“Vita batisa ianao izay. Ahoana amin’izay ary izao?” Namana, Janoary 2026, 36–37.
Natao batisa ianao izay. Ahoana amin’izay ary izao?
Vita batisa ve ianao? Tena mahafinaritra be izany. Faly be ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy satria nanao an’io safidy io ny hanaraka Azy Ireo ianao.
Ny batisa dia iray fotsiny amin’ireo dingana voalohany eo amin’ny dianao mitondra amin’ny fifandraisana ara-panekempihavanana mahatalanjona amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy anao. Ireto misy zavatra sasantsasany azonao tohizana na hatomboka amin’izay satria vita batisa ianao.
Mihaino ny Fanahy Masina
Tadidinao ve ny fotoana nandraisanao ny fanomezana ny Fanahy Masina taorian’ny batisanao? Ankehitriny dia afaka ny hiaraka aminao lalandava Izy rehefa misafidy ny marina ianao. Matetika ny Fanahy Masina no mifanerasera amintsika amin’ny alalan’ireo eritreritra sy fahatsapana. Ny fihainoana ny Fanahy Masina dia hanampy anao hanao safidy tsara sy hahita fifaliana tena izy.
Eritrereto: Oviana ianao no nahatsapa ny Fanahy Masina? Mety ho zavatra niainana goavana na kely izany!
Mibebaka
Rehefa nanao sorona ho an’ny fahotantsika i Jesoa Kristy dia nataony izay hahafahantsika rehetra mibebaka. Ny fibebahana dia fialana amin’ny fanaovana safidy tsy mety ary fitodihana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Faly be Izy Ireo rehefa misafidy ny hibebaka isika satria manampy antsika hanakaiky kokoa Azy Ireo izany.
Eritrereto: Inona no zavatra anankiray azonao atao ka hanampy anao hitodika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Mandray ny fanasan’ny Tompo
Aorian’ny batisanao, dia zavatra iray mbola miavaka kokoa ny fanasan’ny Tompo. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao dia manavao ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa ny hitandrina ireo didy sy hanaraka an’i Jesoa Kristy. Rehefa tsy mitandrina tanteraka ireo fampanantenana ireo ianao dia fampahatsiahivana isan-kerinandro ny fanasan’ny Tompo, fa noho i Jesoa Kristy dia afaka mibebaka sy ho voavela heloka isika.
Eritrereto: Inona no zavatra iray azonao atao mba hahatonga ny fanasan’ny Tompo ho miavaka amin’ity herinandro ity?
Miomana hankany amin’ny tempoly
Trano masin’ Andriamanitra ny tempoly. Amin’ny taona mahafeno 12 taona anao dia afaka mandeha any amin’ny tempoly sy manampy ny hafa amin’ny fanaovana batisa ho an’ny maty ianao. Any aoriana any dia afaka manao fanekempihavanana fanampiny ho anao manokana miaraka amin’ny Ray any An-danitra ianao. Ny zavatra ianaranao any amin’ny tempoly dia hanampy anao hitovy kokoa amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy!
Eritrereto: Inona no zavatra iray azonao atao ankehitriny mba hiomanana amin’ny fandehanana any amin’ny tempoly?
Sary nataon’i Alyssa Petersen