Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ary miresaka an’i Kristy isika
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2025


14:27

Ary miresaka an’i Kristy isika

Mpanaradia an’i Jesoa Kristy isika, ary mikatsaka ny handray sy hizara ny fahazavany.

Teny fanolorana

Tamin’ny faran’ny asa iray naharitra nanirahana anay tany ampitan-dranomasina, dia niditra tao amin’ny toerana fiondranana iray tao amin’ny seranam-piaramanidina izaho sy ny vadiko Lesa hiomanana ho amin’ny sidina iray farany—izay amin’ny alina—mitondra anay mody. Teo am-pijoroanay niaraka tamin’ireo olona maro hafa nandroso tsikelikely tao anatin’ny filaharana lava be, dia tsapanay ny tebitebin-tsaina tsy mitsaha-mitombon’ireo mpandeha hafa miahiahy ny amin’ny fahatongavana ara-potoana amin’ny sidina, ny fisafoana ny pasipaoro sy visa, ary ny fandalovana amim-pahombiazana ny fisavana ho an’ny fiarovana.

Tonga teo amin’ny toerana misy ny mpiandraikitra ao amin’ny fadin-tseranana izahay nony farany, izay toa tsy voakasik’ilay tebiteby tsapa tao amin’ilay efitra akory. Noraisiny, am-pahazarana tanteraka, tsy an-kijery ahy akory, ireo antontan-taratasiko, nohamarininy ny sariko, navadibadiny ireo pejy, ary farany dia notombohany mafy ny pasipaoroko ka nanakoako mihitsy.

Niroso tamin’ny antontan-taratasin’i Lesa izy avy eo. Tsy misy fihetseham-po, miondrika ary mifantoka amin’ny asany izy no mamadibadika ireo pejy miaraka amin’ny maso efa za-draharaha, mifantoka amin’ny antsipirian’ireo antontan-taratasy eo anoloany. Gaga ihany izahay rehefa nijanona tampoka izy, nitraka, ary nibanjina an’i Lesa, ninia nijery ary feno hatsaram-panahy. Tamin’ny tsiky malefaka no nanombohany ny pasipaorin’i Lesa sy namerenany ny antontan-taratasiny. Novalian’ny vadiko tamin’ny tsiky izany, noraisiny ireo antontan-taratasy, ary nifanao veloma tamin’ny teny feno hatsaram-panahy.

Inona koa no nitranga teo?” Hoy aho nanontany sady tsy nino.

Nasehon’i Lesa ahy avy eo ny zavatra hitan’ilay mpiandraikitra—karatra kely misy ny sarin’ny Mpamonjy. Tafiditra tsy nahy tao amin’ny pasipaorony avy tao amin’ny poketrany izany. Izany no hitan’ilay mpiandraikitra tao amin’ny fadin-tseranana. Izany no nanova tanteraka ny endriny.

Sarin’ny Mpamonjy tao anaty pasipaoro.

Grace and Truth (Famindram-po sy Fahamarinana), nataon’i Simon Dewey, courtesy of altusfineart.com, © 2025, used with permission

Io sary kelin’ny Mpamonjy io no nampifandray ny fon’olona roa izay tsy misy fifandraisana. Nanova ny zavatra tsy mifandray ho lasa manana fifandraisany izany ka maneho tsara ny hatsarana sy ny fahagagana ary ny maha-misy tokoa ny Fahazavan’i Jesoa Kristy. Mandra-pahatapitra io andro io sy matetika taorian’izay dia talanjona aho nandinika izany fotoana mamy sy tsotra izany ary nifaly tamin’ny fiantraikany be voninahitra ananan’ny Fahazavan’i Kristy eo amin’ny zanak’ Andriamanitra.

Miresaka an’i Kristy isika

Mpanaradia an’i Jesoa Kristy isika, ary mikatsaka ny sady handray no hizara ny fahazavany. Mifono anaty ny anaran’ny Fiangonana ilay finoantsika fototra fa “i Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.” Nandidy antsika tamin’ny alalan’ireo mpaminany fahiny sy velona ny Ray any An-danitra hoe: “Henoy Izy!” ary “[manatòna] an’i Kristy”. “Ary miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, [ary] maminany ny amin’i Kristy.”

Mampianatra isika fa i Jesoa Kristy dia Zanak’ Andriamanitra, ary nandritra ny asa fanompoany tety an-tany dia nampianatra ny filazantsarany sy nanorina ny Fiangonany.

Mijoro ho vavolombelona isika fa teo amin’ny fiafaran’ny fiainany dia nanonitra ny fahotantsika i Jesoa rehefa nijaly tao amin’ny Sahan’ny Getsemane,nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, ary nitsangana tamin’ny maty.

Mifaly isika fa noho ny sorompanavotan’ny Mpamonjy dia afaka ny ho voavela sy ho voadio amin’ny fahotantsika rehefa mibebaka. Mitondra fiadanana sy fanantenana ho antsika izany ary manome fahafahana antsika mba ho afaka hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra ary handray ny fahafenoan’ny fifaliana.

I Kristy sy i Maria teo am-pasana.

Maminany isika fa noho ny Fitsanganan’i Jesoa Krisity tamin’ny maty, dia tsy fiafarana ny fahafatesana fa dingana mandroso manan-danja. “Hitsangana amin’ny maty avokoa isika rehetra aorian’ny fahafatesantsika. Midika izany fa ny fanahin’ny olona tsirairay sy ny vatany dia hatambatra indray ka hiaina mandrakizay.”

Manatòna an’i Kristy

Ireo mpaminany velona amin’izao androntsika izao, izay mandray fanambarana avy amin’ Andriamanitra mba hampianatra sy hitarika antsika, dia manasa antsika hatrany mba hanatona an’i Kristy. Manampy antsika izy ireo mba hampifantoka kokoa Aminy ny fontsika sy ny sofintsika ary ny masontsika. Afaka misintona ohatra maro amin’ireo fanovana sy fanatsarana nambaran’ny Fiadidiana Voalohany izay novolavolaina mba hampifantoka antsika amin’i Jesoa Kristy isika. Ny sasany amin’ireo dia ny:

  • Fanapahan-kevitra ny hanajanona ny anarana hoe “Fiangonana Môrmôna” ka hanova izany ho ilay anarana marina, dia ny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

  • Fisian’ireo haikanto vaovao sy nentanim-panahy mifantoka amin’i Kristy hatao ranty eny amin’ireo trano fiangonana.

  • Faneva sy hiran’ny Zatovovavy sy Zatovolahy mifantoka amin’i Jesoa Kristy, toy ny “Mpanaradia an’i Jesoa Kristy aho sy ny “Banjino i Kristy.”

  • Fanamafisana misimisy kokoa ny amin’ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ara-bakiteny ho ireo tranga feno voninahitra indrindra teo amin’ny tantara.

  • Fankalazana ny Paska mandritra ny herinandro maro fa tsy fialan-tsatsatra iray andro fotsiny, ka manantitrantitra ny momba an’i Jesoa Kristy.

  • Fanolorana ilay marika famantarana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ny sariohatra fonosiny.

Andeha hojerentsika akaiky ny fiantraikan’ny sasany amin’izy ireo. Voalohany, ny famantarana ny Fiangonana.

Ny famantarana ny Fiangonana

Ny famantarana ny Fiangonana.

Tamin’ny 2020 dia nampahafantatra marika famantarana vaovao ho an’ny Fiangonana ny Filoha Nelson. Io famantarana io dia maneho ilay fahamarinana fa i Kristy no ivon’ny Fiangonany ary tokony ho ivon’ny fiainantsika. Hitantsika ankehitriny io famantarana mahazatra io eny amin’ireo tranonkala sy gazetibokin’ny Fiangonana, eny amin’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, sary famantarana ny application Médiathèque de l’Évangile, eny, hatreny amin’ny famantaran’anaran’ny miaramila ho an’ireo mpikambana manompo ao amin’ny tafika. Ilay famantarana dia ahitana ny anaran’ny Fiangonana voarakitra eo amin’ny vatofehizoro, izay entina mampahatsiahy fa i Jesoa Kristy no fehizoro indrindra, araka ny hita eto amin’ny fiteny Kambôdiana ary ampiasaina amin’ny fiteny 145.

Famantarana ny Fiangonana amin’ny fiteny Kambôdiana.

Eo afovoan’ilay famantarana dia misy fanehoana an’ilay sarivongana vita amin’ny marbra hoe Christus izay nataon’i Albert Bertel Thorvaldsen, izay lasa mifandray amin’ny Fiangonana maneran-tany ary hita any amin’ny ivontoeran’ny mpitsidika sy ny manodidina ny tempoly manerana an’izao tontolo izao. Ny fiavahany eo amin’ny famantarana ny Fiangonana dia milaza fa i Kristy dia tokony ho ivon’ny zavatra rehetra ataontsika. Toy izany koa, ireo tanan’ny Mpamonjy izay mihinjitra dia maneho ny fampanantenany fa handray ireo rehetra izay hanatona Azy Izy. Io famantarana io dia marika maneho ny fitiavan’i Jesoa Kristy Mpamonjy ary fampahatsiahivana tsy tapaka an’ilay Kristy velona.

I Jesoa mipoitra avy ao am-pasana.

Nanontany fianakaviana sy namana maro aho mikasika ny singa iray manan-danja momba ny famantarana ny Fiangonana satria nahaliana ahy izany. Nahagaga fa maro no tsy nahafantatra an’ilay ampahany masina fonosiny. Mijoro eo ambanin’ny andohalambo i Jesoa Kristy. Izany dia maneho ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty izay nivoaka avy tao am-pasana. Ankalazaintsika tokoa ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty sy velona, eny hatramin’ny fampiasana ny famantarana ny Fiangonana aza.

Paska amin’ny fomba ambony kokoa sy masina kokoa

Andeha ary isika handinika ny maha-zava-dehibe ny Paska. Tao amin’ny hafatra vao haigana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany momba ny Paska dia namporisihana isika mba “hankalaza ny Fitsanganan’ilay Mpamonjy velona amin’ny maty … amin’ny alalan’ny fandalinana ny fampianarany sy ny fanampiana amin’ny fametrahana ireo fombafomban’ny Paska eo amin’ny fiarahamonina misy antsika, indrindra fa ao anatin’ny fianakaviantsika.” Raha fintinina, dia namporisihana isika mba hiova ho amina fankalazana ny Paska amin’ny fomba ambony kokoa sy masina kokoa.

Tiako ny fanambarana mitohy mikasika ny Paska ary mahafaly ahy ireo ezaka maro ataonareo mba hahatonga ny Paska ho fotoana masina. Ankaotra ny fanaovana fivoriana fanasan’ny Tompo mandritra ny adiny iray amin’ny alahadin’ny Paska, dia fiaraha-mientana mendrika ihany koa ny fankaherezam-panahy eo anivon’ny paroasy na tsatòka ary ireo fiaraha-mientana mandritra ny alahadin’ny Sampan-drofia sy ny Herinandro Masina. Anisan’izany fahatsiarovana izany ny fiaraha-mientana miaraka amin’ny kilonga, ny tanora, ary ny olon-dehibe, ary matetika misy amboaram-peo itambaran’ny samihafa finoana. Ny sasany dia nanao varavarana misokatra antsoina hoe “Ilay Kristy Velona“ ho an’ny mpikambana sy naman’ny Fiangonana ary nandray anjara tamin’ireo hetsika ho an’ny Paska itambaran’ny fiarahamonina samy hafa antokom-pinoana.

Ny fiaraha-mientana toy izany dia maneho ny vahoaka tao an-tananan’ny Jerosalema izay nanambatra ny feon’izy ireo mba hidera ny Mpamonjy tamin’ny fidirany tamim-boninahitra. Mahatalanjona toy izany ihany koa ny tatitra momba ny nataonareo manoloana ny fanasana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany mba hitsaoka any an-tokatranonareo miaraka amin’ny fianakaviana ho fankalazana ity fety manan-danja ity.

Mino aho fa nitombo be ny fitsaohana ataon’ny fianakaviana manodidina ny Paska. Roa taona lasa izay, dia niresaka momba ny fahavononan’ny fianakavianay hanatsara ny fomba hanomezanay haja ny Paska aho. Ekeko aloha fa mbola asa mitohy izany. Tianay foana ny sakafo miavaka amin’ny alahadin’ny Paska, sy ny haron’ny Paska, ary ny fanaovana haza atodin’ny Paska, ary mbola manao izany foana izahay. Kanefa, nitondra fandanjalanjana mamy teo amin’ny fankalazanay an’ireo tranga masina indrindra ireo ny fanampianay amin’ny nahim-ponay ampahany ara-panahy izay mifantoka amin’ny Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

Milalao amin’ny andro Paska ny fianakaviana Stevenson.

Ity taona ity no ho taona fahatelo amin’ny fiezahanay hanao ny Paska ho mifantoka kokoa amin’i Kristy. Toy ny amin’ny fahaterahan’i Jesoa amin’ny Krismasy, ny seho an-tsehatra ataonay ao amin’ny fianakaviana amin’ny Andron’ny Paska dia ahitana fiankajo fahiny, famakiana ny soratra masina avy ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny Bokin’ny Môrmôna, hira, sary momba ny Paska, sampan-drofia, ary korontana kely raha ny tena marina. Manan-danja toy ny famakiana sy fanononan’ireo zanaka sy zafikely ny fiderana amin’ny alahadin’ny sampan-kazo manao hoe “Hosana … Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’i Jehovah any amin’ny avo indrindra” sy ny “Izaho no Jesoa … avy any Galilia”ny fanao koa amin’ny krismasy hoe “Fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany”

Mianoka fitambarana fanaingonan-trano izahay ankehitriny. Ilay hoe bitro sy atodin’ny Paska fotsiny taloha dia voalanjalanja ankehitriny amin’ny Christus sy ireo sarina fasana foana, ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty miseho eo amin’ny Saha eo ivelan’ny fasana, ary ny fisehoan’ny Mpamonjy tamin’ireo Nefita. Miezaka ihany koa izahay manao ny Paska ho vanim-potoana iray fa tsy andro iray fotsiny. Miezaka miresaka sy mandinika ary mankalaza ny Alahadin’ny Sampan-drofia sy ny Zoma Masina ary ireo tranga masina izay niseho nandritra ny Herinandro Masina izahay.

Manome fahafahana antsika hanome haja ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty ara-bakiteny sy feno fifaliana ny Paska. Malahelo ny fontsika rehefa mieritreritra ny fijalian’ny Mpamonjy tao amin’ilay Saha sy teo Kalvaria, saingy mifaly ny fontsika rehefa maka sary an-tsaina ilay fasana foana sy ilay feo avy any an-danitra hoe “Efa nitsangana Izy!”

Fitsanganana amin’ny maty ara-bakiteny

Ireo teny famporisihana vao haingana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany mba “hibanjina ny Paska sy ny Fitsangananan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, ilay hafatra feno voninahitra indrindra amin’ireo hafatra ho an’ny zanak’olombelona” dia manasongadina ny halehiben’ity vanim-potoana ity. Na dia miha-mitombo aza ny fironana misy eo amin’ireo mpikaroka ara-pivavahana Kristiana samihafa ny handray ny Fitsanganana amin’ny maty ho toy ny teny fanoharana sy famantarana, dia manamafy ny fotopampianarantsika isika hoe: “ny Fitsanganana amin’ny maty dia midika fa ireo rehetra izay niaina dia hitsangana amin’ny maty daholo, ary ny Fitsanganana amin’ny maty dia raisina ara-bakiteny.” “Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.” Nanapatapaka ny famatoran’ny fahafatesana i Jesoa ho an’ireo fanahy velona rehetra.

Gaga tokoa isika manoloana ny fahasoavana atolotr’i Jesoa Kristy antsika. Raisintsika am-pitiavana ny teniny hoe: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.”

Hoy i C.S. Lewis: “ny fitoriana ny maha-Kristianina [ho an’ireo Apôstôly] dia midika voalohany indrindra hoe mitory ny Fitsanganana amin’ny maty. … Ny Fitsanganana amin’ny maty no hevitra ifotoran’ny toriteny Kristiana rehetra hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Ny Fitsanganana amin’ny maty, sy ny vokatra aterak’izany, no ilay ‘filazantsara’ na vaovao mahafaly izay noentin’ireo Kristiana.”

Ambarako fa “misy ny Fitsanganana amin’ny maty, …ny fasana dia tsy manana fandresena ary ny fanindronan’ny fahafatesana dia efa voatelina ao amin’i Kristy.”

Famaranana sy fijoroana ho vavolombelona

Ho famaranana dia mijoro ho vavolombelona aho fa ireo rehetra izay manaiky ny fanasan’ny mpaminanintsika velona sy ireo mpanolontsainy mba hankalaza amin-kitsimpo kokoa ireo tranga masina maneho ny Paska dia hahita fa hihamatanjaka kokoa ny fifamatoran’izy ireo amin’i Jesoa Kristy.

Vao andro vitsy lasa izay, dia naheno momba ana renibe iray aho izay namerina ny tantaran’ny Paska tamin’ny zafikeliny 4 taona monja amin’ny fampiasana sary fanehoana ny fasana, ny vato nanarona ny fasana, i Jesoa, i Maria, ireo mpianatra, ary ny anjely. Nijery sy nihaino tamim-kitsimpo ilay zazalahy kely raha nizara mikasika ny fandevenana, ny fanakatonana sy ny fanokafana an’ilay fasana, ary ny sehetra nanodidina ilay Fitsanganana amin’ny maty ny renibeny. Naveriny tsara avy eo ilay tantara tamin’ny antsipiriany mahavariana sady nahetsiny manodidina azy ireo sary. Nanontaniana izy taorian’io fotoana mamy io raha toa ka fantany hoe nahoana ny misy ny Paska. Nitraka ilay zazalahy kely ary namaly amin’ny fiheverana toa zaza hoe “Satria Izy velona.”

Zazalahy kely mizara ny tantaran’ny Paska.

Ampiako amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananako ny azy sy ny anareo ary ny an’ireo anjely sy mpaminany, fa efa nitsangana Izy ary velona Izy, izany no ijoroako ho vavolombelona, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.