Hira
Misy havoana iray


47

Misy havoana iray

Amim-panajana

1. Misy havoana iray ’zay

Atao hoe Golgota,

Voahombo teo i Jesoa

hamondy ny mpanota.

2. Toa tsy takatry ny saina,

’Lay fahoriambe,

Niaritra iza ny Izy

mba ho antsika re.

3. Tsy misy afatsy i Kristy,

No lalana izay,

Hitondra sy hampiditra

antsika andanitra.

4. Adidintsika kosa ny

Ho tia an’ i Kristy,

Hatoky sy hanatanteraka

ny asany.

Tonony tamin’ ny teny anglisy: Cecil Frances Alexander, 1818–1895

Feony: John H. Gower, 1855–1922

Jaona 19:16–20

Hebreo 13:12