Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fitsaohana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2025


14:14

Fitsaohana

Midika inona ho anao sy ho ahy ny hoe mitsaoka an’ Andriamanitra?

“Ary rehefa teraka Jesoa tao Betlehema an’i Jodia, tamin’ny andron’i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema,

“Ka nanao hoe: Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay, ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.”

Ireo Magy, araka ny niantsoana azy ireo indraindray, dia nanam-pahendrena tamin’ny fikatsahana ny hahita sy hitsaoka ny Mesia. Ho azy ireo, ny fitsaohana dia midika hoe miondrika eo anatrehany sy manolotra fanomezana volamena sy zava-manitra sarobidy ho Azy.

Midika inona ho anao sy ho ahy ny hoe mitsaoka an’ Andriamanitra?

Rehefa mieritreritra ny fitsaohana isika dia matetika ny eritreritsika no mitodika any amin’ireo fomba hanehoantsika fanolorantena ara-pivavahana na izany samirery na any amin’ireo fotoam-pivavahana ao am-piangonana. Rehefa nisaintsaina momba ny fitsaohana ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany Malalany, ny Mpamonjy antsika aho, dia nisy hevi-dehibe efatra tonga tato an-tsaiko: voalohany, ireo fihetsika izay mandrafitra ny fitsaohantsika; faharoa, ny toe-tsaina sy ny fahatsapana izay hita taratra ao amin’ny fitsaohantsika; fahatelo, ny maha-manokana ny fitsaohantsika; ary fahefatra, ny filana ny fiezahana hitovy amin’ireo Olona Masina izay itsaohantsika.

Voalohany, ireo fihetsika izay mandrafitra ny fitsaohantsika

Ny iray amin’ireo fomba fitsaohana tena mahazatra sy manan-danja indrindra dia ny miangona ao ao amina toerana voatokana mba hanatanterahana hetsika fitsaohana. Hoy ny Tompo: “Ary mba hahazoanao miaro tanteraka kokoa ny tenanao tsy ho voapentimpetin’izao tontolo izao, dia handeha ho any amin’ny trano fivavahana ianao ary hanatitra ny fanati-pisaoranao amin’ny androko masina.” Mazava ho azy fa izany no antony voalohany mandrisika antsika hanorina trano fiangonana. Saingy raha toa ka ilaina dia afaka hanaovana izany ny toerana iray tsy voatokana ho amin’izany raha toa ka ataontsika izay ilaina mba ho sahaza ny fahamasinan’ilay toerana.

Fivoriana fanasan’ny Tompo.

Ny manan-danja indrindra dia ny zavatra ataontsika rehefa miangona amin’ny andron’ny Tompo isika. Mazava ho azy fa manao fitafiana araka izay tsara indrindra azontsika atao isika miankina amin’ny enti-manantsika—tsy mihoa-pampana, fa maotina mba hanehoana ny fanajantsika sy ny fitsaohantsika Ny Andriamanitra. Mitovy amin’izany koa, ny fitondrantenantsika dia feno fanajana sy fitsaohana. Mitsaoka isika amin’ny alalan’ny fiarahana mivavaka; mitsaoka isika amin’ny alalan’ny fihirana hira ao amin’ny fihirana (tsy mihaino fotsiny ihany fa mihira ireo hira ao amin’ny fihirana); mitsaoka isika amin’ny alalan’ny fifampianarana sy fianarana avy amin’ny tsirairay. Hoy Jesoa, “Tsarovy fa amin’io andron’ny Tompo io, dia hanatitra ny fanatitrao [izay midika hoe, ny –fanomezana … na ny fotoana, na ny talenta, na ny fananana, ho fanompoana an’ Andriamanitra sy ny namana–] sy ny fanati-pisaoranao ho an’ny Avo Indrindra ianao, ary hibaboka ny fahotanao amin’ny rahalahinao sy eo anoloan’ny Tompo.” Tsy ny hampiala voly na hiala voly—toy ny ataon’ny tarika iray ohatra no antony iarahantsika mivondrona—fa ny hahatsiaro Azy kosa ary ny mba “hahazoana mampianatra [antsika] misimisy kokoa” ny amin’ny filazantsarany.

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany teo, ny Loholona Patrick Kearon dia nampahatsiahy antsika fa “tsy hoe miangona amin’ny andro Sabata isika mba hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo fotsiny ary hanisy hoe vita iny ao amin’ny lisitry ny zavatra atao. Miara-mivondrona isika mba hitsaoka. Misy fahasamihafana lehibe eo amin’ireo anankiroa ireo. Ny hoe manatrika dia midika hoe tonga eo amin’ilay toerana. Fa ny mitsaoka kosa dia midera sy mankalaza ilay Andriamanitsika an-tsitrapo amin’ny fomba izay manova antsika!”

Ny fanokanana ireo Sabatantsika ho an’ny Tompo sy ho an’ireo tanjony dia efa fihetsika maneho fitsaohana. Taona vitsy lasa izay, nilaza ny Filoha Russell M. Nelson, izay mbola Loholona tamin’izany, nanao hoe: “Ahoana no hanamasinantsika ny andro Sabata? Nandalina ireo lisitra nataon’ny olona hafa mikasika ireo zavatra atao na ireo zavatra tsy atao amin’ny andro Sabata aho tamin’ny fahatanorako. Taty aoriana anefa aho vao nianatra izany tamin’ny alalan’ny soratra masina fa ny fitondrantenako sy ny fihetsiko amin’ny Sabata dia nandrafitra ny famantarana teo amiko sy ny Raiko any An-danitra [jereo ny Eksodosy 31:13; Ezekiela 20:12, 20]. Tsy nila ireo lisitry ny zavatra atao sy zavatra tsy atao intsony aho rehefa nanana izany fahatakarana izany. Rehefa nila nandray fanapahan-kevitra aho momba ny hoe mety sa tsy mety amin’ny Sabata ny zavatra atao iray dia nanontany tsotra aho hoe: -Inona no famantarana tiako homena an’ Andriamanitra?-”

Ny fitsaohana amin’ny andron’ny Tompo dia voamariky ny fifantohana manokana amin’ilay sorompanavotana lehibe nataon’i Jesoa Kristy. Mankalaza ny Fitsanganany tamin’ny maty amin’ny fomba mendrika sy manokana isika amin’ny Paska, saingy isan-kerinandro koa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo izay tandindon’ny Sorompanavotany, tafiditra ao anatin’izany ny Fitsanganany tamin’ny maty. Ho an’ny mpibebaka, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo no fanasongadinana ny fitsaohana amin’ny Sabata.

Ny fitsaohana miaraka toy ny “tenan’i Kristy” dia mitondra hery sy tombontsoa manokana rehefa mifampianatra sy mifanompo ary mifanohana isika tsirairay avy. Mahavariana fa ny fikarohana iray vao tsy ela dia nahitana fa ireo izay mihevitra ny fiainany ara-panahy amin’ny maha an’ny tena manokana tanteraka izany dia mety tsy hanao izay haha-laharam-pahamehana kokoa ny fivoarana ara-panahy, na hilaza fa tena manan-danja ny finoan’izy ireo, na hanokana fotoana hitsaohana tsy tapaka an’ Andriamanitra. Amin’ny maha-fiaraha-monin’ Olomasina antsika dia mifankahery isika amin’ny fitsaohana sy ny finoana.

Na izany aza dia tsy afaka manadino ireo fihetsika fitsaohana isan’andro izay ataontsika manokana sy any an-tokantrano isika. Mampahatsiahy antsika ny Mpamonjy hoe: “Kanefa dia haterina amim-pahamarinana amin’ny andro rehetra sy amin’ny fotoana rehetra ny voadinao” Nanao fanamarihana tamim-pahendrena ny rahavavy iray hoe: “Tsy afaka mieritreritra fomba lalina kokoa hitsaohana an’ Andriamanitra aho mihoatra ny fandraisana ireo ankizy madininy eo amin’ny fiainantsika sy ny fikarakarana azy ireo ary mampianatra azy ireo ny drafiny ho azy ireo.”

Nampianatra an’ireo Zôramita izay norarana tsy ho ao amin’ny sinagogany mba hitsaoka an’ Andriamanitra tsy hoe indray mandeha isan-kerinandro fotsiny, fa hatrany hatrany, ary “na aiza na aiza toerana mety hisy anareo” i Almà sy Amioleka. Nolazain’“izy ireo ho fitsaohana ny vavaka:

“Ianareo dia tsy maintsy mamboraka ny fanahinareo ao an’efi-tranonareo sy ny toera-miafinareo ary any an-tany foanareo.

“Eny, ary rehefa tsy mitalaho amin’ny Tompo ianareo, dia aoka ny fonareo ho feno, mitodika Aminy lalandava ao amin’ny vavaka.”

Niresaka momba ny fandalinana ny soratra masina ihany koa izy ireo, ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy, ny fanaovana asa feno fiantrana sy ny asa fanompoana, ny fandraisana ny Fanahy Masina, ary ny fiainana ao anatin’ny fankasitrahana isan’andro. Saintsaino izany hoe: “miaina ao anatin’ny fankasitrahana isan’andro” izany. Miresaka momba ilay hevi-dehibe faharoako izany:

Ireo toe-tsaina sy fahatsapana raiki-tampisaka ao amin’ny fitsaohana

Ny fahatsapana sy ny fanehoana fankasitrahana an’ Andriamanitra raha ny marina, no mitondra fahatsapana fanavaozana feno fifaliana ao amin’ny fitsaohana, fa tsy ny fandraisana izany ho toy ny andraikitra iray tokony hatao fotsiny.

Ny tena fitsaohana marina dia midika hoe mitia an’ Andriamanitra sy mampandefitra ny sitrapontsika mba hanekena ny Azy—ka izany no fanomezana sarobidy indrindra azontsika atolotra. Rehefa nanontaniana i Jesoa hoe inona no didy lehibe ao amin’ny lalàna dia namaly Izy hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra ary ny sainao rehetra.” Nantsoiny ihany koa hoe ny didy lehibe izany.

Izany no fomba fitsaohan’i Jesoa manokana ny Ray. Natokana ho amin’ny voninahitry ny Ray ny fiainany sy ny sorompanavotany. Tsaroantsika lalina dia lalina tokoa ny fitalahoana manohina fo nataon’i Jesoa tao anatin’ny fijaliana sy fahoriana tsy takatry ny saina: “Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.”

I Kristy tao Getsemane.

Ny fiezahana ny hanaraka io ohatra tonga lafatra io no atao hoe fitsaohana. Tsy ho tonga lafatra amin’ireo zavatra ireo ao anatin’ny indray mipi-maso isika, saingy raha toa isika isan’andro ka “[manatitra] ho sorona ho [Azy] ny fo torotoro [mibebaka] sy ny fanahy manenina [mankatò],” dia hataony batisa indray isika amin’ny Fanahiny ka hameno antsika amin’ny fahasoavany Izy.

Fahatelo, ny maha-manokana ny fitsaohantsika

Ao amin’ny fizarana voalohany amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ny Tompo dia nanonona ity fiampangana an’izao tontolo izao ity:

“Efa nialany ny ôrdônansiko ary efa nivadihany ny fanekempihavanako maharitra mandrakizay;

“Tsy mikatsaka ny Tompo izy ireo mba hanorina ny fahamarinany, fa samy mandeha amin’ny lalany avy ny olona tsirairay, ary manaraka ny endriky ny andriamaniny avy, izay manam-pitoviana amin’izao tontolo izao ny endriny”

Tsara ho antsika ny mahatsiaro ny ohatra nasehon’ireo zatovolahy Jiosy telo, dia i Hanania, i Misaela, ary i Azaria, izay nentina ho babo tany Babylona tsy ela akory taorian’ny nandaozan’i Lehia sy ny fianakaviany an’i Jerosalema. Novain’ny Mpanjaka Nebokadnezara ho Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego ny anaran’izy ireo. Taty aoriana, rehefa nolavin’izy telo ireo ny hitsaoka sary iray nataon’ny Mpanjaka Nebokadnezara, dia nodidiany ny hanipazana azy ireo any anaty lafaoro misy afo mirehitra sady niteny tamin’izy ireo hoe: “ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ny tanako izany?”

Tsaroantsika angamba ny valintenin’izy ireo feno fahasahiana:

“Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ny tànanao, ry mpanjaka ô.

“Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, … fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.”

I Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego voavonjy tao amin’ny lafaoro misy afo mirehitra.

Tena nafana loatra ilay lafaoro ka nahafaty ireo izay nanipy azy ireo tao anatin’izany, fa i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego kosa dia tsy naninona. “[Dia] niteny i Nebokadnezara ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay… hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy, … ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin’izay andriamanin-kafa, afa-tsy Andriamininy ihany.” Natoky an’i Jehovah izy ireo hanavotra azy ireo, “ary na dia tsy izany aza,” izany hoe, na dia tsy hanakana ny hahafatesan’izy ireo aza Andriamanitra, dia mbola hitoetra ho mahatoky Aminy ihany izy ireo.

Na inona na inona atao laharam-pahamehana mihoatra ny fitsaohana ny Ray sy ny Zanaka dia lasa sampy izany. Ireo izay mandà an’ Andriamanitra ho loharanon’ny fahamarinana na mandà ny maha tompon’andraikitra eo anatrehany, raha ny marina, dia manao ny tenan’izy ireo ho andriamaniny. Ny olona iray izay mametraka ny tsy fivadihana amin’ny fikambanana iray na foto-kevitra iray mihoatra noho ny fitarihana avy amin’ Andriamanitra dia manompo andriamanitra sandoka. Na dia ireo izay mody mitsaoka an’ Andriamanitra nefa tsy mitandrina ireo didiny aza dia mandeha amin’ny lalan’izy ireo manokana: “manatona Ahy amin’ny molony izy ireo nefa lavitra Ahy ny fony.” Ny hany itsaohantsika dia, “[Ilay] Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahiny.”

Farany, ny filana ny fiezahana hitovy amin’ny Ray sy ny Zanaka

Amin’ny farany, ny fomba fiainantsika no endrika tsara sy marina indrindra hanehoana ny fitsaohana. Ny fanehoana ny fanolorantenantsika dia midika hoe mianatra ny ohatra nasehon’ny Ray sy ny Zanaka—mamboly ao anatintsika ny toetran’ Izy Ireo sy ny mombamomba Azy Ireo. Raha hoe ny fakana tahaka no fomba tsara indrindra hanehoana ny fankafizana olona iray, hoy ny fitenenana, dia mety hiteny isika mahakasika Ny Andriamanitra hoe: ny fakana tahaka Azy Ireo no fomba tsara indrindra hanarahana Azy Ireo. Mandroso izany ny hanaovantsika ezaka mitohy sy tsy tapaka avy amintsika mba hikatsahana fahamasinana. Saingy ny fahatongavana ho tahaka an’i Kristy kokoa dia vokatra voajanaharin’ny asa fitsaohantsika ihany koa. Ny fehezantenin’ny Loholona Kearon notononina teo aloha momba ny fitsaohana manao hoe, “amin’ny fomba izay manova antsika,” dia manan-danja. Ny tena fitsaohana marina dia manova.

Izany no hatsaran’ny lalan’ny fanekempihavanana—ny lalan’ny fitsaohana, fitiavana, ary tsy fivadihana amin’ Andriamanitra. Miditra ao amin’izany lalana izany isika amin’ny alalan’ny batisa, manao fanekena ny hitondra eo amintsika ny anaran’i Kristy sy hitandrina ireo didiny. Mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina isika, ilay iraky ny fahasoavan’ny Mpamonjy izay manavotra sy manadio antsika amin’ny fahotana rehefa mibebaka isika. Mety azo atao mihitsy aza ny milaza fa rehefa mibebaka isika dia mitsaoka Azy.

Manaraka izany ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny fisoronana fanampiny atao ao amin’ny Tranon’ny Tompo izay manamasina antsika bebe kokoa. Ireo fombafomba sy ôrdônansin’ny tempoly dia endrika fitsaohana avo kokoa.

Nanamafy ny Filoha Russell M. Nelson fa “ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay izay mandray ny ôrdônansin’ny fisoronana sy mitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia manana fahafahana mivantana hahazo ny herin’ Andriamanitra.” Tsy hery sitrahantsika entina hanompoana sy hitahiana fotsiny izany. Io ihany koa ilay hery masina izay miasa ao amintsika hanivanana sy hanadiovana antsika. “Miharihary [ao anatintsika] ny hery [manamasin’] ny toetra araka an’ Andriamanitra” rehefa mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika.

Enga anie isika, ho toy ireo Nefita sy Lamanita taloha, ka “lavo teo an-tongotr’i Jesoa … sy nitsaoka Azy.” Enga anie isika, araky ny nandidiani Jesoa antsika, “handohalika ka hitsaoka ny Ray amin’ny anaran[’ny Zanaka].” Hirotsaka amintsika anie ny Fanahy Masina ka hanolotra ny fontsika ho amin’ Andriamanitra isika, tsy hanana andrimani-kafa ankoatrany, ary ho mpianatr’i Jesoa Kristy, maka tahaka ny toetrany eo amin’ny fianinantsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manao izany isika, dia hiaina ny fifaliana avy amin’ny fitsaohana. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.