“Sahanasa mahafinaritra hanaovana mozika amin’ny alalan’ny rano,” Namana, Janoary 2026, 28.
Sahanasa mahafinaritra hanaovana mozika amin’ny alalan’ny rano
Manaova hira ao an-trano amin’ny alalan’ny rano sy kaopy monja!
-
Alaharo ireo vera na tavoahangy kely.
-
Fenoy rano amin’ny hahavony samihafa ny vera tsirairay avy. Ny vera voalohany dia tokony hisy ny rano betsaka indrindra, ary ny vera farany no tokony hisy ny kely indrindra.
-
Ampidiro ao anatin’ny rano ilay loko ampiasaina amin’ny sakafo raha tianao.
-
Kitiho moramora amin’ilay sotro ireo vera dia henoy ny feo samy hafa avoakan’ny vera tsirairay avy. Ampio rano misimisy kokoa mba hahatonga ireo naoty ho ambany kokoa na hanesory mba hahatonga azy ireo ho avo kokoa.
-
Miezaha mikalo naoty vitsivitsy ao amin’ilay “Rehefa atao batisa aho” ao amin’ny pejy manaraka na foròny ny hiranao manokana!
Vakio ny tonon’ilay hira hoe “Rehefa atao batisa aho” ao amin’ny pejy manaraka. Avy eo dia ataovy sary ny fahatsapanao momba ilay hira, ary zarao amina olona iray izany!
Sary nalain’i Cristy Powell