“Tafatafa iarahana amin’i Emily momba ny batisany,” Namana, Janoary 2026, 34–35.
Tafatafa iarahana amin’i Emily momba ny batisany
Ankizy 9 taona avy ao Sinaloa, Meksika i Emily. Nanontanianay zavatra vitsivitsy momba ny batisany izy.
Lazao aminay ny mombamomba anao.
Tiako ny manao sary hosodoko, manao sary, mahandro sakafo amin’ny lafaoro, manamboatra zava-kanto, ary mandihy sy mihira miaraka amin’ny mpiray tampo amiko. Tiako ihany koa ny mandeha any amin’ny tranon’ny raibeko any ambanivohitra mba hitaingina soavaly.
Ahoana no niomananao tamin’ny batisa?
Nandritra ny takariva ao an-tokantrano, ny ray aman-dreniko dia nampianatra ahy momba ny finoana, ny fibebahana, ny batisa ary ny fanomezana ny Fanahy Masina. Niomana tamin’ny alalan’ny famakiana ny soratra masina sy ny vavaka ary ny fijerena horonan-tsary momba an’i Jesoa Kristy ihany koa aho. Tiako manokana ilay horonan-tsary momba ny batisan’ny Mpamonjy tao amin’ny Renirano Jordana. Tiako ilay rehefa mipoitra ny voromailala fotsy, izay maneho ny Fanahy Masina.
Nanao fanandramana ihany koa ny fomba fijoroanay ao amin’ny dobo izaho sy ny dadako. Natahotra ny hiditra tao anaty rano aho, saingy nampianarin’ny dadako ahy ny fomba handohalihako, hanaronako ny oroko, hanakimpiako ny masoko, ary hianjerako tsimoramora ao an-tsandriny. Nanandrana izany im-betsaka izahay ka rehefa tonga ny andron’ny batisako dia afaka nahavita izany tsara aho.
Inona no zavatra niavaka tamin’ny batisanao?
Andro iray tsy hohadinoiko mihitsy izany. Nanao lahateny sy nanolotra ny vavaka ary nanao vavolombelona ny olona tao amin’ny fianakaviako. Nihira ihany koa ny “Rehefa atao batisa aho” niaraka tamin’ny fanampian’ny mpitendry pianô ao amin’ny Kilonganay aho. Rehefa vita batisa aho dia nahatsapa ny Raiko any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany tena akaiky ahy. Latsa-dranomasom-pifaliana aho.
Niavaka ihany koa izany satria nanana hevitra ny hanasa ny namako sy havako sasantsasany izay tsy mpikamban’ny Fiangonana mba hanatrika ny batisako aho, ary nanaiky ny ho avy izy ireo. Mbola manatrika fiaraha-mientan’ny fiangonana miaraka amin’ny ray aman-dreniny foana ny iray amin’ireo namako izay nanatrika.
Ahoana no fomba hahatsiarovanao ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa?
Miezaka ny mahatsiaro ireo fanekempihavanako aho amin’ny alalan’ny fandehanana any am-piangonana, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ary ny fahatsiarovana ny Mpamonjy. Ny fahafantarana fa nanolotra ny ainy ho ahy Izy dia mahatonga ahy hahatsapa fankasitrahana. Mivavaka isan’andro ihany koa aho, mamaky ny soratra masina, manompo ny hafa, ary miezaka ny ho olona tsara.
Ho an’ireo namako izay ho atao batisa ato ho ato, manantena aho fa afaka ny hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy hahatsapa ny fitiavany tonga lafatra ianareo!