Namana
Tonga soa ry namana!
Namana - Janoary 2026


“Tonga soa ry namana!” Namana, Janoary 2026, 1.

Tonga soa ry namana!

Nisy zavatra vitsivitsy novainay ho an’ity taona ity! Ny fizarana Avia, hanaraka Ahy manomboka izao dia any amin’ny faran’ny gazetiboky. (Jereo kely ange!) Tsy misaraka intsony manomboka izao ireo fizarana “Ho an’ny ankizy lehibe” sy “Ho an’ny ankizy kely”, fa mbola ao foana anefa ireo pejy mahafinaritra rehetra, saingy miparitaka manerana ilay gazetiboky fotsiny—ho an’ny salan-taona rehetra.

Ary toa ny mahazatra, ao ny atrikasa famoronana, kilalao, hira, ary tantarana ankizy tena izy toa anao izay manara-dia an’i Jesoa Kristy. Amin’ity taona ity ihany koa izahay dia mangataka ireo mpamaky mba handefa dian-tanana ary hilaza ny fomba nanompoan’izy ireo. Mandehana ao amin’ny pejy 13 mba hianarana misimisy kokoa.

Hahafinaritra be ny fiainana rehefa miara-manara-dia an’i Jesoa isika mandritra ity taona ity!

Ny Namana