“Natao batisa i Jesoa,” Namana, Janoary 2026, 6.
Natao batisa i Jesoa
Izaho koa dia azo atao batisa sy raisina ho mpikambana ihany koa!
Ny fanaovana batisa no dingana voalohany ataontsika izay hahatonga antsika ho mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy! Manaova sarin’ny andron’ny batisanao, na efa nitranga izany na mbola miandry izany ianao.
Nahoana no manan-danja aminao ny batisa?
Nahoana no manan-danja amin’i Jesoa izany?
Famenoana ny dobo
Afaka manaraka an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanaovana batisa. Rehefa atao batisa sy raisina ho mpikambana isika, dia misy zavatra roa manan-danja mitranga: manao fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra isika, ary mandray fanomezana miavaka iray! Ataovy ity sahanasa eto ambany ity mba hianarana misimisy kokoa. Manomboha eo ambanin’ilay dobo ary valio ilay fanontaniana. Avy eo dia lokoy ao anatin’ny rano ho an’izany dingana izany ary miakara any amin’ny dingana manaraka.
-
Firy taona ianao vao azo atao batisa? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:27)
-
Hatraiza amin’ny vatanao no mila miroboka ao anaty rano? (3 Nefia 11:26)
-
Inona no ampanantenainao amin’ny Ray any An-danitra? (Môzià 18:10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37)
-
Inona no fanomezana raisinao rehefa avy atao batisa ianao? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:15)
-
Inona no azonao atao isan-kerinandro mba hahatsiarovana ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:2)
Sary nataon’i Kelly Smith