Namana
Manara-dia an’i Jesoa any Filipina
Namana - Janoary 2026


“Manara-dia an’i Jesoa any Filipina,” Namana, Janoary 2026, 10–11.

Manara-dia an’i Jesoa any Filipina

Fantaro i Adam

Sarin’ankizilahy

Manara-dia an’i Jesoa Kristy i Adam amin’ny alalan’ny fanampiana ny hafa. Indray mandeha tany an-tsekoly, dia tsy nanana sakafo antoandro ny mpiara-mianatra aminy. Nanapa-kevitra ny hizara ny sakafo antoandrony aminy i Adam. Hoy izy: “Nahatsapa fifaliana aho satria afaka nanampy olona tahaka ny ho nataon’i Jesoa.”

Sarin’i Adam mamaky ny soratra masina

Manara-dia an’i Jesoa ihany koa i Adam amin’ny alalan’ny vavaka. Vao haingana izy no nilatsaka ho filohan’ny filankevitry ny mpianatra ao amin’ny sekoliny. Nivavaka izy ary nangataka ny Ray any An-danitra mba hanampy azy ho faly amin’izay mety ho vokatra rehetran’ilay fifidianana. “Tsy nandresy aho, saingy fantatro fa manana drafitra tsara kokoa ho ahy ny Tompo,” hoy i Adam.

Mombamomba an’i Adam

Sarin’i Adam sy ny fianakaviany mipetraka eo amin’ny sezalava

Taona: 10

Avy any: Rizal, Filipina

Fiteny: Tagalaogy, Anglisy

Tanjona: Ho lasa dokotera mpandidy mba hahafahany manampy olona

Fialam-boly: Mipetrapetraka miaraka amin’ny namana sy milalao badminton

Fianakaviana: Adam, Neny, Dada, zoky vavy roa, zoky lahy roa

Ireo zavatra tian’i Adam indrindra

Sarin’i Adam mitendry pianô miaraka amin’ny rainy

Tantara ao amin’ny soratra masina: Rehefa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy, satria midika izany fa afaka ho velona indray ihany koa isika

Fotoam-pankalazana: Krismasy

Sakafo: Nilaga (lasopy misy henakisoa, petsay, ary ovy)

Sarin’ankizy mitendry lokanga