Namana
Toy ny ankizy madinika
Namana - Janoary 2026


“Toy ny ankizy madinika,” Namana, Janoary 2026, 16.

Toy ny ankizy madinika

Nalaina avy tamin’ny “Toy ny ankizy madinika,” Liahona, mey 2025, 7–9.

Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny taon-dasa dia nilaza tantara iray avy tamin’ny fiainan’ny Mpamonjy ny Filoha Holland. Indray andro ireo Apôstôliny dia nifanditra momba ny hoe iza no lehibe indrindra. Dia niantso zaza madinika hanatona Azy i Jesoa avy eo. Hoy Izy, “Na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra” (Matio 18:4). Nilaza ny Filoha Holland fa ny zazakely sy ny ankizy madinika dia fampahatsiahivana momba ny fanjakan’ Andriamanitra.

Halalino izany

Inona no dikan’ny hoe manetry tena?

  1. Mandresy amin’ny zavatra rehetra

  2. Mitodika any amin’ny Ray any An-danitra sy ny hafa mba hahazoana fanampiana

  3. Mieritreritra ny hafa alohan’ny tenanao

  4. Sady b no d

Ny Môzià 3:19 dia soratra masina iray hafa mampianatra fa tokony ho tonga tahaka ny ankizy madinika isika. Inona amin’ireto toetra manaraka ireto no tsy tafiditra ao anatin’io andininy io?

  1. Te hahafanta-javatra lava

  2. Feno fitiavana

  3. Miaritra

  4. Manetry tena

Pejy amin’ny endrika PDF