“Adama sy Eva,” Namana, Janoary 2026, 46–48.
Avia, hanaraka Ahy
Adama sy Eva
I Adama sy i Eva no zanaky ny Ray any An-danitra niaina teto an-tany voalohany. Nipetraka tao amin’ny Saha Edena izy ireo.
Navelan’ Andriamanitra hihinana ny voankazo rehetra izy ireo afa-tsy iray ihany. Raha nihinana avy amin’ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy izy ireo dia tsy maintsy hiala ny saha ary ho faty amin’ny farany. Saingy nandainga tamin’izy ireo i Satana. Nolazainy fa raha nihinana ny voankazo izy ireo dia hahalala ny tsara sy ny ratsy saingy tsy ho faty.
Nisafidy ny hihinana ilay voankazo i Eva.
Avy eo dia nomeny tamin’ilay voankazo i Adama. Nisafidy ny hihinana izany ihany koa izy.
Nitsidika azy ireo Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, saingy natahotra i Adama sy i Eva ka dia niafina. Nanontany Andriamanitra raha toa ka nihinana voankazo avy tamin’ilay hazo izy ireo.
Nilaza i Adama sy i Eva fa nihinana ilay voankazo izy ireo. Tsy maintsy hiala ny Saha Edena izy ireo izao. Saingy nanana drafitra ho azy ireo Andriamanitra. Izao izy ireo dia nahalala ny zavatra mety sy tsy mety ary afaka nanan-janaka.
Nampanantena ny hankatò ny didin’ Andriamanitra i Adama sy i Eva. Nianatra kokoa momba ilay Zanakalahin’ Andriamanitra, dia i Jesoa Kristy, izy ireo. Faly izy ireo satria hanampy ny fianakaviany hiverina indray any amin’ Andriamanitra Izy.