vao haingana aho no nitsidika toerana masina tany Ohio izay nahitan’i Joseph mpaminany sy olona hafa an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany tanaty fahitana, tafiditra ao anatin’izany ny tempolin’i Kirtland. Nahita ny endriky ny lanitra ny Mpaminany Joseph. Any an-danitra, ny Ray any An-danitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia “mamonjy ny asan’ny tanany rehetra” ao amin’ny fanjakam-boninahitra iray. Ny hany maningana dia ireo izay minia “mandà ny Zanaka taorian’ny efa nanambaran’ny Ray Azy.”

Rehefa nanomboka ny asa fanompoana nataony tetỳ an-tany i Jesoa dia nanambara Izy fa ny asa nanirahana Azy dia ny hitahy antsika tsirairay amin’izay zavatra rehetra ekentsika ho raisina—amin’ny fotoana rehetra, amin’ny tany rehetra, amin’ny toe-javatra rehetra. Taorian’ny fifadian-kanina 40 andro nataony dia nankao amin’ny synagoga i Jesoa ary namaky hoe: “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina.”

Ny malahelo, ny nampahoriana, ny mpifatotra, ny jamba, ny nampahoriana—dia isika tsirairay avy.

Tohizan’ny bokin’i Isaia ilay fampanantenana momba ny Mesia hoe: “Hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon’ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka.”

Noho izany isika dia hiantsoantso hoe: “Hifaly dia hifaly amin’i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’ Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana.”

Isaky ny vanim-potoana Paska isika dia mankalaza, amin’ny endriny mitambatra ho tandindona, ireo fanomezana lehibe indrindra maharitra mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy: ny Sorompanavotany, ny Fitsanganany tamin’ny maty (sy ny fampanantenana ny fitsanganantsika amin’ny maty), ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonany amin’ny andro farany miaraka amin’ireo fanalahidy sy fahefan’ny fisoronana mba hitahiana ireo zanak’ Andriamanitra rehetra. Mifaly isika ao amin’ny fitafiana famonjena sy ny akanjo fahamarinana. Mihiaka isika hoe: “Hôsanà ho an’ Andriamanitra sy ny Zanakondry!”

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”

Enga anie isika tsirairay hahita ao amin’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny famerenana amin’ny laoniny, ny fiadanana, ny fiovana ho tahaka Azy ary ny firaisam-po, izay tena mitoetra sy mahafaly, mahasambatra sy mandrakizay, izany no vavaka ataoko amin’ny anarany masina, dia i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Almà 7:11–12. Mariho ihany koa ny fampanantenana ao amin’ny fanekempihavanana mandritra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo: Mitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy isika, “[m]ahatsiaro Azy mandrakariva, ary ny hitandrina ny didiny … ; mba hananan[tsika] mandrakariva ny Fanahiny miaraka amin[tsika]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77).

  2. Jereo ny Jaona 11:33–35, 39–44.

  3. Jereo ny Lioka 19:41–44; jereo koa ny Matio 23:37; Lioka 13:34.

  4. Jakôba 5:41.

  5. Jaona 20:15.

  6. Salamo 30:5.

  7. 3 Nefia 17:21–22.

  8. Jereo ny Salamo 107:9; Jeremia 33:3.

  9. Jereo ny Isaia 25:8.

  10. Jereo ny Almà 26:12.

  11. Jereo ny Boyd K. Packer, “The Saints Securely Dwell,” Ensign, Jan. 1973, 89–90.

  12. Ny “Chantons tous, pleins d’allégresse!,” Cantiques no. 121, dia mampanakoako ny vaovao mahafaly voalaza ao amin’ny 2 Nefia 9:10: fa i Jesoa Kristy dia “manomana lalana mba hialantsika amin’ny fihazonan’io biby mahatsiravina io; eny, ilay biby, fahafatesana sy helo, … ny fahafatesan’ny vatana, ary koa ny fahafatesan’ny fanahy.”

  13. Jereo ny Genesisy 37–47. Ny nitondran’i Josefa an’i Jakoba rainy sy ny fianakaviany tany Egypta dia maneho ny fihaonana feno fitiavana indray an’ny ray sy ny zanaka izay tafasaraka nandritra ny fotoana ela. Tamin’ny alalan’izany ihany koa no nitahirizana ny fianakavian’i Jakoba sy ny taranany ao amin’ny fanekempihavanana, izay ahitana an’i Lehia sy ny fianakaviany. (Jereo ny 1 Nefia 5:14–15; 6:2.)

  14. Jereo ny Genesisy 45:1–8.

  15. Jereo ny Romana 8:28; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24; 98:3.

  16. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11; jereo ihany koa ny Marka 9:2–10; Lioka 9:28–36.

  17. Jereo ny Matio 2:13–15.

  18. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6; 122:8.

  19. Jereo ny Mosesy 7:28.

  20. Miresaka momba ny vanim-potoanan’ny Paska amin’ny lohataona isika, kanefa mahita koa isika fa ny Paska dia afaka ny ho mandritra ny volana martsa na aprily ary ny lohataona any amin’ny ilabolantany avaratra dia mazàna mitranga amin’ny martsa na aprily. Na inona na inona daty voafaritra hankalazana ny Paska dia mampahatsiahy antsika ireo fanomezana lehibe indrindra maharitra mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny vanim-potoanan’ny Paska.

  21. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:3; 115:4.

  22. Ireo tsingerintaona masina ankalazaina isaky ny vanim-potoanan’ny Paska dia mifanontona tsara amin’ny fotoana iray indraindray. Ohatra, hitranga amin’ny alahady iray ny Paska sy ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany amin’ny 2026 sy 2029. Hitranga amin’ny alahady iray ny Alahadin’ny Sampan-drofia sy ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany amin’ny 2031 sy 2034. Hitranga amin’ny fotoana akaikin’ny Paska sy mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ny Paska Jiosy amin’ny 2026 sy 2029. Na dia mifanojo amin’ny fotoana iray na tsia aza ireo tsingerintaona ireo dia takatsika fa tsy kisendrasendra na mitranga fahatany ny fifandrifian’izy ireny; masina sy maneho zavatra masina izy ireny.

  23. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110.

  24. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:43; jereo koa ny andininy 42.

  25. Mampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Ny tanjon’ity Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ity dia ny hanomana ireo zanak’ Andriamanitra ho amin’ny famonjena any amin’ny voninahitra selestialy sy ny fisandratana ao amin’ny ambaratonga ambony indrindra ao amin’izany” (“Fanjakam-boninahitra”, Liahona, nôv. 2023, 27).

  26. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:43.

  27. Lioka 4:18; jereo ny Isaia 61:1.

  28. Isaia 61:3.

  29. Isaia 61:10.

  30. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:79.

  31. Jaona 3:16.