Hira
Misaotra Anao noho ny mpaminany


72

Misaotra Anao noho ny mpaminany

Amin-pifaliana

1. Misaotra ’nao noho ny mpaminany

Nomenao hitarik’anay,

Misaotra noho ny Filazantsara

Manazava ny sainay.

Misaotra noho ’reo fitahiana

Natolotry ny tànanao.

Mahafaly anay ny manompo,

Mitandrina ny didinao.

2. Raha maizina ny làlanay

Ka maloka ny fiainanay,

Misy azonay hantenaina

Akaiky ny famonjena.

Matoky ny Tompoizahay

Hatryzao sy rahatrizay.

Ny mpanohitra an’ i Ziona,

Hofaizina mandrakizay.

3. Hiraina ny hatsarany,

Deraina tokoa Izy,

Faly noho ny Filazantsara

Izay teny fiainana

’Reo mendrika, manampinoana,

Tanteraka mandrakizay.

Ireo ’zay na nohitra kosa,

Ho lavitra fifaliana.

Tonony tamin’ ny teny anglisy: WIlliam Fowler, 1830–1865

Feony: Caroline Sheridan Norton, 1808–ca. 1977

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1–5

Môzià 2:41