Hira
Ndao, ry zanaky ny Tompo


7

Ndao, ry zanaky ny Tompo

Amim-pientanana

1. Ry, zanaky ny Tompo,

Atambaro re ny feo.

Ankalaza ny Tompo;

Izy hanjaka rahateo.

Rehefa voadio ny tany,

Ny ota hitsahatra.

Fitiavana hatrany

Sy fiainantsambatra.

2. Endrey ha’finaritra,

Ho avy ny Mpamonjy;

amimboninahitra;

Hihira ny voavonjy.

Ka ny ratsy hiahotra.

Ny tompo no Mpanjaka,

Levona ny tahotra;

Fitia re no hanjaka.

3. Hitafy fotsy madio,

Hitoetra marina.

Hihira fiderana,

Ho velompisaorana.

Ho voasasa ny tany,

Hatsarana sy fitia

Nohanjaka eto antany,

Fa ho ravo ny fo tia.

Tonony tamin’ ny teny anglisy: James H. Wallis, 1861–1940

Feony: Feon-kira Espaniôla; narindran’i Benjamin Carr, 1768–1831

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:25, 33, 56

Apôkalipsy 7:9–17