“Matsiro & Mahafinaritra,” Namana, Janoary 2026, 12–13.
Matsiro & Mahafinaritra
Mizara tanana iray
Tena tia be anao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy! Ataovy ity karatra mahafinaritra ity mba hilazana amin’ny olona fa tia azy ireo koa ianao.
-
Aforeto roa eo amin’ny antsasany ny ravin-taratasy iray.
-
Apetraho eo amin’ilay tsipika voaforitra ny ankihikelinao ary farito ny tananao.
-
Hetezo manodidina ilay faritra voasoritra. Aza hetezana ny eo amin’ilay tsipika voaforitra!
-
Sokafy ny karatrao dia soraty na ataovy sary ao anatiny ny hafatra feno hatsaram-panahy iray homena olona iray.
Fotoam-pihinanana
Asio fangaron-tsakafo tianao ny tortilla iray. Azonao andramana ny totom-boanjo sy confiture, pepperoni sy fromazy, épinard sy henam-borontsiloza, na izay zavatra rehetra mety ho tianao! Avy eo dia avalòmy ilay tortilla ary tapaho am-pitandremana ho lasa misy silany vitsivitsy. Arosoy ka ilay miolakolaka no ataovy eo ambony.
Manome Tanana
Fony i Jesoa Kristy tety an-tany dia nitia sy nanompo ny olon-drehetra Izy. Afaka manaraka ny ohatra nasehony isika amin’izao andro izao. Ahoana no nanompoanao olona iray?
Rehefa manampy olona iray aho dia toa ny hoe tena mankasitraka sy faly be amiko izany ny Ray any An-danitra.
Felix G., 11 taona, Fivondronan’i Kisumu, Kenya
Nanampy ankizy iray narary noho ny filalaovana teny an-tokotany aho. Faly aho fa afaka nanampy.
Hazel L.,7 taona, Californie, Etazonia
Zavakanto nataon’i Anna Oldroyd