Namana
Fanombohana vaovao
Namana - Janoary 2026


“Fanombohana vaovao,” Namana, Janoary 2026, 38–39.

Fanombohana vaovao

“Ahoana no hahafahako mijanona ho madio aorian’ny batisako?”

Tantara tena niseho tao Frantsa.

Fanehoana an-tsary ny zazalahy iray sy ny rainy mifampitantana sy mandeha an-tongotra

Afaka andro vitsivitsy dia ho feno valo taona i Alexandre! Feno fientanentanana be izy satria mikasa hihinana sakafo miavaka ho an’ny tsingerintaonany izy sy i Dada aorian’ny fotoam-pianarana. Rehefa tonga ho an’ny sakafo hariva ny misiônera, dia nolazain’i Alexandre azy ireo ny mombamomba ilay mofomamy misy sôkôlà nosafidiany.

“Hisy anankivalo izany, ka ny tsirairay dia asiana labozia ho solon’ny mofomamy tokana misy labozia valo!”

Nihomehy Elder Lauener. “Mahafinaritra kosa izany. Mba asio ho ahy!”

Taorian’ny sakafo hariva dia nampianatra lesona momba ny batisa ireo misiônera. Nitodika tamin’i Alexandre i Elder Doyon. “Rehefa atao batisa ianao dia mampanantena ny hanaraka an’i Jesoa Kristy.” Notantarainy an’i Alexandre ny batisany ary nozarainy ny fijoroana ho vavolombelona nananany. “Nanampy ahy hahatsapa fifaliana tokoa ny Fanahy Masina satria nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy aho tamin’io andro io.”

Tsy andrin’i Alexandre mihitsy ny andron’ny batisany!

Saingy rehefa nandeha hatory izy tamin’io alina io dia sarotra taminy ny natory. Tiany ilay hoe madio sy vaovao. Ahoana anefa no fomba hijanonany ho madio aorian’ny batisa?

Ny ampitso marainan’iny dia nandeha tany an-tsekoly niaraka tamin’i Dada i Alexandre. “Tsy dia miresaka firy ianao tamin’ity maraina ity,” hoy i Dada. “Fa inona no olana?”

Nisento i Alexandre. “Raha mba azoko atao ny hatao batisa im-betsaka.”

“Fa nahoana?” Hoy i Dada nanontany.

“Ahoana izany no hijanonako ho madio aorian’ny batisako?” hoy i Alexandre nanontany. “Manadino zavatra foana aho—toy ny miteny hoe manahoana sy misaotra aminareo olon-dehibe ary koa ny fananana faharetana amin’ny zandriko lahy. Fantatro fa mbola hanao fahadisoana aho. Indray mandeha ihany ilay batisa no atao, noho izany dia tsy afaka ny hadio toa izany intsony aho.”

Nijanona i Dada ary nijery an’i Alexandre tao amin’ny masony. “Oay. Mety hahatsapa ho sahiran-tsaina tokoa ianao. Tadidinao ve isika niresaka momba ny hoe manao fampanantenana rehefa atao batisa?”

Naneho fanekena tamin’ny lohany i Alexandre. “Eny.”

“Rehefa atao batisa ianao dia manao fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra. Mampanantena ny hitandrina ny didiny sy hanaraka an’i Jesoa Kristy ianao. Aorian’izany, isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo ianao dia afaka mahatsiaro an’i Jesoa sy ny fomba ahafahany manampy anao hibebaka.”

Nihiratra be ny mason’i Alexandre. “Midika ve izany fa afaka ny ho madio toa ny tamin’ny rehefa natao batisa aho?”

“Izay mihitsy,” hoy i Dada. “Fantatry ny Ray any An-danitra fa tsy tonga lafatra ianao, ary indraindray ianao dia hanao safidy tsy mety. Saingy rehefa manota ianao dia afaka mibebaka sy manohy miezaka manaraka an’i Jesoa. Mety ho vitanao ve izany?”

Nitsiky i Alexandre. “Eny! Vitako izany ka.”

Rehefa tonga ny andron’ny tsingerintaona nahaterahan’i Alexandre dia niara-nihinana ilay sakafo miavaky ny tsingerintaonany ny fianakaviany taorian’ny fotoam-pianarana. Natsiro izany! Ary tamin’ny batisany dia nahatsapa tena tsara izaitsizy tao anatiny i Alexandre rehefa nivoaka ny rano izy. Nampanantena ny hanaraka an’i Jesoa Kristy izy, ary dia tena nahafinaritra izany!

Ankizilahy mihinana mofomamy tsiro sôkôlà

Tamin’io herinandro io i Alexandre dia nanao ny tsara indrindra vitany mba hitandrina ny fanekempihavanana vaovao nataony ary ho tsara fanahy amin’ny zandriny lahy. Saingy rehefa tonga ny alahady manaraka dia somary kivy izy. Nahatsapa izy fa tokony nisy safidy tsara kokoa nataony tamin’io herinandro io.

Rehefa nozaraina ny fanasan’ny Tompo dia namoritra ny sandriny sy nanondrika ny lohany i Alexandre. Nangataka tamim-pahanginana ny Ray any An-danitra izy mba hanampy azy hanao safidy tsara kokoa amin’ny herinandro ambony. Nieritreritra ny halehiben’ny fitiavan’i Jesoa azy sy ny faniriany hitovy bebe kokoa Aminy izy.

Teo am-pandraisana ilay mofo dipaina kely teo amin’ny lovian’ny fanasan’ny Tompo i Alexandre dia nahatsapa hafanana sy fiadanana tao anatiny. Fahatsapana toa ilay tamin’ny andron’ny batisany! Napetrak’i Dada teo amin’ny sorok’i Alexandre ny tanany ary nitsiky taminy izy.

Androany no fiantombohan’ny herinandro vaovao, ary i Alexandre dia hanao izay tsara indrindra vitany—miaraka amin’ny fanampian’ny Ray any An-danitra.

Zazalahy iray mandray ny fanasan’ny Tompo
Tonon-kira nasiam-panovana

Sary nataon’i Toby Newsome