Namana
Vonona ny hiara-handeha amin’i Jesoa
Namana - Janoary 2026


“Vonona ny hiara-handeha amin’i Jesoa,” Namana, Janoary 2026, 4–5.

Vonona ny hiara-handeha amin’i Jesoa

Mpirahavavy kambana mihazona tahadikan’ny laharana manokan’ny gazetiboky Namana momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana

Manahoana e!

Hailey sy Violet no anaranay, mpirahavavy kambana avy any Arizona, Etazonia. Te hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy izahay, ka noho izany dia miomana ny hatao batisa izahay!

Ankizivavy mijoro eo amin’ny renirano iray miaraka amin’ny reniny sy ny rainy

Tia mandeha eo amoron’ny renirano akaikin’ny tranonay izahay. Rehefa atao batisa izahay, dia hanomboka handeha eo amin’ny lalana ara-panahy vaovao iray miaraka amin’i Jesoa! Hiaraka aminay ny Fanahy Masina rehefa miezaka ny hanara-dia ny Mpamonjy isan’andro izahay.

Ankizivavy manangona akorandriaka eo amoron’ny renirano iray

Indraindray izahay dia manangona akorandriaka kely fotsy eo amoron’ilay renirano. Mampahatsiahy anay zavatra iray nampanantenain’ny Mpamonjy izany: “Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy tahaka ny orampanala” (Isaia 1:18). Noho i Jesoa Kristy dia afaka mibebaka izahay ary voadio indray raha nanao safidy tsy nety. Hanao akanjo fotsy izahay amin’ny andron’ny batisanay mba hahatsiarovana izany koa.

Ankizivavy manipy vatokely hitsambikimbikina eo amin’ny renirano miaraka amin’ny dadan’izy ireo

Tena hain’i dadany ny manipy vatokely hitsambikimbikina eo amin’ny renirano! Ampianariny anay ny fanaovana izany ary lasa mihamahay hatrany izahay isaky ny manandrana. Toa izany koa no maha ilay Mpampianatra tonga lafatra an’i Jesoa Kristy. Te hanampy anay hianatra sy hivoatra Izy.

Ankizivavy mandeha eo amin’ny renirano sady tantanan-dreniny

Malama ireo vato ao amin’ilay renirano, ary tena manampy ny hoe mitazona ny tanan’i Neny. Eo foana i Jesoa ho antsika rehefa mila fanampiana isika. Ary rehefa atao batisa isika dia hampanantena ny hanampy ny hafa amin’ny fomba hanaovany izany ihany koa!

Tianay ny mandeha eo amoron’ilay renirano miaraka amin’ny fianakavianay. Rehefa atao batisa isika dia ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izay mitondra miverina any amin’ilay fonenantsika any an-danitra. Afaka miaraka amin’ny fianakaviantsika mandrakizay isika!

Faly be aho fa hatao batisa satria te hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa aho. Afaka mampiseho amin’ny Ray any An-danitra aho fa te hitandrina ireo didy.

Violet W., 7 taona, Arizona, Etazonia

Te hanaraka an’i Jesoa Kristy aho. Rehefa vita batisa aho dia afaka mahazo ny Fanahy Masina, ary afaka manampy ahy hanana herim-po ny Fanahy Masina.

Hailey W., 7 taona, Arizona, Etazonia