Namana
Fanomezana mahafaly ny batisa
Namana - Janoary 2026


“Fanomezana mahafaly ny batisa,” Namana, Janoary 2026, 2–3.

Avy ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany

Fanomezana mahafaly ny batisa

Sarin’ankizilahy iray mivoaka ny rano rehefa natao batisa tao amin’ny dobo fanaovam-batisa

Indray mandeha aho dia niresaka tamina zazalahy iray izay be fanahiana satria hatao batisa. Niahiahy izy fa ho tompon’andraikitra amin’ny fahotany rehetra.

Nolazaiko taminy fa fanomezana feno fifaliana ny batisa, ary tsy tokony hatahotra izy. Rehefa vita batisa ianao, dia afaka manampy anao bebe kokoa ny Ray any An-danitra! Nampianatra ny Filoha Nelson fa rehefa atao batisa ianao ary manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra, dia tsy hilavo lefona mihitsy amin’ny fanampiana anao Izy.* Manasa anao ny Ray any An-danitra mba handray ny fanomezana ny Fanahy Masina hitarika anao rehefa raisina ho mpikambana ianao. Ary rehefa manao safidy ratsy ianao, dia afaka mibebaka sy ho voavela satria efa nanonitra ny saran’ny fahotanao i Jesoa Kristy Zanakalahin’ny Ray any An-danitra.

Tena fitahiana lehibe ny fanasan’ny Ray any An-danitra anao rehefa feno valo taona ianao, mba hanao fanekempihavanana Aminy mba hahafahany mitahy anao bebe kokoa hatrany! Fifaliana lehibe tokoa no miandry anao rehefa manao an’io dingana hanarahana an’i Jesoa Kristy io ianao.

Rehefa atao batisa aho dia afaka …

Mahatsiaro ireo fampanantenan’ny batisako rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

(3 Nefia 18:6–7)

Manana ny Fanahy Masina miaraka amiko lalandava.

(Mosesy 6:52; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77)

Lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

(Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37)

Mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amiko sy manaraka Azy isan’andro.

(Môzià 5:8)

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Bryan Beach

  • Filoha Russell M. Nelson, “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” Liahona, ôkt. 2022, 6.