“Be herim-po ao amin’ny Kilonga,” Namana, Janoary 2026, 30–31.
Be herim-po ao amin’ny Kilonga
Tantara marina avy any Autriche.
Natahotra ny handeha irery ao amin’ny Kilonga i Emily. Nangataka an’i Neny izy mba hiaraka aminy.
“Afaka mandeha ao amin’ny kilasiko sy mianatra ny fomba ahafahan’i Jesoa manampy ahy aho,” hoy i Neny.
“Ary afaka mandeha any amn’ny Kilonga sy mianatra ny fomba ahafahan’i Jesoa manampy anao ianao.”
Nofihinin’i Neny i Emily. “Afaka manampy antsika i Jesoa na dia rehefa sarotra aza ny fiainana.”
Niara-nandeha tamin’i Emily nankao amin’ny Kilonga i Neny ary nikopakopaka nanao veloma.
Nianatra hira iray momba an’i Jesoa izy ireo. Tian’i Emily ilay hira. Mahatsapa ho voaro sy sambatra izy.
Tsy ao amin’ny Kilonga i Neny. Saingy manampy an’i Emily ho be herim-po i Jesoa!
Sary nataon’i Natalie Briscoe