Arahaba avy any Filipina! Namana, Janoary 2026, 8–9.
Arahaba avy any Filipina!
Ny Filipina dia andiana nosy be dia be ao andrefan’ny Ranomasimbe Pasifika. Olona mihoatra ny 100 tapitrisa no monina any! Ny Filipino sy Anglisy no fiteny ôfisialin’izy ireo.
Firenena nosy
Misy nosy mihoatra ny 7.640 any Filipina. Ao amin’ny 2.000 amin’izy ireny ny olona no monina.
Fahavaratra sôkôlà
Ny Collines Chocolat dia ao amin’ny Nosy Boholo. Mandritra ny vanim-potoana maina, dia mivadika ho loko volontany ireo vohitra ireo ka mitovy amina vongana sôkôlà lehibe!
Voromahery lehibe iray
Ny voromahery Filipiana no vorona fanevan’ilay firenena ary iray amin’ireo voromahery lehibe indrindra eto ambonin’ny tany.
Manjono amin’ny alalan’ny bararata
Manjono be ny olona any. Ny fomba iray hisamborana ny trondro dia ny famelezana ny rano amina bararata lavabe iray. Mampisamboaravoara ny trondro izany ka lasa miraikitra ao anatin’ny haraton’izy ireo.
Fotoana fankalazana!
Izahay aty Filipina dia mankalaza ny Krismasy mandritra ny efatra volana, manomboka amin’ny volana septambra. Manomboka mandefa hiran’ny Krismasy izahay ary mandravaka amin’ny fanaingoana amin’ny Krismasy mandrapahatapitry ny vanim-potoana any amin’ny voalohandohan’ny janoary any ho any.
Sary nataon’i Minna Miná