Namana
Rehefa atao batisa aho
Namana - Janoary 2026

“Rehefa atao batisa aho,” Namana, Janoary 2026, 29.

Rehefa atao batisa aho

Amim-pisainana

1. Endrey ny hakanton’ny tany, misy avana io, jereo.

Voasasan’ny orana avokoa, madio sy soa avy eo.

Mba tiako raha izaho ity no hadio tahaka izany.

Hiezaka aho hihatsara hatrany mba ho any an‑danitra any.

2. Rehefa atao batisa aho dia manaiky hankatò.

ary ho voavela aho raha miara‑dia amin’i Jesoa.

Mba tiako raha izaho ity no hadio tahaka izany.

Hiezaka aho hihatsara hatrany mba ho any an‑danitra any.

Mozika amin’ny endrika PDF