3
Minoa
[Chorus]
Koa matokia.
’Lay fitarikandro hitsilo ny dia,
hampitony, hanamaivana erỳ
ny fonao.
Ô, tsy irery ianao
na dia lavitra aza ’zany dia,
eo foana Izy hitantana amim-pitia.
Minoa.
1. Rehefa feno haizina ao an-tsainao ao,
te hifoha, hitraka ianao,
fa tsy mety.
Satria mavesa-be ny ao am-po sy ao an-tsaina,
aiza ihany ilay maraina?
Eo anefa ’lay efa niaina izany
mahay mamafa ny tomany,
ny tahotrao fafàny, vonona hitrotro anao Izy,
hanefy ny fonao Izy.
Ô,
[Chorus]
Koa aza manahy
’Lay fitarikandro hitsilo ny dia,
hampitony, hanamaivana erỳ
ny fonao.
Ô, tsy irery ianao
na dia lavitra aza ’zany dia,
eo foana Izy hitantana amim-pitia.
Minoa.
2. Raha mahatsapa hoe malemy ianao ’ndraindray,
mora simba, ka manahy,
hanampy anao Izy ho mafy, hijoro,
vatolampy tsy mikoro,
ho lasa mafy toy ny liona, tsy mba mirona,
hamiratra ihany koa.
Hahery toy ny foloalindahy,
ho mpandresy, be herim-po.
[Chorus]
Koa aza manahy
’Lay fitarikandro hitsilo ny dia,
hampitony, hanamaivana erỳ
ny fonao.
Ô, tsy irery ianao
na dia lavitra aza ’zany dia,
eo foana Izy hitantana amim-pitia.
Minoa.
Minoa.
Minoa.
Minoa.
[Chorus]
Ô, minoa.
‘Lay fitarikandro hitsilo ny dia,
hampitony, hanamaivana erỳ
ny fonao.
Ô, tsy irery ianao.
Na dia lavitra aza ‘zany dia,
eo foana Izy hitantana
amim-pitia
Minoa.
Tonony sy feony nataon’i Nik Day
© 2024 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Ity hira ity dia azo adika raha sendra ampiasaina ao am-piangonana na ao an-tokantrano ka tsy atao itadiavam-bola. Ity fanamarihana ity dia tsy maintsy avoaka eo amin’ny tahadika tsirairay izay atao.