1
Banjino i Kristy
1. Na toa feno haizi-mbe aza
‘zay atao toa mafy erý!
Matokia.
Eo Izy, Ilay Mpamonjy.
Aza miala amin’i Kristy,
’Lay Fahazavana.
[Chorus]
Eny,
Izy no banjino.
Manasitrana Izy
raha sendra hakiviana.
Eny,
aoka ianao hino,
aza be ahiahy,
f’Izy no iankino.
Izy no banjino.
Izy no banjino.
2. Eo ‘Lay Fanantenana
rehefa mila tsy ho zaka intsony,
eo Izy hamonjy.
Hampahery anao Izy.
Mampitraka anaty fitsapana
’Lay Fahazavana.
[Chorus]
Eny,
Izy no banjino.
Manasitrana Izy
raha sendra hakiviana.
Eny,
aoka ianao hino,
aza be ahiahy,
f’Izy no iankino.
Izy no banjino.
Izy no banjino.
Mitrakà ka banjino
sy henoy i Kristy.
Izy hanoro hoe iza ianao.
Mivavaha mba ho tony.
Izy hankahery itý fanahy.
Vohay ny fonao.
[Chorus]
Ka eny,
Izy no banjino.
Manasitrana Izy
raha sendra hakiviana.
Eny,
aoka ianao hino,
aza be ahiahy,
f’Izy no iankino.
Izy no banjino.
Izy no banjino.
Tonony sy feony nataon’i Nik Day
Arranged by Gavin McMahan, Mitch Davis, and Nik Day
Produced by Gavin McMahan and Mitch Davis
© 2024 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Ity hira ity dia azo adika raha sendra ampiasaina ao am-piangonana na ao an-tokantrano ka tsy atao itadiavam-bola. Ity fanamarihana ity dia tsy maintsy avoaka eo amin’ny tahadika tsirairay izay atao.