Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
“Manakaikeza Ahy”
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2025


17:5

“Manakaikeza Ahy”

Tia antsika tsirairay avy i Jesoa Kristy. Manome antsika fahafahana hanakaiky kokoa Azy Izy.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala isany, fifaliana ho ahy ny miaraka aminareo amin’ity fihaonambe maneran-tany an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ity. Fiangonany ity. Mivory ao amin’ireo trano sy tokantrano manerana ireo tontolo izao amin’ny anarany isika.

Mitondra ny anarany eo amintsika isika rehefa miditra ny fanjakany amin’ny alalan’ny fanekempihavanana. Izy Ilay Zanak’ Andriamanitra nitsangana tamin’ny maty sy notafiana voninahitra. Mety maty isika ary iharan’ny fahotana sy ny fahafatesana. Kanefa, noho ny fitiavany antsika tsirairay avy dia manasa antsika ny Mpamonjy mba hanakaiky kokoa Azy.

Ny Mpamonjy nivoaka avy tao am-pasana.

Toy izao ny fanasany ho antsika: “Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho; tadiavo fatratra Aho dia hahita Ahy ianareo; mangataha dia hahazo ianareo; dondòny dia hovohana ianareo.”

Misy fotoana ahatsapantsika ho akaiky an’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Kanefa, indraindray mandritra ny fiainantsika eto an-tany, dia mety hahatsapa ho lavitra kely Azy koa isika ary maniry hahazo toky fa mahafantatra izay ao am-pontsika sy tia antsika tsirairay Izy.

Tafiditra ao anatin’ny fanasana omen’ny Tompo ny fomba hahatsapana izany fanomezan-toky izany. Manakaikeza Azy amin’ny alalan’ny fahatsiarovana Azy mandrakariva. Katsaho amim-pahazotoana Izy amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina. Mangataha amin’ny alalan’ny vavaka avy amin’ny fo amin’ny Ray any An-danitra mba hahatsapa ho akaiky kokoa ny Zanany Malalany.

Misy fomba tsotra hieritreretana izany. Izany no zavatra ho nataonao raha toa ka tafasaraka amin’ny namana tiana iray mandritra ny fotoana iray ianao. Hitady fomba hiresahana aminy ianao, hankamamy ny hafatra rehetra izay voarainao avy aminy, ary hanao izay rehetra azonao atao ianao mba hanampy azy.

Arakaraka ny nitrangan’izany no mampaharitra izany sy nampalalim-paka ny tanjaky ny fatoran’ny fitiavana misy eo aminareo, ary hahatsapa ho mifanakaiky kokoa noho ny hatrizay ianareo. Raha naharitra ny fotoana tsy nisian’ilay fifandraisana nankamamiana sy ilay fahafahana hifanampy, dia hihagoragora ilay fatorana.

Tia antsika tsirairay avy i Jesoa Kristy. Manome antsika izany fahafahana hanakaiky kokoa Azy izany Izy. Tahaka izay ho nataon’ny namana be fitiavana iray, dia hanao izany amin’ny fomba mitovy be amin’izany ianao, amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ny alalan’ny vavaka amin’ny Ray any An-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, ny fihainoana mba hahazoana fitarihana tena tiana avy amin’ny Fanahy Masina, ary ny fanompoana ny hafa am-pifaliana ho an’ny Mpamonjy. Vetivety ianao dia hahatsapa izany fitahiana avy amin’ny fanakaikezana Azy kokoa izany.

Tamin’ny fahatanorako aho dia niaina ilay fifaliana avy amin’ny fanakaikezana ny Mpamonjy sy avy amin’ny fanakaikezany ahy, amin’ny alalan’ny fihetsika tsotra maneho fankatoavana ireo didy. Mandritra ny fivoriana hariva no fandraisana ny fanasan’ny Tompo fony aho mbola kely. Mbola tsaroako ilay alina iray manokana, efa ho 75 lasa izay, izay maizina sy nangatsiaka tamin’izay. Tsaroako ilay fahatsapana fahamaivanana sy hafanana teo amim-pahatsiarovako fa nitandrina ilay didy ny hiangona miaraka amin’ireo Olomasina aho mba handray ny fanasan’ny Tompo, nanao fanekempihavanana tamin’ny Raintsika any An-danitra ny hahatsiaro ny Zanany mandrakariva ary ny hitandrina ny didiny.

Nihira ny “Demeure auprès de moi, Seigneur” izahay tamin’ny faran’ilay fivoriana tamin’io takariva io, niaraka tamin’ilay tonony tsy hay hadinoina hoe: “Tompo o, mitoera eto amiko fa hariva izao.”

Nahatsapako ny Fanahy tamin’ny fomba nahery vaika ireo toniny ireo, na dia mbola zazalahy kely aza aho. Nahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny fanakaikezany ahy aho tamin’io hariva io, tamin’ny alalan’ny fampiononan’ny Fanahy Masina.

Taona maro taty aoriana dia te hamelona indray ireo fahatsapana ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny naha-akaiky Azy aho, izay tsapako nandritra izany fivoriana fanasan’ny Tompo tamin’ny fahatanorako izany. Ka noho izany dia nankatò didy tsotra iray hafa aho: Nandalina ny soratra masina aho.

Ao amin’ny bokin’i Lioka, dia namaky momba ilay andro fahatelo taorian’ny Fanomboana sy ny fandevenana Azy aho, rehefa tonga hanosotra zava-manitra ny vatany ireo mpanompo mahatoky noho ny fitiavany ny Mpamonjy. Nony tonga izy ireo, dia hitany fa efa voakodia niala tamin’ny fasana ny vato, ary hitany fa tsy tao ny fatiny.

Anjely iray teo ivelan’ny fasan’ny Mpamonjy.

Nisy anjely roa nijoro teo ary nanontany ny antony nampatahotra azy ireo:

“Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona?

“Tsy ato Izy, fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia,

“Ka niteny hoe: Ny zanak’olona tsy maintsy atolotra eo an-tanan’ny mpanota, ka hohomboana amin’ny hazofijaliana ary hitsangana amin’ny andro fahatelo.”

I Kristy sy ireo mpianany teny an-dalana ho any Emaosy.

Io hariva io, rehefa maizimbava vilany, dia nisy mpianatra roa nandeha an-tongotra avy any Jerosalema tamin’ny lalan’i Emaosy, ary niseho tamin’izy ireo ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty ka nandeha niaraka tamin’izy ireo.

Mamela antsika handeha hiaraka amin’izy ireo tamin’io hariva io ny filazantsaran’i Lioka:

“Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona i Jesoa ka niaraka taminy.

“Nefa ny mason’ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy.

“Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo ety am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.

“Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Ianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin’ izao andro izao?”

Nilaza Taminy ny alahelony izy ireo fa maty i Jesoa rehefa nahatoky izy ireo fa Izy no ho ilay Mpanavotra an’i Isiraely.

Tsy maintsy ho nisy fanehoam-pitiavana tao amin’ny feon’ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty rehefa niresaka tamin’ireto mpianatra nalahelo sy nidonam-pahoriana ireto.

Rehefa nanohy ny famakiako aho dia tonga tamin’ireo andian-teny ireo izay nanafana ny foko, toy ilay fahatsapana nananako fony aho mbola zazalahy kely:

“Ary efa mby teo akaikin’ny vohitra izay efa halehan’izy roa lahy izy, ary Jesoa toa nanao handeha lavitra kokoa.

“Fa ireo nanery Azy ka nanao hoe: Mitoera aty aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy.”

I Kristy miara-mipetraka amin’ireo mpianany.

Nanaiky ny fanasana mba hiditra ny tranon’ireo mpianany ny Mpamonjy tamin’io alina io. Niara-nipetraka nihinana tamin’izy ireo Izy. Nandray mofo Izy, nitsodrano izany, namaky izany, ary nanome izany azy ireo. Nahiratra ny mason’ireo, ka nahalala Azy. Dia nanjavona tsy hitan’izy ireo Izy.

Noraketin’i Lioka ho antsika ireo zavatra tsapan’ireo mpianatra voatahy ireo: “Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika?”

Nihazakazaka niverina tany Jerosalema avy eo ireo mpianatra anankiroa hilaza amin’ireo Apôstôly iraika ambin’ny folo ny zava-nitranga tamin’izy ireo. Teo am-pizaran’izy ireo ny zavatra niainany dia niseho indray ny Mpamonjy.

Nitsangana teo afovoan’izy ireo Izy ka “nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.” Naveriny nojerena indray ireo faminaniana mikasika ny asa nanirahana Azy mba hanonitra ny fahotan’ny zanaky ny Rainy rehetra sy hanapaka ny famatoran’ny fahafatesana.

“Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo;

“ary mba hotorina amin’ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema.

“Ary ianareo no vavolombelon’izany.”

I Almà mampianatra eo amin’ny Ranon’i Môrmôna.

Tahaka ireo mpianany malalany, ny zanaky ny Ray any An-danitra tsirairay izay nisafidy ny hiditra ny vavahadin’ny batisa dia nanao fanekempihavanana ny ho vavolombelon’ny Mpamonjy sy hikarakara ireo sahirana mandritra ny fiainantsika eto an-tany. Nolazain’i Almà mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mazava tsara amintsika io fanoloran-tena io an-jato taonany maro tao amin’ny Ranon’i Môrmôna:

“Satria maniry ianareo ny ho tonga ao amin’ny valan’ Andriamanitra sy hantsoina hoe vahoakany ary te hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany;

“Eny, te hiara-malahelo amin’izay malahelo; eny, ary hampionona ireo izay mila fampiononana sy hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra … na dia hatramin’ny fahafatesana aza, mba hahatonga anareo ho voavotr’ Andriamanitra … ka hahazoanareo ny fiainana mandrakizay.”

Rehefa mitoetra ho mahatoky amin’ireo fampanantenana ireo ianao, dia ho hitanao fa mitàna ny fampanantenana nomeny ny Tompo mba ho Ilay hanohana anao amin’ny asa fanompoanao, ka hanamaivana ny enta-mavesatrao. Hahafantatra ny Mpamonjy ianao, ary rehefa mandeha ny fotoana dia ho tahaka Azy ianao ary “hatao tanteraka ao Aminy.” Rehefa manampy ny hafa ho an’ny Mpamonjy ianao dia ho hitanao fa manakaiky kokoa Azy ianao.

Maro aminareo no manana olona akaiky ny fo izay mirenireny lavitry ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Manontany tena ianareo hoe inona no mbola azonareo atao mba hitondrana azy ireo hiverina indray. Afaka miankina amin’ny Tompo ianareo fa hanakaiky azy ireo Izy rehefa manompo Azy amim-pinoana ianareo.

Mety tadidinareo ny fampanantenan’ny Tompo tamin’i Joseph Smith sy Sidney Rigdon rehefa lavitra ireo fianakaviany izy ireo teo am-panompoana Azy: “Ry Sidney sy Joseph; salama tsara ny ankohonanareo; eo an-tanako izy ireo ary hataoko aminy izay heveriko ho tsara; fa ato Amiko ny hery rehetra.”

Rehefa mamehy ny ferin’ireo sahirana ianareo, dia hanohana anareo ny herin’ny Tompo. Hiaraka haninjitra ny sandriny amin’ny ananereo Izy hanampiana sy hitahiana ny zanaky ny Raintsika any An-danitra.

Handray ny fitarihany avokoa ireo mpanompon’i Jesoa Kristy nanao fanekempihavanana rehefa mitahy sy manompo ny hafa ho Azy izy ireo. Hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy izy ireo avy eo ary hahita fifaliana amin’ny fanakaikezany Azy kokoa.

Vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty aho izay azo antoka toy ireny hoe teo aho niaraka tamin’ireo mpianatra roa tao amin’ilay trano teo amin’ny lalan’i Emaosy. Fantatro fa velona Izy.

Ity ny Fiangonany marina—ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Hijoro eo anoloan’ny Mpamonjy isika amin’ny Andro fitsarana, hifanatri-tava Aminy. Ho fotoan’ny fifaliana lehibe izany ho an’ireo izay nanakaiky Azy tamin’ity fiainana ity tamin’ny fanompoana Azy ary afaka miandrandra fatratra ny haheno ireto teny ireto: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky.”

Mijoro ho vavolombelona aho amin’ny maha vavolombelon’ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika nitsangana tamin’ny maty ahy, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.