Hira
Ndao handroso hatrany


20

Ndao handroso hatrany

Amin-pahavitrihana

1. Ndao handroso hatrany hanao nyasan’ ny Tompo,

Rahatrizay dia handray ny valisoa.

Ny sabatra no ho fiadiana

Ho an’ ny marina.

[Chorus]

Aza matahotra fahavalo,

Sahia, Tompo eo akaikinao.

Tsy ahoantsika ’zay fanenjehana,

fa ny Tompo hotoavina.

2. Tsy hihemotra na vitsy an’ isaaza,

Na marobe ireo fahavalo mihaza.

’Lay hery tsy hita no manampy

Ahy ho masina.

[Chorus]

Aza matahotra fahavalo,

Sahia, Tompo eo akaikinao.

Tsy ahoantsika ’zay fanenjehana,

fa ny Tompo hotoavina.

3. Tsy hatahotra raha manao ny mari na,

Fa ny Tompo eo akaiky sy manarina.

Amin’ ny sarotra sy ny mafy

Hiankin’Aminy.

[Chorus]

Aza matahotra fahavalo,

Sahia, Tompo eo akaikinao.

Tsy ahoantsika ’zay fanenjehana,

fa ny Tompo hotoavina.

Tonony tamin’ ny teny anglisy sy Feony: Evan Stephens, 1854–1930

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:33–37

1 Nefia 22:15–17