“Olana tamin’ny namana,” Namana, Janoary 2026, 22–23.
Olana tamin’ny namana
Nahoana i Matt no tokony hivavaka ho an’i Joseph? I Joseph ange ilay ratsy fanahy!
Tantara marina avy any Etazonia.
Nandaka vato i Matt rehefa handeha hody. Tsy fantany hoe nahoana. Nahoana no tsy azony mihitsy ny ainy?
Niaraka tamin’i Joseph namany izy. Kanefa ohatran’ny hoe tena nalaina be i Joseph, ary lasa voatery nody aloha kokoa i Matt.
Mety hoe diso fihevitra fotsiny aho angamba, hoy i Matt anakam-po. Mety hoe mandalo fotoan-tsarotra fotsiny angamba i Joseph.
Ny ampitson’iny rehefa tonga tany an-tsekoly i Matt dia nahita an’i Joseph niresaka tamina andiana mpinamana izy. Niantso azy sy nikopakopa-tanana taminy i Matt. Nijery tany amin’i Joseph i Matt saingy tsy namaly ilay fiarahabana. Niverina nitodika tany amin’ireo namany izy.
Mety hoe tsy hitan’i Joseph fotsiny aho, hoy i Matt anakam-po.
Nandritra ny fotoam-pianarana rehefa hiara-hiasa anaty vondrona dia nankany amin’i Joseph i Matt. “Andao isika roa hiaraka?” Hoy i Matt nanontany azy.
Toa ny hoe tsy ren’i Joseph akory izany izy niteny. “Avia Mike a,” hoy i Joseph tamin’ilay ankizilahy nipetraka teo akaikiny. “Andao ho etsy isika.”
Nandeha ireo ankizilahy roa. Navesatra ny tao anatin’i Matt. Tena nazava fa nisy zavatra nanahirana an’i Joseph. Inona anefa?
Tsy azon’i Matt veroka mihitsy hoe inona no zavatra nataony ka nahatezitra an’i Joseph. Eny e, indraindray izy ireo ao anatina ekipa mpifanandrina rehefa milalao baseball mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra. Saingy mifanao peo ny dimy foana izy ireo rehefa vita. Nahoana izy no nahatsapa fa nisafidy ny ho ao amin’ny ekipa mpifanandrina aminy amin’ny zavatra rehetra i Joseph?
Mba afaka miresaka amin’i Joseph ihany aho farafaharatsiny mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra, hoy i Matt nieritreritra.
Nandritra ny fotoana fakan-drivotra, dia nihazakazaka mba hiaraka amin’ireo ankizy hafa any tan-tokotany i Matt.
“Joseph a!” hoy Matt niantso. “Afaka miresaka vetivety ve isika?”
“Efa hanomboka ny lalao,” hoy Joseph.
“Eny ary. Fa haka ny anjara toerana eo akaikinao aho dia afaka miresaka isika,” hoy Matt.
“Tara loatra ianao. Tsy misy anjara toerana eo akaikiko,” hoy i Joseph sady nihazakazaka namonjy ny ekipany izy.
Nijery i Matt raha nanomboka ny nilalao ny rehetra. Tsy mbola nanelingelina an’i Matt hatramin’izay ny hoe betsaka ny olona. Noraisina tsara foana ny rehetra.
Saingy tena nazava fa nahatsapa ho tsy noraisin’i Joseph tsara i Matt. Naninona i Joseph no nampiseho fihetsika toa ireny? Nahoana izy no nanilika azy? Tsy nisy zavatra diso nataon’i Matt akory!
“I Joseph no ilay manao zavatra tsy mety amin’izao,” hoy i Matt tamin’ny ray aman-dreniny rehefa nisakafo hariva. “Tsy hiresaka amiko sy hilaza ny zavatra mahatezitra azy amiko akory izy!”
“Sarotra ihany ange izany,” hoy i Neny.
Nahatsapa ranomaso mafana tao amin’ny masony i Matt. “Toa ny hoe lasa tsy namako tampoka izany intsony izy ary tsy fantatro ny antony.”
“Faly aminao aho satria miezaka miresaka aminy momba izany ianao,” hoy i Dada. “Angamba azonao andramana ny miteny aminy ny zavatra tsapanao ary ny hoe te hanampy ianao.”
Nampiaka-tsoroka i Matt. Raha ny fihetsika nasehon’i Joseph dia tsy azon’i Matt antoka hoe hihaino azy akory i Joseph.
Nofihinin’i Neny ny tanan’i Matt. “Hivavaka ho anao ihany koa izahay, sy ho an’i Joseph.”
Io alina io, raha hiomana hatory i Matt, dia nieritreritra ny zavatra notenenin’i Dada sy Neny izy. Efa nivavaka ho an’ny namany izy taloha tamin’izy ireo nalahelo na nanana olana. Saingy hafa anefa tamin’ity, sa tsy izany? I Joseph ange no ratsy fanahy aminy.
Koa nahoana ary izany ny ray aman-drenin’i Matt no hivavaka ho an’i Joseph? Tokony hivavaka ho an’i Joseph koa ve izy?
Nandohalika teo akaikin’ny fandriany i Matt. “Ry Ray any An-danitra ô, sarotra ny tsy ho tezitra amin’i Joseph,” hoy i Matt nivavaka. “Tsy haiko hoe tezitra ve izy, saingy tsy lazainy amiko ny zavatra manahira azy.”
Niato i Matt. “Te hiresaka aminy aho, saingy tsy azoko antoka hoe hilaza amiko izay tsy mety izy. Mba ampio izy na inona na inona manahirana azy. Ary na inona na inona mitranga dia ampio aho ho tsara fanahy aminy hatrany.”
Rehefa nivavaka i Matt dia nanomboka nahatsapa fiadanana tao anatiny izy. Fantany fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy no namany akaiky indrindra. Afaka manampy azy hitia an’i Josefa Izy Ireo, na inona na inona hosafidian’i Joseph hatao. Ary ho eo foana Izy Ireo na dia lasa tsy namany intsony aza i Joseph.
Nitsiky i Matt. Hevitra tsara ihany ilay nivavaka ho an’i Joseph rehefa nodinihana.
Sary nataon’i Mark Robison