Namana
Thomas ilay mpanangona
Namana - Janoary 2026


“Thomas ilay Mpanangona,” Namana, Janoary 2026, 17.

Thomas ilay Mpanangona

Sary maneho ankizilahy manofahofa tanana

Thomas no anarako, mpanangona aho.

Mianatra momba ny fanangonana izahay ao amin’ny Kilonga amin’ity taona ity. Nangataka anay ireo mpitarika anay hanangona ny fianakavianay hivavaka sy handalina ny soratra masina. Tian’izy ireo izahay hanao fanazaran-tena amin’ny fanangonana mba hahalalanay ny fomba fanangonana ankehitriny sy rehefa lehibe izahay—any amin’ny fitoriana ny filazantsara, any an-tsekoly, ary na rehefa irery aza. Amin’izay izahay afaka miangona foana hatrany ara-panahy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary hahita fiadanana ao amin’ Izy Ireo.

Ny asako dia ny manangona ny fianakaviako isa-maraina mba hivavaka. Manontany aho hoe: “Andao mba hiaraka amiko hivavaka?” I Henry rahalahiko no manangona anay ho amin’ny vavaka sy fandalinana soratra masina amin’ny hariva.

Indray sabotsy maraina dia nivoaka maraindraina hilalao basikety izahay. Taorian’izay dia voairaka hanao raharaha izahay. Tsaroako tampoka teo dia niteny aho hoe: “Neny a! Hadinontsika ny niangona mba hivavaka.” Nilaza tamiko izy fa afaka hiangona isika rehefa tonga any an-trano. Saingy hoy aho hoe: “Mila miangona sy mivavaka izao dia izao isika!” Nangataka ahy izy hanao ny vavaka saingy tsy nakimpiny ny masony satria nitondra fiara izy.

Nolazain’i Dada sy Neny izaho sy Henry fa tena feno fankasitrahana izy ireo noho ny fanangonanay ny fianakavianay hivavaka sy handalinana soratra masina. Tena manova zavatra betsaka ao amin’ny tokantranonany hoy izy ireo ny feo kelinay. Noho ny fanangonana ataonay hoy izy ireo, dia voatahy ny fianakavianay.

Sary maneho fianakaviana mandohalika mivavaka
Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Augusto Zambonato