Namana
Ilay drafitry ny fahasambarana sy ianao!
Namana - Janoary 2026


“Ilay drafitry ny fahasambarana sy ianao!” Namana, Janoary 2026, 24–25.

Ilay drafitry ny fahasambarana sy ianao!

Nanao drafitra ho an’ny zanany rehetra antsoina hoe ny drafitry ny fahasambarana ny Ray any An-danitra. Manana anjara ao anatin’izany drafitra izany ianao!

Ny Fahariana

Namorona ny lanitra sy ny tany ary ny zava-drehetra ao amin’izany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ny Fahalavoana

Nisafidy ny hihinana voankazo tamin’ilay hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy i Adama sy i Eva. Noho izany dia tafasaraka tamin’ Andriamanitra izy ireo, nahafantatra ny tsara tamin’ny ratsy, ary afaka nanana fianakaviana. Izy ireo no fianakaviana voalohany teto an-tany.

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Nankety an-tany i Jesoa Kristy. Nahatsapa ny fanaintainantsika rehetra Izy ary nanefa ny saran’ny fahotantsika. Maty Izy dia velona indray. Noho Izy dia afaka mibebaka sy miaina miaraka amin’ny fianakaviantsika sy ny Raintsika any An-danitra indray isika indray andro any.

Ny fiainana eto an-tany

Nateraka teto an-tany isika rehetra mba hahazo vatana sy hianatra ary hivoatra. Afaka manaraka an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fitandremana ireo didy sy ny fanompoana ny hafa.

Tadiavo ao amin’ny sary ireto zavatra ireto.

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Maddie Baker