“-Valo taona aho ato ho ato,-” Namana, Janoary 2026, 20–21.
“Valo taona aho ato ho ato”
Fony ny zakako vavy enin-taona teo ho eo dia niezaka araka izay vitanay izahay mba hanatrehany ireo batisan’ny ankizy hafa. Taorin’ny batisa tsirairay avy dia niresaka taminy momba ny zava-nitranga izahay. Nampianay izy hahatakatra fa rehefa ampy taona izy hatao batisa, dia ho afaka ny hitsara ny tsara amin’ny ratsy izy. Taorian’ny batisa tsirairay avy dia miteny izy hoe, “Ho valo taona aho ato ho ato ary hatao batisa koa.”
Nony farany dia feno valo taona ilay zanako vavy. Natao batisa sy noraisina ho mpikambana izy. Nanana ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’izay izy. Nolazainay taminy fa iray amin’ireo fomba tsara indrindra hihazonana ny Fanahy Masina miaraka aminy dia ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.
Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao dia mampanantena ny hahatsiaro mandrakariva an’i Jesoa Kristy. Hanampy anao hanao ireo zavatra nampianarin’i Jesoa ny Fanahy Masina ary hampahatsiahy anao ny zavatra ianaranao momba Azy any an-tokantrano sy ao amin’ny Kilonga. Miresaka amin’ny feo tony sy malefaka ny Fanahy Masina ary hanampy anao hahatakatra ny tsara sy ny ratsy Izy.
Ankehitriny dia tena tia be ny fanasan’ny Tompo ny zanako! Ianao koa dia afaka ny ho toa izany. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro sy mahatsiaro an’i Jesoa Kristy ianao, dia hahatsapa bebe kokoa ny Fanahy Masina, ary hanohy hitarika anao Izy. Ho afaka hahatsiaro mandrakariva an’i Jesoa Kristy ianao.
Ireo dingan’ny fanekempihavanana
Lokoy ny zava-nitranga tsirairay avy mba hanarahana ny fiomanan’ny zanakavavin’ny Loholona Ojediran amin’ny fanaovana sy fitandremana ny fanekempihavanan’ny batisany.
Sary nataon’i Samantha Windley