Namana
Margo sy Paulo
Namana - Janoary 2026


“Margo sy Paulo,” Namana, Janoary 2026, 26–27.

Margo &sy Paulo

Ilay safidy ho mpampihavana

Nahoana ianareo roa no tsy be teniteny? Raha ny mahazatra dia ianareo no mavitrika miresaka indrindra ato an-trano!

Nifanditra izy ireo momba ny fampirimana ny efitranony.

Teo aloha kelin’izay …

Eny ary ô! Hanasaraka ny efitranontsika i Sara Menarana. Raha mandingana azy ianao dia HOKAKERINY!

Ka izaho koa anie tsy te hankany amin’ny faritrao e! Mikorontana foana any!

Tena tsy hifampiraharaha mandritra ny alina manontolo tokoa ianareo?

Tena tsy fomba tsara ifampitondran’ny mpianadahy izany.

Tsy te ho anadahiny intsony ihany koa izaho e!

Tsy fanahy iniako izany. Tena tezitra be fotsiny aho! Raha azoko atao dia tsy ho noteneniko izany.

Tsy azo hiverenana intsony ny teny efa naloakan’ny vava. Saingy mbola azonao atao foana ny mihavana mba hiverenana amin’ny tokony ho izy.

Ny mibebaka ve no tianao holazaina. Sa tsy izany?

Tena izany tokoa. Nanao sorona ho anao i Jesoa Kristy mba hahafahanao mibebaka foana sy mamerina amin’ny laoniny indray.

Fantatro ny zavatra tokony hataoko. Ary mino aho fa vonona aho izao.

Rehefa afaka kelikely …

Margo a? Afaka mandroso ve aho?

Oay, ianao daholo ve no nanao an’io rehetra rehetra io?

Nanampy i Mamãe. Azafady fa manakorontan-javatra foana aho. Mampanantena ny hiezaka aho!

Azafady raha nivazavaza taminao sy nampalahelo anao aho teo.

Mamela ahy. Mety tsy hila an’i Sara Menarana ihany isika angamba hanasaraka ny efitranontsika?

Tena faly aho hoe ianao no anabaviko.

Izaho koa.

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Katie McDee