2
Aza miahiahy
1. ‘Ndraindray ‘sika toa tsy mino ilay finoana—
Ny fiainana etoana
dia tsy ilaina.
Kanefa ireo fahatsapana izay inoana
dia re sy tsaroana
ka hiainana hatrany.
Tsarovy fa misy lehibe noho ‘sika izao—
Raha sendra ahiahy dia mitrakà.
[Chorus]
Minoa.
Aza miahiahy,
matanjaha,
atreho ny ampitso.
Aza miahiahy fa minoa
dia ho hitanao ‘lay fahagagana.
Tsara toerana ianao.
Minoa.
2. ‘Ndraindray dia tiantsika ho hay ny valin-teny
‘zay ao an-tsaina ao,
ka tiana ho azo.
Fa mianatra anie ‘sika ety ny hatoky Azy,
hino, ary hankatò
ireo lalàny.
Tsarovy fa misy lehibe noho ‘sika izao—
Raha sendra ahiahy dia mitrakà.
[Chorus]
Minoa.
Aza miahiahy,
matanjaha,
atreho ny ampitso.
Aza miahiahy fa minoa
dia ho hitanao ‘lay fahagagana.
Tsara toerana ianao.
Minoa.
Indray andro any ho hainao koa izay hainy,
ka tsy mila manontany intsony.
F’izao aloha,
[Chorus]
minoa.
Aza miahiahy,
matanjaha,
atreho ny ampitso.
Aza miahiahy fa minoa
dia ho hitanao ‘lay fahagagana.
Tsara toerana ianao.
Minoa.
Tonony sy feony nataon’i Nik Day
Arranged by Mitch Davis and Todd Trần
Produced by Mitch Davis and Todd Trần
© 2024 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Ity hira ity dia azo adika raha sendra ampiasaina ao am-piangonana na ao an-tokantrano ka tsy atao itadiavam-bola. Ity fanamarihana ity dia tsy maintsy avoaka eo amin’ny tahadika tsirairay izay atao.
Ho an’ny feon’olon-tokana sy pianô