“Sahanasa mahafinaritra momba ny soratra masina ho an’ny isan-kerinandro,” Namana, Janoary 2026, 41–44.
Avia, hanaraka Ahy
Sahanasa mahafinaritra momba ny soratra masina ho an’ny isan-kerinandro
29 desambra–4 janoary
Fampahafantarana ny Testamenta Taloha
Mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ny Testamenta Taloha
Hira: “Mba tantarao ireo tantaran’i Jesoa Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 36)
Soratra masina: Isaia 9:5
Sahanasa: Afaka mianatra momba an’i Jesoa Kristy isika rehefa mamaky ny Testamenta Taloha. Mandehana ao amin’ny pejy 49 hiarahana milalao sahanasa iray fizahana soratra masina. Na misafidiàna soratra masina iray hiarahana mamaky.
5–11 janoary
Zanak’ Andriamanitra avokoa ny olona rehetra
Hira: “Zanaky ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 2)
Soratra masina: Mosesy 1:4
Sahanasa: Niteny tamin’i Mosesy Andriamanitra hoe, “Zanako ianao” (Mosesy 1:4). Zanaky ny Ray any An-danitra isika rehetra! Mieritrereta olona iray izay mila fampahatsiahivana fa zanak’ Andriamanitra izy. Hirao na alefaso ho azy ireo ilay hira hoe “Zanaky ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 2).
12–18 janoary
Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5
Namorona ny tany i Jesoa Kristy
Hira: “Tia ahy ny Ray any An-danitra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 16)
Soratra masina: Mosesy 2:1
Sahanasa: Namorona ny tany teo ambany fitarihan’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy (jereo ny Mosesy 2:1). Inona avy ireo zava-boahary tsara tarehy mahavelom-pankasitrahana anao? Ataovy ilay tao-javatra famoronana tany ao amin’ny pejy manaraka! Afaka manoritra fanampiny amin’izany ho an’ny fianakavianao ianao. Hetezo izy ireo ary ahantòny amin’ny toerana iray mba hampahatsiahivana anao fa namorona ny tany ho anao Andriamanitra satria tia anao Izy.
Famoronana ny tany
Namorona ny lanitra sy ny tany ary ny zava-drehetra ao amin’izany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mampiasà crayons à cire, loko fampiasa amin’ny rantsan-tanana, na taratasy notapatapahina mba handokoana ny tany sy ny ranomasina eto amin’ilay tany.
19–25 janoary
Genesisy 3–4; Mosesy 4–5
Manao safidy tsara
Hira: “Fidio ny tsara” (Bokin-kiran’ny ankizy, 82)
Soratra masina: Mosesy 4:3
Sahanasa: Nanome antsika ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy Andriamanitra (jereo ny Mosesy 4:3). Ny fahafahana misafidy dia ny hery hahafahana manao safidy. Afaka manao safidy tsara ianao amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy sy ny fanompoana ny hafa. Manompoa olona iray miaraka amin’ny fianakavianao. Sorito dia tapaho avy eo ny sarina tanana iray, dia manorata momba ny zavatra nataonareo ary alefaso any amin’ny Namana izany! Ianaro misimisy kokoa ny momba izany ao amin’ny pejy 13.
Sary nataon’i Audrey Day