Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Hianao no Kristy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2025


11:12

Hianao no Kristy

(Matio 16:16)

Tiantsika ny zanatsika mba hino an’i Jesoa Kristy, ho an’i Jesoa Kristy sy ho mpikambana ao amin’ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanekempihavanana, ary hiezaka ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy.

Fony tao amin’ny kilasin’ny taona fahaefatra ny zanakay lahy dia nametraka sarisarina fitondram-panjakana ny tao an-dakilasiny, ka i Eli no nofinidin’ny mpiara-mianatra aminy ho mpitsara tao an-dakilasy. Indray andro, nitsidika azy ireo ny mpitsara am-perinasa avy tao amin’ny tribonalin’ny Distrika faharoan’ny Utah, ka nampitafy an’i Eli ny fanamiany ôfisialy, ary avy teo dia nampanao fianianana azy tao an-dakilasiny. Izany dia nampitsiry tao anatin’ny fanahin’i Eli, izay mbola tanora sy mora mandray tokoa, ny fitiavana handalina ny momba ny lalàna sy ilay Mpanome Lalàna mihitsy dia i Jesoa Kristy.

Taorian’ny taona maro nanaovana ezaka tamim-pahavitrihana dia nahazo fanasana mba hanao tafa sy dinika amin’ny iray amin’ireo sekoly fianarana lalàna tena malaza izay nosafidiny i Eli. Niteny izy hoe, “Neny a! Fanontaniana niisa 10 no napetraka tamiko. Ny fanontaniana farany dia hoe, -Avy aiza no nahazoanao ny fenitra ara-pitondrantena arahinao?- Nolazaiko fa nandritra ny tantaran’izao tontolo izao, dia nahazo rafitra ara-pitondrantena ny olombelona tamin’ny alalan’ny famolavolan’ny fiainany, avy amin’ny olona manana toetra miavaka. Ny olona manana toetra ara-pitondrantena miavaka izay alaiko tahaka mba hamolavolako ny fiainako dia i Jesoa Kristy. Nolazaiko fa raha toa ny olombelona rehetra ka manaraka ny fampianaran’i Jesoa Kristy ao amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra dia ho toerana tsara sy hilamina kokoa izao tontolo izao.” Nifarana ilay tafa sy dinika taorian’izay ary nieritreritra tao an-tsainy izy hoe, “Rava ireo nofinofiko hatry ny fony mbola kely. Tsy misy na iza na iza te haheno momba an’i Jesoa Kristy izany aty amin’ny tontolon’ny fampianaran’izao tontolo izao.”

Roa herinandro taty aoriana dia voaray sady nahazo vatsim-pianarana i Eli. Nitsidika ilay oniversite izahay mialohan’ny hanolorany tena hianatra ao. Niendrika toy lapan’ny mpanjaka ilay sekoly fianarana lalàna ary naorina teny amina havoana iray izay nahatazana farihy tsara tarehy. Ny zavatra niavaka rehefa namakivaky ilay tahirim-boky mahatalanjona sy ireo lalantsara tsara tarehy izahay, dia hitanay teny amin’ireo faneva sy soratra voasokitra teny amin’ny vato ireo toetra avy ao amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra.

Ny Toriteny teo an-tendrombohitra no lahateny tena faran’izay miavaka indrindra nozaraina hatramin’izay, izay toa ny nisava lalana ny fampianarana nozarainy. Tsy misy toriteny hafa ankoatra izany afaka manampy antsika hahatakatra tsara kokoa momba ny toetran’i Jesoa Kristy sy ireo toetrany amin’ny maha-Andriamanitra Azy, ary ny tanjontsika faratampony mba ho tonga tahaka Azy.

Ny maha-mpanaradia an’i Jesoa Kristy mandritra ny fiainana dia manomboka ao an-tokantranontsika sy any amin’ny Kilonga raha vao 18 volana monja ny zaza. Tiantsika ny zanatsika hino an’i Jesoa Kristy, hiombona ao amin’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanekempihavanana, ary hiezaka ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy.

Minoa an’i Jesoa Kristy

Voalohany, minoa an’i Jesoa Kristy.

Taorian’ilay toriteny momba ny mofon’aina dia hitan’ny “maro tamin’ny mpiana[try ny Tompo]” fa sarotra ny nanaiky ireo fampianarany sy ny fotopampianarany, ka dia “nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony” izy ireo. Nitodika tany amin’ny Roambinifololahy avy eo i Jesoa ka nanontany tamin’alahelo lehibe hoe: “Hianareo koa va mba te-hiala?”

Namaly i Petera hoe:

“Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.

“… Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’ Andriamanitra.”

I Petera dia naneho fa ny finoana “dia mino olona na manaiky zavatra ho marina.” Ary mba ahafahan’ny finoantsika mitondra antsika any amin’ny famonjena, dia tsy maintsy mifantoka amin’i Jesoa Kristy Tompo izany. “Mampihatra ny finoantsika an’i [Jesoa] Kristy isika rehefa manana fahatokiana fa misy Izy, sy rehefa manana [fahatakarana] ny [tena] toetrany ary rehefa manana fahalalana fa miezaka miaina araky ny sitrapony isika.”

Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson mpaminany malalantsika hoe: “Ny finoana an’i Jesoa Kristy no fototry ny finoana rehetra sy fantsona hahazoana ny herin’ Andriamanitra.”

Ahoana no ahafahantsika manampy ny ankizy hampatanjaka ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy hahazo ny heriny masina? Tsy mila mitady lavitra kokoa noho ny Mpamonjy antsika mihitsy isika.

“Niteny tamin’ny vahoaka [ny Tompo] nanao hoe:

“Indro, Izaho no Jesoa Kristy. …

“Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko. …

“… Nandroso ny valalabemandry ary napetrany teo amin’ny lanivoany ny tanany, ary notsapainy ny diam-pantsika teo amin’ny tanany sy ny tongony; ary izany no nataony, rehefa nandroso tsirairay ireo …, ary hitany tamin’ny masony sy notsapainy tamin’ny tanany ary fantany marina tokoa ary vavolombelona manambara izy ireo fa Izy no Ilay efa nosoratan’ny mpaminany fa ho avy.”

Manasa anareo aho hisaintsaina ny mety ho endrik’izany eo amin’ny fiainan’ireo ankizy kely. Moa ve izy ireo maheno fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany? Moa ve izy ireo mahita sary feno fanajana sy fitsaohana izay maneho ny asa fanompoana nataony sy ny maha-Andriamanitra Azy? Moa ve izy ireo mahatsapa sy mahafantatra ny Fanahy Masina izay mijoro ho vavolombelona ny amin’ny tena fisiany sy ny maha-Andriamanitra Azy? Moa ve izy ireo mahafantatra ny hafany sy ny asa nanirahana Azy?

Miombona ao amin’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany

Faharoa, miombona ao amin’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany.

Ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka dia niaina fiovam-po mahery vaika ary nanokana ny fiainan’izy ireo hanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanekempihavanana. Noho ny fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy dia nantsoina hoe “zanak’i Kristy … , dia zanany lahy sy zanany vavy” izy ireo. Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia manana andraikitra amin’ny maha-olona nanao fanekempihavanana antsika isika mba hanorina ny fanjakany sy hanomana ny fiverenany.

Fitaovana hanomanana ny ankizy ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainany.

Ahoana no ahafahantsika manampy ny ankizy hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina? Ao amin’ny boky torolalana Avia, hanaraka Ahy ao amin’ny tovana A sy B, dia ahitantsika hevitra hanombohana fifampiresahana sy lesona, izay hanome hery ny fianakaviana sy hanohana ny mpampianatra sy ny mpitarika, ao anatin’ny fitantanan-draharaha masin’izy ireo, mba hanomana ny ankizy ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainany.

Tonga tahaka an’i Jesoa Kristy

Fahatelo, tonga tahaka an’i Jesoa Kristy.

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ny Mpamonjy dia namporisika ireo mpianany vao nantsoina mba haka tahaka Azy akaiky araka izay azo atao: “Koa, tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo? Lazaiko aminareo marina tokoa, ho toa Ahy.”

Ahoana no ahafahantsika manampy ankizy vita batisa sy noraisina ho mpikambana, mba hanatanteraka ny andraikitr’izy ireo amin’ny maha-olona nanao fanekempihavanana azy ireo, mba hampivondrona ny tenan’izy ireo sy ny hafa ao amin’i Jesoa Kristy? Ny maha-mpianatra mandritra ny fiainana dia mitaky antsika ho “mpankatò ny teny … fa [tsy] mpihaino fotsiny ihany.”

Rehefa manolotra fanasana an’ireo zandriny indrindra amin’ny mpianatry ny Tompo ireo ianareo, dia aoka ianareo hanararaotra ny fotoana rehetra mba hitarihana azy ireo, hitantanana azy ireo, sy hiara-mandeha amin’izy ireo ary hanampiana azy ireo hahita [Ny Lalana Mankany]. Mifampiresaha amin’ireo ankizy sarobidy ireo rehefa miomana ny hampianatra izy ireo, na hijoro ho vavolombelona, na hivavaka, na hanompo mba hananan’izy ireo fahatokian-tena sy mba hiainan’izy ireo fifaliana rehefa manatanteraka ny andraikiny izy ireo. Mikatsaha fomba entanim-panahy mba hanampiana azy ireo hahafantatra fa Fiangonan’izy ireo ity ary manana anjara asa lehibe izy ireo eo amin’ny fanomanana ny fiverenan’ny Mpamonjy.

Rehefa i Jesoa Kristy no lasa ifantohan’ny fiainantsika dia miova mandrakizay ny zavatra irintsika sy ny fomba faniriantsika izany. Mampiova ny zavatra rehetra ny fiovam-po! Manova ny toetrantsika izany “ka tsy manana fironana hanao ratsy intsony [isika] fa ny hanao soa lalandava kosa.” Manova ny fomba fampiasantsika ny fotoanantsika sy ny fananantsika izany ary manova ny zavatra vakintsika, jerentsika, sy henointsika ary zaraintsika. Manova ny fomba fiatrehantsika tafa sy dinika tena manan-danja momba ny fianarana izay hamaritra ny asa tiana hatao aza izany.

Mila mampiditra ny fahazavan’i Jesoa Kristy eo amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika isika. Raha toa isika any an-tokantranontsika sy any amin’ireo fivoriana tsirairay ao amin’ity Fiangonana ity ka tsy mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny efa naha-Andriamanitra Azy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy momba ny fahamarinan’ny asa masina nanirahana Azy, ary momba ny fahamarinan’ny Fitsanganany tamin’ny maty izay namaha ny gadran’ny olona rehetra dia ho lasa teny fandrisihana mahafinaritra mba hananana fiainana voahevitra fotsiny ihany ilay hafantsika mifono fitiavana, asa fanompoana, fahitsim-po aman-tsaina, fanetrentena, sy fankasitrahana ary fangorahana. Raha tsy eo i Jesoa Kristy dia tsy hisy hery hiovana, tsy hisy tanjona andrandraina ary tsy hisy hahafahana mandamina ireo olan’ny fiainana. Raha lasa tsy raharahantsika ny maha-mpanaradia an’i Jesoa Kristy antsika, dia ho zava-doza ho an’ny zanatsika izany.

Rehefa milaza amin’ny zanatsika isika fa tiantsika izy ireo, moa ve lazaintsika amin’izy ireo koa fa tia azy ireo ny Rain’izy ireo any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy azy ireo? Ny fitiavantsika dia afaka mankahery sy manentana ny fanahy, saingy ny fitiavan’Izy ireo kosa dia afaka manamasina, sy manandratra, ary manasitrana.

I Jesoa Kristy dia tsy tokony ho Jesoa foronin’ny eritreritra, na ho Jesoa manan-toetra tsotsotra fotsiny, na ho Jesoa tsy manana vatana, na ho Jesoa tsy dia raharahiana, na ho Jesoa tsy fantatra tsara, fa tokony ho Jesoa be voninahitra, tsitoha, nitsangana tamin’ny maty, nasandratra,mendrika ny hoderaina, mahery, Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra,izaymahery ka mahavonjy. Nijoro ho vavolombelona tamiko tamin’ny fomba naharesy lahatra ny ankizy iray tany Philippines indray andro hoe, “Mendrika ny hovonjena isika!” Amin’ny anarana masin’ilay “nasehon’ Andriamanitra ho fanavotana [lehibe],” dia i Jesoa Kristy, amena.